Nilaza ho Tompon'andraikitra Tamin'ny Fanapoahana Baomba Tao Amin'ny Moske Tao Qatif Ny ISIS

Some of those killed in the ISIS suicide bombing in a mosque in Qatif, Saudi Arabia. The photograph has gone viral on social media

Sasany tamin'ireo namoy ny ainy tamin'ny fanapoahana baomba nataon'ny ISIS iray mpanao vy very ny ainy tao amin'ny moskea ao Qatif, Arabia Saodita. Niparitaka tao amin'ny media sosialy ny sary

Mpivavaka 20 farafahakeliny, anisan'izany ny ankizy, no namoy ny ainy ary 102 no naratra raha nanapoaka tena tao amin'ny moskea Shiita iray tao Qatif, ao amin'ny faritany atsinanan'i Arabia Saodita taorian'ny vavaka zoma ny mpanao vy very ny ainy iray.

Nilaza tao amin'ny haino aman-jery sosialy ny ISIS, mpisintaka tao amin'ny Al Qaeda izay mifehy ny ampahan'i Syria sy faritra midadasika ao Iraka ankehitriny fa izy ireo no tompon’andraikitra tamin’ny fanafihana, fanindroany tamin'ny famelezana ny vondrom-piarahamonina Shiita.

Maro ireo nizara ny fanambaran'ny ISIS, anisan'izany ny sioka tsy azo jerena intsony izay nanambara ny fiandohan'ny hetsiky ny ISIS tao amin'ny firenena manankarena solitany, manerana “ny Faritanin’ Najd tamin'ny alalan'ny bemidina tao Qatifizay namono ny Rawafedh, teny fanambaniana fampiasan'i Arabia Saodita tantanin'ny Sonita sy ny hafa ao amin'ny faritry ny Helodrano mpifanolo-bodirindrina ilazana ny Shiita.

Tamin'ny volana Novambra, olona valo no namoy ny ainy tao Al Ahsa, tao amin'ny faritany atsinanana ihany koa, raha nanafika foibem-piarahamonina Shiita nandritra ny lanonam-pivavahana ireo lehilahy mitam-piadiana.

Nitranga ny fanafihana raha niditra tao amin'ny  moske Iman Ali ao Al Qadih, Qatif ny mpanao vy very ny ainy nandritra ny vavaka Zoma ary nanapoaka tena.

Mpanoratra gazety Saodiana Ahmed Al Omran nisioka hoe:

Nilaza ny MOI Saodiana fa mpanao vy very ny ainy iray no nanatontosa ny fanapoahana baomba tamin'ny fanafihana ny moskea Qatif tamin'ny alalan'ny fanapoahana fehikibo baomba nafenina tao anaty fitafiany.

Hoy izy nanampy:

Ny fanapoahana baomba ny moskea tao Qatif androany no fanafihana faharoa tao amin'ny toeram-pivavahana Shiita ao Arabia Saodita taorian'ny fanafihana an'i Dalwah tamin'ny Novambra lasa teo.

Mpikatroka Bahrainita Ala'a Shehabi nizara lahatsary misy ireo Saodiana tezitra taorian'ny fanafihana izay miventsoventso hoe Labbaik Ya Hussain, hira Shiita midika hoe “vonona hanompo anao izahay O Hussain“:

Zafikelin'i Mpaminany Mohammed, hajain'ny Miozolomana Shiita fatratra izay malahelo ny fahafatesany tamin'ny 680 hatramin'izao i Hussain.

Maro ihany koa ireo lahatsary sy sary nivoaka avy ao Arabia Saodita, izay tsy mandefitra mihitsy amin'ireo mpanohitra na mpanao fihetsiketsehana, miha-maro ireo Saodiana tezitra manohitra ny fanafihana:

Ismail Al Madani nizara ireto sary ireto:

Mponina ao amin'ny faritra Al-Qateef ao Arabia Saodita manao hetsi-panoherana an'i Al Saud androany alina

 Ather Alqatif nizara ity lahatsary mampiseho ireo mpanao fihetsiketsehana mihira fanoherana ny fampihorohoroana ity:

Hetsi-panoherana goavana tao Qatif miampanga ny fampihorohoroana ary mihirahira hoe “Tsy  hiankohoka izahay afa-tsy amin'i Allah

Nanome tsiny ny fanavakavahana tamin'ny fanafihana ilay manam-pahaizana Saodiana Dr Al Rasheed Madawi, hoy izy:

Tapitra ny fivangogoan'ny fifanenjanana ara-pivavahana eo am-panombohana sy fiotazana ny ain'ny tsy manan-tsiny.
Ny hafa kosa nanome tsiny an'i Arabia Saodita mihitsy, noho izy mamela ny fanavakavahana ara-pivavahana hahazo vahana eo amin'ny fiaraha-monina, rehefa tsy niraharaha ny fitomboan'ny fankahalana ara-pivavahana ataon'ireo manam-pahaizana sy mpanoratra Wahabbita izy.

Iyad El-Baghdadi nanazava hoe:

Avelan'ny fitondrana Saodiana malalaka ny fielezan'ny lahatenim-panavakavahana Sonita mahery vaika, avy eo raiki-tahotra daholo rehefa miseho ny zavatra tahaka izao

Nizara lahatsary maromaro nalefa tao amin'ny fantsona Saodiana izy, izay mampiseho ireo manam-pahaizana malaza Saodiana  miantso ny mpikambana Shiita ho tsy mahatoky, sy sioka mitaky ny fanafoanana ny Shiita. Ireto ohatra vitsivitsy mikasika ny lahateny fankahalana azo leferina ao Arabia Saodita:

Ity i Saleh Al Fouzan, mpikambana ao amin'ny Filan-kevitry ny Manam-pahaizana Saodiana Zokinjokiny, ary manambara ny Shiita rehetra (eny ny rehetra) ho tsy mahatoky http://t.co/Rpk9YHEMle

Ity ny “Mpanoratra gazety” Khaled Al Ghamidi ao amin'ny fantsona Saodiana milaza ny Shiita hoe: “Hoavy ao amin'ny faritrareo izahay ary hohaninay velona ianareo”

Sioka miparitaka hatramin'ny Avrily, midika hoe: “Mandrava ny Shiita rehetra Andriamanitra! na Ao Iran sy Qatif sy Medina ary ao Najran”

Na dia maro aza ireo niampanga ny fanafihana, Zaki Safr nanazava hoe:

Miady amin'ny fampihorohoroana isika amin'ny tanana iray, ary mamelona izany amin'ny tanana ilany

Talanjona i El-Baghdadi mahita ny hamaroan'isan'ireo maneho hevitra ao amin'ny media sosialy ho fanohanana ny fanafihana sy ny famonoana ny Shiita. Hoy izy nisioka:

Raha mahay mamaky teny Arabo ianao, tsidiho ny diezy (#تفجير_إرهابي_في_القطيف) ary jereo ny isan'ireo mpisera Twitter manohana ny fanafihana amin'ny alalan'ny famonoan-tena.

Mandritra izany, nanolotra vahaolana i Abdulla Al Shammari :

Tsy ny Shiita sy ny Sonita no mampanahy ahy, misy ny Andriamanitra hitsara azy ireo.
Te hiaina amim-piadanana izahay, ary tsy maintsy manondro ireo izay te-hametraka sakana eo amin'ny lalan'ny fandriampahalemana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.