Tsy Ny Rehetra Ao Nepal No Faly Amin'ny Haino Aman-jery Indiana

Nepalese victims of April 25, 2015 earthquake pictured inside an Indian Airforce aircraft as they are evacuated from Trishuli Bazar to Kathmandu airport in Nepal. Image via hemantrawat1234. Copyright Demotix (28/4/2015)

Nepaley niharam-boina tamin'ny horohorontany 25 Aprily2015, nalaina sary tao anatin'ny Fiaramanidina Indian Airforce tamin'izy ireo nafindra niala tao amin'ny tsenan'ny Trishuli ho ao amin'ny seranam-piaramanidin'i Kathmandu ao Nepal. Sary: hemantrawat1234. Copyright Demotix (28/4/2015)

Herinandro monja taorian'ny horohorontany tamin'ny 25 Aprily tao Nepal, nanomboka nalaza tao amin'ny Twitter ao India ny diezy #GoHomeIndianMedia [Modia Any Aminareo Ry Media Indiana]. Raha nisaotra an'i India noho ny fanampiana avy hatrany taorian'ny horohoron-tany ny Nepaley, voatsikera mafy noho ny fomba fitantarany ny zava-misy tsy araka ny tokony izy tsy mahalala maharary ny haino aman-jery Indiana.

Nihevitra ny sasany fa fanararaotana hampiroborobona ny seraseram-bahoakan'ny governemanta Indiana ny asa fanampiana.

Miampanga ny media Indiana ho manararaotra ny horohorontany mba hampiroboroboana an'i Modi ny Nepaley sasany.

Ny hafa indray miampanga ny fitantarana mihitsy ho tsy miraharaha sy manaitaitra fotsiny. Tranga iray lehibe ohatra ny mpanao gazety Indiana manontany renim-pianakaviana Nepaley iray mitomany tsy hay ampanginina manoloana ny vatana mangatsiakan'ny zanany hoe, “Manao ahoana ianao izao - Manao ahoana ny fihetseham-ponao amin'izao fotoana izao?”

Mpanao gazety Indiana manontany renim-pianakaviana izay vao avy nandre fa voatototry ny tranon'izy ireo ny zanany lahy tokana. Fanontaniana : Manao ahoana ny fihetseham-ponao? #GoHomeIndianMedia

Mpanao gazetin'ny Times Now manontany vehivavy naratra iray raha nisy maty ny fianakaviany na namany. Namaly izy hoe ny zanany vavy 10 taona. Nametraka izany fanontaniana izany in-6 izy??

Noho ny fahatezerana amin'ny tatitra tsy tompon'andraikitra ataon'ny media Indiana, nanomboka nampiasa ny diezy  #GoHomeIndianMedia ny mpiserasera Nepaley, izay nibahana tao amin'ny Twitter nandritra ny andro maromaro.

Hitanao ve ireo haino aman-jery Shinoa manao fanadihadiana amin'ny olona? Tsy be resaka fa tonga dia asa avy hatrany, azafady. Azo amin'ny fahamendrehana ny fanajana, fa tsy dradradradraina #GoHomeIndianMedia

Niparitaka tao amin'ny haino aman-jery sosialy ny fahatezerana. Posiposy “bajaj” iray ohatra nahitana ny diezy #GoHomeIndianMedia teny an-dalamben'i Katmandou.

Raha afaka mandalo manodidina an'i Kathmandu ao Tempo ianao dia mahita ny sora-baventy #GoHomeIndianMedia

Nilaza ny sasany fa manao asa tsy mendrika ny haino aman-jery Indiana ary tsy mba nampiseho fanetre-tena taorian'ny horohorontany. Tsy vao voalohany ireo mpanao gazety Indiana no niatrika fanakianana tahaka izao. Nandritra ny tondra-drano tao Uttarakhand, izay nahafaty olona maherin'ny 5.000, nameno ireo onja tamin'ny fitantarana fahoriana tafahoatra ny haino aman-jery Indiana sasany, mampiseho ireo niharam-boina tamin'ny tondradrano tao anatin'ny fotoana tena sarotra, ka nilaza ireo tsikera sasany fa toy ny fanararaotana (fitrandrahana) ny loza izany fa tsy fitateram-baovao araka ny tokony ho izy.

