Fantaro Ilay Lehilahy Mpikambana Kongresy Te-Hahakristiana ny Aterineto

Photo: Valter Campanato/ Agência Brasil

Eduardo Cunha, Filohan'ny Antenimieran'ny Solombavambahoaka. Sary: Valter Campanato/ Agência Brasil

Toa mankafy ny ho hitam-bahoaka i Eduardo Cunha, lehiben'ny antenimimeram-pirenena ao Brezila.

Nampitahain'ny gazetiboky Breziliana iray amin'ilay Frank Underwood olona iray, makiavelika, ao amin'ny sarimihetsika House of Cards, fantatra amin'ny fanakaikezana ny sasany amin'ireo olo-malaza ara-pivavahana mampiady hevitra indrindra ao amin'ny firenena i Cunha, ary lasibatra maharitry ny hetsiky ny mpikatroky ny zo sivily sy ny LGBT noho ny fijeriny tafahoatra amin'ny fomba fijeriny araka nenti-paharazana mahasorena.

Nisongadina tamin'ny lohatenim-baovao indray i Cunha noho ny adihevitra hafa: tamin'ny volana Aprily, namoaka ny lisitry ny anaran-tranonkala 288 nosoratana amin'ny anarany ny habatranonkala Pastebin, ka momba an'i Jesoa Kristy ny 154 amin'izany.

Mba hihazonana ny anaran-tsehatra, toy ny jesusfacebook.com.br, gmailjesus, googlejesus, messengerjesus, youtubejesus sy ny jesusblackberry, mandany eo amin'ny 8,000 reals (eo amin'ny 2600 dolara Amerikana eo) isan-taona i Eduardo Cosetino da Cunha, araka ny filazan'ny gazety O Estado de São Paulo. *

Hatramin'izao dia tsy mety maneho hevitra mikasika ny tatitra momba ireo anaran-tsehatra ireo ity lehilahy mpikambana ao amin'ny kongresy ity, izay nilaza teo aloha fa mitady ny aterineto “hoan'ny Kristianina ihany” izy.

Mandatehezana ho an'olona Mpitarika

Manana endrika ara-politika be dia be ny zotom-po ara-pivavahan'i Cunha. Anisan'ny ao anatin'ilay antsoina hoe Mandan'ny Parlementera Evanjelika: vondrona manambatra ireo mpikambana evanjelika ao amin'ny kongresy avy amin'ny antoko samihafa i Cunha, izay mamaritra ny tenany ao amin'ny Twitter ho “Evanjelika, mpahay toe-karena, mpiaro ny fiainana sy ny fianakaviana”.

Raha mpikambana ofisialy ao amin'ny Antokon'ny Mpiasa, antokon'ny fitondran'ny
Filoha Dilma Rousseff i Cunha, ny Manda misy azy no fahatelo lehibe indrindra ao amin'ny antenimiera raha toa ka ekena ho toy ny antoko ara-dalàna. Araka izany, dia haika lehibe eo amin'i Rousseff sy ny hafa eo amin'ny tontolo politika ao Brezila izany

Photo: Eduardo Cunha's Official Website

Cunha mitarika fivavahana ao anatin'ny tranoben'ny Kongresy. Sary: Eduardo Cunha's Official Website

Isa-kerinandro, mivory ao amin'ny iray amin'ny efitry ny lapan'ny kongresy ny Mandatehezana ry zareo hivavaka. Raràn'ny Lalàmpanorenana Breziliana, izay miantoka ny firenena laika izany fomba fanao izany, saingy nodinihana indray rehefa voafidy ho Filohan'ny Antenimieran'ny Solombavambahoaka tamin'ny volana Febroary teo i Cunha.

Mitsipaka ny fankatoavana ireo fomba fijery hafa momba ny zon'ny LGBT, ny fanalan-jaza na ny politikan'ny zava-mahadomelina ny Mandatehezana, ary niaro ny fampidinana ny taona mahatompon'andraikitra amin'ny heloka bevava ho 16 taona. Na dia teo aza izany toe-javatra mampiadihevitra izany, niakatra 14% ireo mpikambana ao amin'ny Mandatehezana taorian'ny fifidianana kongresy tamin'ny taon-dasa.

Eduardo Cunha is called "The Republic's Saboteur",  in a magazine cover comparing him to the House of Cards' character Frank Underwood.

Antsoina hoe Mpanimban'ny Repoblika i Eduardo Cunha, ao amin'ny fonon-gazety iray mampitaha azy ao amin'ny House of Cards’ amin'ilay Frank Underwood.

Tamin'ny tatitra nataony momba ny anaran-tsehatra novidian'i Cunha (ao anatin'ny taona voafetra), nilaza ny gazety espaniola El País amin'ny teny Portiogey fa fiangonana evanjelika maro no mandrisika ireo mpikambana ao aminy hividy anaran-tsehatra amin'ny aterineto ho fomba fiarovana sy fampitomboana ny finoana.

Nilaza ihany koa izy ireo fa natao hanakanana ny “cybersquatting” [fonenana an-tsokosoko ao amin'ny serasera] izany, izay araka ny Lalàna Amerikana dia midika ho “manoratra anarana, miditra an-tsokosoko na mampiasa anarana sehatra aterineto amin'ny fikasana ratsy haka tombontsoa amin'ny fikasana tsaran'ny anara-marika iray an’olon-kafa“.

