Ny Media No Hafatra: E-Diplomacy Ao Ejipta

Egypt goes offline, January 27, 2011. Graphic by Committee to Protect Journalists.

Ejipta mivoaka ivelan'ny aterineto, 27 January 2011. Sary an'ny Kaomity Mpiaro ny Mpanao Gazety.

Tao amin'ny bilaogy Future Challenges (Fanamby Hoavy) no nivoaa ny lahatsoratra voalohany

Ny 27 Janoary 2011, namoaka didy ny manampahefana tao Ejipta ny amin'ny hanapahana tanteraka ny fifandraisana dizitaly rehetra ho fanakendàna ny fitomboan'ny antso hanao hetsi-panoherana eny an'arabe mba hanjeràna ny filoha teo aloha Hosni Moubarak. Naharitra andro enina ilay fanapahana tanteraka ka nandritra izany dia nanjavona tanteraka tety anaty aterineto i Ejipta.  Tsy mbola nisy toa io raha habe sy faharetana noresahana. Nandamoaka ihany ilay tetikady rehefa dinihana, nampiseho ny tsy nahavitàn'ny fitondrana nampitsahatra ilay hatezerana malaza.

Tsy hoe zavatra iray mitatao ara-politika fotsiny ny teknolojia dizitaly ho an'ireo manampahefana Ejiptiana, fa koa vahiny iray avy amin'ny tsy taka-maso ary angamba aza izay mampidi-doza mihitsy. Nampiasain'ireo tanora Arabo mba hampitàna ny feony ny haino aman-jery sosialy ary hanapariahana izany amin'ny fomba mahomby indrindra, diso nahomby loatra aza angamba ka nahatonga ny lohataona Arabo nomena anarana hoe revolisiona dizitaly. Ny marina tsy azo lavina dia namorona fifandanjan-kery iray vaovao ny media sosialy, teo amin'ny fitondrana sy ny vahoaka. Io no media vaovao, ny fisiany fotsiny dia efa namorona tsindrin'entam-pahefana ho an'ny fitndrana. Ary nanomboka teo, ny fisiany dia niantraika tamin'ny fomba fanjifan'ireo Ejiptiana ny vaovao. Toy ny mpifindra-monina dizitaly no fijery ny manampahefana, tsy mahazo aina mihitsy ao anatin'ireny faritany vaovao ireny izay sarotra kokoa ny hanaovana fanarahamaso sy sivana raha miohatra amin'ireo media tranainy.

Taorian'ny taona efatra nisian'ny fiovàna fitondrana matetika, tsy maintsy manakatra ny fomba fifandraisana mahomby ireo Ejiptiana manampahefana amin'izao fotoana izao.

Nandritra ireo taona efatra farany, nanatri-maso andianà fiovam-pitondràna i Ejipta. Talohan'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tamin'ny 2012 nitondra tamin'ny fahalanin'i Mohamed Morsi avy amin'ny Firahalahiana Silamo, ny fiovam-pitondrana voalohany dia ny fametrahana ny Filankevitra Faratampon'ny Tafika Mitam-piadiana (SCAF) ho toy ny governemanta vonjimaika mpisolo toerana. Ny fiovàm-pitndràna faharoa dia rehefa injay i Morsi naongan'ny fitroaram-bahoaka notohanan'ny tafika nandritry ny fotoam-pahavaratry ny 2013. Avy eo ny May 2014, voafidy ho filoha ny Marechal msotro ronono antsoina hoe Abdelfattah Al Sissi.

Na teo aza ireo fiovam-pitondrana sy ny fiantraikany tamin'ny olana diplaomatika, mety tsy ho vitan'ny mpamaky iray tsy Arabo mihitsy ny hahafantatra izay zava-mitranga. Zara raha nampiasa ny fitaovana dizitaly ireo manampahefana tao Ejipta, ary tamin'ny fiteny Arabo fotsiny. Riaso ho ohatra ireo tranonkala manaraka ireto, ny pejy ofisialin'ny mpitondra tenin'ny Tafika Ejiptiana, ny fantsona ofisialy YouTube an'ny Ministeran'ny Raharaham-Bahiny, ny kaonty ofisialy Twitter an'ny filoha teo aloha Muhammad Morsi ary ny kaonty ofisialy Twitter an'ny filoha amperinasa Abdelfattah Al-Sissi, ireny olona manana ny toerany ireny no mitondra fanavaozam-baovao momba ny toe-draharaha ao Ejipta. Saingy fanavaozam-baovao voasoratra amin'ny fiteny Arabo, na dia fantatra aza fa tsy izao tontolo izao no mamaky io fiteny io.

native-lang1

Tavela noho ny tsy nampiasàny afa-tsy ny teny Arabo ve i Ejipta?, loharano: U. Ammon, U. avy ao Dusseldorf, Population Reference Bureau (ahitàna ireo mampiasa fiteny roa).