Nilaza ireo mpiserasera Indiana sasany fa menatra noho ny ataon'ny haino aman-jeriny izy ireo.

#GoHomeIndianMedia (Mandehana mody any aminareo:) @TimesNow @HeadlinesToday @mediacrooks sy ireo haino aman-jery Mpisoloky ao, mahalalà menatra

Nanomboka nampiasa ny diezy #DontComeBackIndianMedia [Aza miverina mody aty ry media indiana] ireo Indiana sasany.

Izany no mahatonga ny #GoHomeIndianMedia ho malaza maneratany. Tena mahamenatra. Ka #DontComeBackIndianMedia (Aza miverina mody ry media Indiana)

Hoan'ny sasany tahaka an'i Krittivas Mukherjee, izay namoaka lahatsoratra tao amin'ny Hindustan Times, ny ankamaroan'ny olana amin'ny tati-baovaon'ny Indiana ao Nepal dia ny “fitantarana am-pitiavan-tena ireo zava-mitranga” sy ny “fanambonian-tena.”

Mazava ho azy fa tsy ny rehetra no maika hanidy varavarana amin'ny fampahalalam-baovao Indiana. Smita Sharma, mpanoratra gazety monina ao New Delhi nanoratra tao amin'ny Dailyo.in fa tokony haka fotoana handinihana ry zareo raha mahita ilay sary goavana kokoa:

It is time for course correction before #GoHomeIndianMedia hashtags overshadow all the good work done by many journalists, who too are mortals, and brave challenges to tell the world stories of those in pain.

Fotoanan'ny fanitsiana izao alohan'ny hanakonan'ny diezy #GoHomeIndianMedia ny asa tsara rehetra notontosain'ireo mpanao gazety marobe izay olombelona mety maty ihany koa ary sahy nijoro mba hitantara amin'izao tontolo izao ny ny momba ireo ao anatin'ny fahoriana.

Raha tsy ahitana vinavina ny tsikera sasany, mampanontany tena amin'ny fahatsapan'izy ireo, na tsia manoloana ny loza tahaka izao ny ahiahy ankapobeny manoloana ny haino aman-jery Indiana. Manana fantsom-baovao maherin'ny 100 i India, ary mifaninana ao anatin'ny “fanatratrarana fahazoana mpijery sy mpihaino marobe” izy ireo. Te ho voalohany eny an-toerana amin'ny fitantarana miavaka ny fantsom-baovao rehetra. Amin'izany fifaninanana te ho voalohany izany, indrindra mandritra ny loza voajanahary goavana izay maro ny olona manara-baovao, tsy mahavita manaja ny etika sy ny maha-matihanina intsony ireo haino aman-jery.

Ny hafa kosa miahiahy fa mandray mpiasa tsy matihanina be loatra ireo fantsom-baovao ka mametrakaolona anoloan'ny kamera alohan'ny fampiofanana azy ireo araka ny tokony ho izy. Sunita Shakya, mpanoratra Nepaley, nitaraina momba izany fironana voalaza izany tao amin'ny lahatsoratra bilaogin’ny CNN, izay nanaovany fampitahana ny tati-baovaon'ny haino aman-jery Indiana amin'ny tantara mitohy amin'ny fahitalavitra.

Manome tombotsoa marobe ho an'ny fampahalalam-baovao amin'ny fitomboan'isan'ny mpijery ny loza voajanahary, saingy fanamby lehibe hanajana ny fahadiovan'ny asa fanaovan-gazety koa izany. Ohatra iray vao haingana ny fahasarotan'ny fitateram-baovao ny tolona ifanaovan'ny haino aman-jery Indiana manoloana ny fangirifirian'ny daholobe ao Nepal .

Nanampy tamin'ny fanatontosana ity lahatsoratra ity i Sanjib Chaudhary avy ao Kathmandu, Nepal.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.