Efa Matin'ny Bala Va Re Ny Hoavin'ny Tanora Ao Venezoela?

Grupo de jóvenes en barriada popular de Caracas, capital de Venezuela. Foto tomada de la cuenta en Flickr de Xavier Donat bajo licencia de Creative Commons.

Andian-tanora ao aminà toeram-pianarana asa any akaikin'iCaracas, renivohitr'i Venezoela. Sary an'ny mpampiasa Flickr Xavier Donat, nampiasàna ny lisansa Creative Commons.

Tahotra, alahelo, hakiviana—tsy misy intsony fotoana hanofisana, hianarana, na hanaovana hadisoana. Maty mitsinkasina eny an'arabe ny tanoran'ny taonjato fah-21 ao Venezoela, voafandrika ao afovoan'ny ady heloka bevava tsy mifandanja manjo ny olom-pirenena. Voaporofo ho olana goavana be ho an'ny fanjakana io.

Ny lohalaharana mitondra fahafatesana ho an'ny tanora eo anelanelan'ny 10 sy 19 taona ao Venezoela dia ny famonoantena, araka ny fanadihadian'ny UNICEF nomeny anarana hoe “Takona Tsy Hita Maso”, izay nosoritan'ny gazety El Universal ho toy ny fandravonana midadasika indrindra an'ireo angon-drakitra momba ny herisetra ara-batana, ara-nofo ary ara-tsaina manjo ny ankizy sy ny tanora amin'izao andro izao.

Araka ireo tatitra an-gazety, maherin'ny 90 ireo ankizy nisy namono tao Caracas renivohitra hatramin'ny nanombohan'ny taona. Isa azo alahatra amin'ny fiara fitaterana an-tsekoly roa feno hipoka, tarika roa mpilalao baseball, na orkesitra andiany iray manontolo.

98 ireo tsy ampy taona nisy namono hatramin'ny niandohan'ny 2015 tao Caracas

Ny “Youth Orchestras System of Venezuela”, natsangana nandritry ny fotoanan'ny demaokrasia (1975) ary fantatra ho reharehan'ny firenena, sy koa teboka fanombohana ho an'ilay mpitarika orkesitra malaza Gustavo Dudamel, dia voadona mafy tamin'ny herinandro lasa iny noho ny namonoan'ny sasany mpikambana roa avy ao aminy: Jimbert Hernández (15 taona) tao Caracas, sy Carlos Hernández (13) tao Cantaura, any atsinanan'ny firenena. Antoandrobenanahary no nanaovana ireo heloka ireo.

Amin'alahelo lalina no namoizanay ny 2 tamin'ireo ankizinay. Hanohy hiasa izahay mba handresy ny herisetra ny fandriampahalemana.

Mbola ianjadian'ny bala atifitry ny tafi-panjakana azy ireo ihany koa ny tanora Venezoaliana. Araka ny fandihadiana notarihan'i Cecodap, ONG Venezoeliana miasa hampiroborobo sy hiaro ny zon'ny ankizy sy ny tanora, ka tamin'ireo ankizy sy tanora 912 maty nisy namono tamin'ny taona lasa, 126 no maty novonoin'ny polisy sy ny tafika.

@cecodap milaza fa tamin'ny 2014, 912 ny ankizy sy tanora matin'ny herisetra. 912 fianakaviana no torotoro. 26 efitranon-tsekoly no banga.

Tamin'ny Febroary lasa teo, nanozongozona ny firenena ny nahafatesan'i Kluiverth Roa, mpianatra 14 taona. Polisy iray no nitifitra azy teny amin'ny tarehiny, tamin'ny antoandrobenanahary, tao San Cristóbal, tanàna iray any andrefan'ny firenena, manakaiky ny sisintany iraisany amin'i Kolombia. Fihetsika hitan'ny rehetra tanaty lahatsary iray nalaina tamin'ny alàlan'ny finday, izay niely nitety ireo tambajotra sosialy.

Ny alin'ny 30 Aprily, maty voatifitra nandritry ny “fifandonana” tamin'ny polisy i Julio Méndez. Voampanga ho mpikambana anaty andian-jiolahy ilay tovolahy 21 taona, kanefa mbola misy antony mampisalasala amin'ilay fanambaràn'ny polisy: Méndez dia nandray anjara tao anatin'ilay sarimihetsika “Pelo Malo”, izay nahazo fankasitrahana tamin'ny “San Sebastián Film Festival” tamin'ny 2013, ary atleta manana ny lazany ihany koa izy izay nandray anjara tamin'ireo fifaninam-pirenena ho an'ny tanora. Fanampin'izay, araka ny lazain'ny namany sy ny fianakaviany, teo ampikarakarana ny handehanany hifindra ho any ivelany izy.

Miaraka amin'ny hatezerana sy alahelo tsy hita fetra, tsy maintsy taterinay fa ny mpilalao tsy foinay, JULIO MENDEZ, dia maty novonoina tao Caracas.

Mikaroka làlana handaozana ny fireneny niaviany ny ankamaroan'ireo tanora Venezoeliana ary mitady fiainana ho azy ireo any amin'ny firenena hafa. Amin'ireo izay mijanona, betsaka no mitolona manohitra ny governemanta ary miaritra famoretana ho setrin'ny hetsi-panoherana ataon-dry zareo, raha toa indray ny hafa gadraina sy tondroin'ireo fampahalalam-baovao fehezin'ny fanjakana ho mpanao heloka bevava.

Nandritra ireo hetsi-panoherana tamin'ny taona lasa, 3.718 no olona voasambotra, 360 tamin'ireo no tsy ampy taona, araka ny lazain'ny Foro Penal Venezolano, ONG iray any an-toerana miaro ny zon'olombelona.

Venezoela amin'izao fotoana izao no manana ny taha avo indrindra amin'ny halafon'ny vidim-piainana manerana ny tany, 76 isanjato araka ny tarehimarika ofisialy (raha ireo fikambanana hafa sy mpahay toekarena kosa mino fa tafahoatra ny 100 isanjato io tamin'ity taona ity). Miaritra tsy fahampian-tsakafo faran'izay henjana tsy mbola hitany teo amin'ny tantarany ihany koa ny firenena, ary tompon'ny taha faharoa avo indrindra amin'ny vono olona eto an-tany (82 fanafihana mahery setra isaky ny mponina 100.000), ialohavan'i Honduras fotsiny.

Ireo atleta, ny mpianatra, ny mpanankarena, ny mahantra, ny tantsaha, ny mponina an-tanandehibe, ny mpino,ary ny tsy mpino—toa eo ambany aloky ny herisetra tsy mitsahatra hatrany no iainan'ireo tanora ao Venezoela, raha zara fa mihetsika kosa ny fanjakana mba hanao izay hiatrehana ity zava-doza manozongozona ny firenena ity.  Raha tsy misy fanapahankevitra hentitra, sarotra ho an'ireo tanora Venezoeliana marobe ny hanana hoavy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.