Ireo vahoaka voakasiky ny ezaka e-diplaomasia tahaka izany dia efa nanam-pahafahana sahady namaky ireo media tranainy tamin'ny  fiteny Arabo. Fa tavela tao anatin'ny haizina kosa ireo ambiny maneran-tany mpiteny Anglisy, na Frantsay, na Espaniola. Ilay media hany mampiasa teny Anglisy azo noraisina dia ny https://twitter.com/MfaEgypt. Nanomboka tamin'ny Janoary 2015 io ary manana mpampiasa latsaka kelin'ny 700.

Arahabaina ve ny fahatongavan'ny teknolojia dizitaly any amin'ny kianja politika?

Ankehitriny, ampitahao io amin'ireo “e-diplomasia” misy asa famoronana nataon'ny any amin'ny faritra, Israely ohatra, izay namokatra kaonty media sosialy lasibatra sy tetikady ho an'ireo faritra izay tsy ananan-dry zareo solotena diplaomatika amin'ny fomba ofisialy. Na ny ISIS aza dia nametraka tetikady dizitaly maty paika, tamin'ny fampiasàna fitaovana mampiasa fiteny maro toy ny haino aman-jery sosialy, ny gazety ety anaty aterineto, kamerà HD, famoahana sary malama tsara sy voadio ara-teknika. Araka ny anoratan'ireo manampahaizana, Gregory Payne, Efe Sevin sy Sara Bruya azy,

Fomba tranainy amin'ny fampiasàna ny diplaomasia any amabdiky ny sehatra, miantehitra betsaka amin'ny fomba fampitam-baovao mandeha zotra tokana, izay mazàna mitàna toeran'ny mpitazana fotsiny ny mpamaky. Kanefa, raha jerena ireo fahafahana mirotsaka an-tsehatra mavitrika misy amin'ny tontolon'ny fampahalalam-baovao amin'izao andro izao, toa tsy manaiky loatra io anjara toerana mpitazana sy mpitaty fotsiny io ny tsirairay.

Toa mbola miraikitra mafy amin'io fomba tranainy fanaovana diplaomasia io i Ejipta.

Kanefa vitan'ireo manampahefana Ejiptiana ny miatrika ny “fianakaviambe iraisampirenena” amin'ny fomba mazava sy matanina, tahàka izay naseho nandritra ny Fihaonambe Momba ny Fandrosoana Ara-toekarena tao Ejipa tamin'ny Martsa 2015. Nanana tranonkala tena niasa tsara mihitsy ry zareo, nahitàna hatramin'ny kaonty Twitter natao manokana ho amin'izany sy ny tenifototra (#EEDC2015)  ary ny fantsona YouTube natao manokana ho an'ireo lahatsary avy aoamin'ilay fihaonambe.

Nasehon'ny governemanta Ejiptiana ny fahafahany nametraka feno ny teikady momba ny haino aman-jery sosialy, ohatra, tao amin'ny sehatra fifanakalozan-dresaky ny Fandrosoana Ara-toekarena Ejiptiana. Izany dia nahitàna ny endrika fampitam-baovao nokinendry, nahomby ary nisokatra azon'ny olona maro notsidihana. Na izany aza, tsy voadika ho amin'ny ezaka nataony ara-diplaomatika manokana nataony io fisokafana io, izay niterakany fanontaniana hoe : Fa dia naninona?

Naninona no tsy azo nadika sy naparitaka hanerana ny e-diplamasia-n'i Ejipta manerana izao tontolo izao? Maninona no tsy maka tombony amin'ny fisian'ireo sehatry ny haino aman-jery sosialy mba hanorenana tetikady dizitaly mahomby ara-diplaomatika? Inona no manakana ny manampahefana tsy handray anjara aminà fifanakalozan-dresaka mivelatra sy midadasika kokoa momba izay karazana fiarahamonina tiantsika sy ny fifandrimbonana amin'izy ireny sy ao anatin'izy ireny? Nanome fitaovanafanampiny ho an'ny diplaomaisany teknolojia sy ny haino aman-jery sosialy mba hanaovana izany, saingy takian'izany ny famerenana mandinika manontolo ny tetikady momba ny fifandraisana ao Ejipta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.