Bahanan'ny PayPal Ireo Tolo-bola Ho Fanontàna Ny Tatitr'i Boris Nemtsov Momba Ny Ady Tao Okraina

Boris Nemtsov was murdered in February 2015  before he could finish the report on the war. His photo is seen here at a memorial rally in St. Petersburg on March 1, 2015. Image from Wikimedia Commons.

Boris Nemtsov nisy namono tamin'ny Febroary 2015, talohan'ny namitàny ny tatitra nataony momba ny ady. Hita eto ny sariny nandritry ny famoriam-bahoaka ho fahatsiarovana azy tao St. Petersburg tamin'ny 1 Martsa 2015. Sary avy amin'ny Wikimedia Commons.

Nobahanan'ny PayPal, tolotra amerikana fandoavana vola amin'ny elektronika, ny kaonty nosokafan'ireo Rosiana mpikatroka mafàna fo natao hanangonana vola hanontàna ny tatitra “Ady.Putin”. Nifototra tamin'ireo zavatra nangonin'i Boris Nemtsov, ilay politisiana mpanohitra nisy namono tao Maosko tamin'ny Febroary 2015, ilay tatitra mampiseho ny maha-voarohirohy an'i Rosia amin'ny fifandonana ao atsinanan'i Okraina, ary manamafy fa 220 raha kely indrindra ireo miaramila Rosiana no maty tamin'ny fifandonana tao Donbass.

Ilay famoahana vaovao tsy miankina mifantoka amin'i Rosia, Meduza, mitatitra fa nibitsika dikasary avy amin'ny hafatra nalefan'ny avy ao amin'ny Paypal i Vsevolod Chagaev, iray tamin'ireo mpikatroka mafàna fo manohana an'ilay tatitra, izay milaza fa tsy avelan'ny Palypal hampiasaina ilay tolotra mba ‘hanangonana vola hamatsiana hetsiky ny antoko politika na tanjona politika any Rosia.” Taty aoriana i Chagaev nilaza tamin'ny RFE/RL fa nohamafisin'ireo mpiasan'ny Paypal ao Rosia hoe “io no fanapahankevitra ofisialin'ny orinasa.”

Ofisialy ity izao: noho ny antony ara-politika dia nobahanan'ny PayPal ny kaonty natao hanangonana vola hanontàna ny tatitra Ady.Putin. [Tsonga avy amin'ny mailaka nalefan'ny Paypal: “Nohadihadianay ny mombamomba rehetra mifandray amin'ilay kaonty ary dia ialànay tsiny fa mampahafantatra anareo izahay hoe tsy azo esorina aloha hatreto ny fameperana natao an'ilay kaonty. Izany dia mifandray amin'ny politikan'ny Paypal amin'ny tsy fahafahana mampiasa ny tolotra mba hanangonana vola hamatsiana hetsiky ny antoko politika na tanjona politika ao Rosia.”].

Ao anaty fanehoankevitra iray ho an'ny tranonkalam-baovao Rosiana RBC, nisy mpitondratenin'ny PayPal nilaza fa tsy azon'ireo Rosiana mpampiasa azy atao ny manangona vola ho anà antoko na tetikasa politika ao Rosia noho ireo “fahasarotana amin'ny fametrahana dingana fanarahamaso azo ampiharina.” Tsy nofaritan'ilay mpitondrateny ny fomba namaritan'ny Paypal hoe ny vola azo avy amin'io kaonty manokana io dia ho entina hamatsiana “tetikasa politika”. Nilaza tamin'ny RBC ny Yandex.Money, ilay tolotra Rosiana fandoavana vola elektronika izay nampiasain'ireo mpikatroka mafàna fo ihany koa mba hanangonana vola, fa tsy manana olana amin'ilay tetikasa ry zareo, satria avelan'ny lalàna Rosiana ny olom-pirenena hanangona vola mba hanontàna boky.

Fanavaozana: Mpitondrateny avy ao amin'ny PayPal no nanome ity fanambaràna ity ho an'ny Global Voices mba hanazavàna ny toerana noraisin'ny orinasa momba ilay raharaha: “Amin'izao fotoana izao ny PayPal ao Rosia dia tsy manome alàlana ireo antoko pôlitika, na hetsika pôlitika ao Rosia handray fanomezana, noho ny fahasarotan'ny fampanarahana izany amin'ny lalàna misy ao an-toerana izay mitaky fanamarinana ny mombamomba ny mpanome. Miala tsiny izahay noho ny fanelingelenana aterak'izany ho an'ireo mpanjifanay.”