Araka ny filazan'ny El País ihany, tsy afaka nividy ny nuevotiempo.com ohatra ny fiangonana evanjelika Espaniola Nuevo Tiempo satria efa nanana tompony ilay izy - izay mangataka 80.000 dolara raha te-hahazo izany.

Ao Brezila, mbola tsy voafidy ny lalàna entina misoroka izany fomba fanao izany hatramin'ny nanolorany azy voalohany tamin'ny 2011. Hiditra amin'ny fandràrana ny tetikasa natolotry ny solombavambahoaka Claudio Cajado :

(…) o registro de nomes de domínio de internet nas categorias sob o domínio .br idênticos ou bastante similares a nomes de marcas, de empresas ou de pessoas previamente conhecidas, sem autorização do titular. Também não serão registráveis expressões contrárias à moral e aos bons costumes, que ofendam a honra ou imagem de pessoas ou atentem contra a liberdade de consciência, crença e culto religioso.

) Ny fandraketana ny anaran'ny sehatra aterineto amin'ny sokajy ambanin'ny .br mitovy na mitovitovy amin'ny marika, orinasa na anaran’olona efa fantatra teo aloha, tsy misy fahazoan-dalana avy amin'ny tompon[‘anarana]. Ireo fiteny mifanohitra amin'ny fitondran-tena sy ny fahamendrehana, izay manevateva ny voninahitra sy ny momba ny olona na fikasana manohitra ny fahalalahan'ny feon'ny fieritreretana, ny finoana na fomba ara-pivavahana.

Malina tanteraka i Eduardo ka mandrakitra ny anaran-tsehatra amin'ireo fiovaovana .net sy .com.br. Ankilan'ny Jesoa, mifandraika amin'ny onjam-peony (melodiafm) ihany koa ny anaran-tsehatr'i Cunha sy amin'ireo anaran-tsehatra fivarotana mitodika amin'ny vahoaka kristianina, tahaka ny “compradecrente”, izay midika hoe “tsenan'ny mpino”.

Ny mahavariana, miresaka aterineto hoan'ny Kristianina ihany” i Cunha tamin'ny fotoana nanaovana ny fandraketana anarana tamin'ny 2012 raha nandray anjara tamin'ny “Diabe hoan’i Jesoa” izy.

Nitanisa fanehoan-kevitra nataon'ireo fampahalalam-baovao hafa tamin'izany fotoana izany ny El País:

Em 2012, quando muitos desses registros foram feitos, aproveitando a mobilização de uma Marcha para Jesus, o deputado explicou à revista Época a iniciativa. “Disponibilizaremos contas de e-mails, teremos um buscador, recolheremos doações para igrejas, transmitiremos cultos, comercializaremos produtos cristãos, teremos uma rede social, em suma, é uma internet só para cristãos”, disse à coluna de Felipe Patury. À Folha de S.Paulo, Cunha declarou à época que mirava a “maior audiência evangélica do país”.

“Hanao kaonty mailaka azo ampiasaina izahay, hanana milina fikarohana izahay, hanangona fanomezana hoan'ny fiangonana izahay, handefa fandaharana ara-pivavahana izahay, hivarotra vokatra kristianina, hanana tambajotra sosialy, raha fintinina [hanana] aterineto ho an'ny Kristianina ihany izahay. “[…] Nanambara i Cunha tamin'izany fotoana izany fa ny kinendriny dia ireo ‘mpivavaka evanjelika betsaka indrindra ao amin'ny firenena” .


Ary tsy mitsaha-mitombo ny isan'ny mpanaraka. Na dia mbola firenena manana mponina Katolika betsaka indrindra manerantany aza i Brezila, nitombo haingana ny isan'ireo fiangonana Pentekotista amin'ny endriny vaovao sy ny olona lazaina fa evanjelika.

Nahitana fiakarana 61% ny isan'ireo mpivavaka evanjelika nandritra ny folo taona farany araka ny hita tamin'ny fanisam-bahoaka farany . Araka fitsapan-kevitra tamin'ny 2013 nataon'ny Datafolha, ivon-toeram-pikarohana iray, dia evanjelika avokoa ankehitriny ny 28%n'ny Breziliana.

Toa mahay mamaky izany tranga izany tsara kokoa noho ny maro hafa i Eduardo Cunha. Fotoana fohy talohan'ny naha-voafidy azy hitarika ny antenimieran'ny solombavambahoaka, nanomboka nanalavitra ny tenany tamin'ny fiangonana evanjelika iray, Sara Nossa Terra (Sitrano ny taninay), izay nahampikambana azy nandritra ny 20 taona izy ary nanomboka hita tamin'ny fotoam-pivavahan'ny Assembleia de Deus, [Fiangonan’ Andriamanitra] iray amin'ireo anaram-piangonana evanjelika taloha indrindra sy iray amin'ireo manana mpanatrika betsaka indrindra ao Brezila. Ireo fiangonana roa ireo dia samy tantanin'ireo mpitarika manana fahefana goavana amin'ireo tsongoin'olom-bolo ara-politika ao amin'ny firenena.

Nahazo ity tarehimarika ity ny gazety O Estado de São Paulo tamin'ny alalan'ny Registro.com, fikambanana tompon'andraikitra amin'ny fandraketana anaran-tsehatra habaka ao Brezila.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.