Manomboka Fiaraha-miasa Vaovao Amin'ny Fanentanana Iraisampirenena Momba ny Zon'Olombelona Ao Iran ny Global Voices

Image from the Campaign website.

Sary tao amin'ny pejy Facebook-n'ny International Campaign for Human Rights in Iran (Fanentanana Iraisampirenena momba ny Zon'olombelona ao Iran).

Mampiantrano ny fikarohana sy fanehoan-kevitra navoakan'ny mpanara-maso ny zon'olombelona avy ao New York, Fanentanana Iraisampirenena ho an'ny Zon'olombelona ao Iran ankehitriny ny Global Voices

Vonona hamoaka ny tantra avy amin'ny zoro rehetra ao Iran izahay, manana ampahany goavana ahafantarana ny firenena ny olana momba ny zon'olombelona.

Manome fanadihadiana sy fandalinana lalina tsy an-kiato momba ireo olana marobe isan-karazany mikasika an'i Iran ny Fanentanana. Nahazoan'izy ireo laza amin'ny fahatokisana sy tsy fitanilana miaraka amin'ny fanajana sy ny fankasitrahan”ny iraisampirenena ny fikarohana sy fanadihadiana malina ary ny fiarovana ny zon'olombelona ataon'izy ireo.

Naorina tamin'ny taona 2008 toy ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona tsy miankina, tsy mitanila sy tsy mitady tombontsoa ny Fanentanana. Miankina amin'ny fanadihadian'ny Fanentanana sy ireo ekipa manam-pahaizana ny Global Voices rehefa mitatitra ny olana goavan'ny zon'olombelona ao Iran, ka tena faly izahay mandray ity fiarahamiasa vaovao ity mba hanatsarana ny pejin'i Iran [mg] ato amin'ny Global Voices.

“Manasongadina ireo izay miady mafy ho amin'ny rariny sy ny fitovian-jo manerantany ny Global Voices,” hoy i Hadi Ghaemi, Tale Mpanatanteraka ny Fanentanana. “Tena faly izahay afaka mametraka ao anatin'ity sehatra tsy manan-tsahala ity ny feon'ny ireo izay mitolona ho amin'ny zon'izy ireo ao Iran.”

Mandrisika ny mpamaky izahay mba hitsidika ny tranonkalan'ny Fanentanana, www.iranhumanrights.org, ary hamaky bebe kokoa momba ny asa ataon'izy ireo amin'ny fiarovana sy ny fampiroboroboana ny zo fototra sy ny fahalalahana ao Iran.

Mikasika ireo lahatsoratra farany mampihetsi-po nalefanay mikasika ny asan'ny Fanentanana, jereo ny Fonjan'i Iran Lasa Zaridaina, Gazetiboky Sangany Ao Iran Naato Taorian'ny Niresahany Momba Ny Tokantrano Maso Ivelan'ny Fanambadiana [mg], ary ny 8 Iraniens influents expliquent comment l'accord sur le nucléaire va influencer les droits humains [fr] na Ny hevitry ny Iraniana 8 manana ny anjara toerany manoloana ny fifampiraharahana ara-nokleary sy ny fiantraikany eo amin'ny zon'olombelona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.