Honohono eny amin'ireo mpampiasa aterineto ao Rosia ny hoe mety nilefitra fotsiny tamin'ny tsindry nataon'ny manampahefana Rosiana ny PayPal satria tsy te-ho very fihinanana ao amin'ito firenena io izy.

Izay izany Tsy te-hiala ao Rosia fotsiny izao ny PP (PayPal) .

Tsy irery ny PayPal amin'izany. Talohan'ny fanapahankevitr'izy ireo, trano fanontàna boky niisa 14 no nandà tsy hanonta ilay tatitry ny Rosiana mpanohitra, tamin'ny fitanisana “ny toe-draharaha misy ao amin'ny firenena.” Trano printy iray no nanaiky hanonta azy fa fepetra ny tsy hanononana ny anarany.

Nobahanan'ny PayPal ireo kaonty izay mety namofona politika tao Rosia taloha: ny May 2014 ny kaontin'ny RosUznik, fikambanana iray mpiaro zon'olombelona nisolo vava ny zon'ireo gadra nanao hetsi-panoherana tao amin'ny kianja Bolotnaya, no nobahanan'ny PayPal sy ny Qiwi, tolotra iray hafa fandoavana vola elektronika. Tamin'izany fotoana, “antony ara-pandriampahalemana” no notanisain'ny PayPal ho fototry ny fibahanana ny kaonty.

Tamin'ny 2010, nalaza be ny PayPal hoe nangihy ny kaonty hanangonana fanomezana ho an'ilay tranonkala mpitoroka “WikiLeaks”, tamin'ny nilazàny fa WikiLeaks (angamba noho ny famoahana vaovao nolazaina fa saropady) dia nanitsakitsaka ny Politikan'ny Azo Leferina amin'ny fampiasàna ny tolotra, izay mandràra ny mpampiasa azy tsy “handrisika, hampiroborobo na hampianatra ny hafa hanao hetsika tsy ara-dalàna.”

Mandritra izany, ireo mpisintaka notohanan'i Rosia tao amin'ny faritra nanambara tena Ho Repoblikam-Bahoaka tao Donetsk sy Luhansk dia manohy mampiasa ireo fotodrafitrasa fandoavana vola eletronika mba hanagonana fanomezana ho entina mamatsy ny hetsik'izy ireo. Ny 12 May, ny Sampam-pitsikilovana an'ny fanjakàna ao Okraina dia nanambara fa vitan'izy ireo ny nanala sarona sy nanakana kaonty 17 nanana fifandraisana tamin'ny  DPR/LNR, na dia tsy nomarihan-dry zareo aza ny anaran'ireo tolotra nisy ireny kaonty ireny, tamin'ny filazàna fotsiny hoe niara-niasa akaiky tamin'ireo “rafitra fandoavana vola elektronika iraisampirenena ry zareo” mba hahitàna sy hibahanana ireo kaonty. Na dia nolazaina ho fahombiazana aza io, ireo mpijirikatarihan'i Eugene Dokukin ao Okraina dia nitatitra fa vitan-dry zareo ny nibahana nandritry ny volana maro ny kaontin'ireo mpitaky fizakàn-tena tany amin'ireo fotodrafitrasa isan-karazany fanaovana fandoavam-bola elektronika, ary nilaza fa vitan-dry zareo koa ny nibahana kaonty efa ho 200 an'ireo “mpampihorohoro” nanomboka tamin'ny Jona 2014 tany amin'ireo rafitra fandoavana vola toy ny WebMoney, Yandex.Money, PayPal, sy ny hafa.

Ny hafatry ny PayPal ho an'ny mpitantana ny kaonty “Ady.Putin” dia milaza mazava fa tsy manome fanohanana ho famatsiana vola hetsika politika “ao Rosia” ry zareo.  Noho izany, tsy mazava raha toa ka fepetra mitovy ihany no mihatra amin'ireo kaonty Paypal nosokafana tany amin'ny firenena hafa. Ny Politikan'ny Azo Leferina amin'ny fampiasàna ny tolotra PayPal (na izany ao Etazonia na manerana ny tany) dia tsy manipika akory  ny fanangonana vola ho an'ny antoko politika na tanjona politika ao anatin'ireo hetsika misy fepetra na tsy azony ekena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.