Mampanantena Hiverina Amin'ny Aterineto Ilay Fandaharana Alzeriana Mananihany Nofoanana

El Djazaïria Week-End

Tao amin'ny pejy Facebookn'ny “Eldjazairia Weekend”

Amin'ny famoahana ny kolikoly eo amin'ireo sangany ao amin'ny mpitondra sy ny fiampangana ireo fomba fanao hafahafa eo amin'ny fiarahamonina alzeriana, sady manana mpanohana marobe ilay fandaharana mpananihany amin'ny fahitalavitra ”Eldjazairia Weekend” no manana mpanohitra tahaka izany.

Hatramin'ny herinandro vitsivitsy lasa izay, tamin'ny soniany tsy dia manaja sy mananihany, nalefa isaky ny zoma hariva ao amin'ny El Djazaïria, fahitalavitra tsy miankina iray ao Alzeria ny fandaharana. Tamin'ny 24 Aprily, voatery nanao veloma farany hoan'ireo mpijeriny ny ekipan'ny Eldjazairia Weekend. Nitomany izy ireo.

Na dia hita aza fa noho ny tambajotran'izy ireo no antony nanakatonana ny fandaharana, nilaza ny Reporters Without Borders fa nofoanana ilay fandaharana mananihany noho ny tsindry ara-politika avy any ambony. Abdou Semmar, lehiben'ny tonian-dahatsoratra ao amin'ny habaka mediam-bahoaka  Algerie-Focus sady mpiara-mpanolotra ny fandaharana ao amin'ny Eldjazairia Weekend no loharanom-baovaon'izy ireo.

Mpiara-manolotra ny fandaharana miaraka amin'ireo mpanoratra gazety Karim Kardache, Mustapha Kessaci sy ilay mpilalao sarimihetsika Merouane Boudiab ihany koa i Semmar, mpikambana ato amin'ny Global Voices. Nampanantena i Semmar fa hotontosaina tsy ho ela ny famoahana antserasera ny fandaharana mba hanoherana ity fihetsika manivana ity.

Ankoatra ny Algerie-Focus, mpikambana ao amin'ny  Envoyés Spéciaux Algériens i Semmar. Raha zatra ireo fampahalalam-baovao ireo ianao, mety mahafantatra tsara tokoa ny fanaon'ny Eldjazairia Weekend.

 

Nahoana no najanona ny “Eldjazairia Weekened”

Toa nanomboka tamin'ny 17 Aprily ny zava-drehetra raha nanontany momba ny harena sy ny efitrano Pariziana fonenan'ireo minisitra Alzeriana maromaro sy ny zanakavavin'ny Praiminisitra Abdelmalek Sella i Semmar Abdou. Ny  vaovao navoakany dia nifototra tamin'ny boky “Paris-Alger, une histoire passionnelle” (Paris-Algiers, tantaram-pitiavana tafahoatra), nosoratan'ilay mpanoratra gazety Frantsay izay milaza fa alòa amin'ny vola tsy fanta-piaviana ny efitrano fonenan'ny zanakavavin'i Sellal ao Paris. Tsy niandry ela ny valintenin'ny governemanta ary anisan'izany ny antso an-tariby avy amin'ny praiminisitra, araka ny filazan'ny Algerie Focus.

Nampitondraina ny lohateny “This is why ‘Eldjazairia Weekend’ stopped” (Toy izao no anton'ny nanajanonana ny  ‘Eldjazairia Weekend’ ny lahatsary eto ambany nozarain'ireo mpiserasera Alzeriana tao amin'ny YouTube. Mampiseho ampahany kelin'ny fandaharana izay ahiahiana fa nahatonga ny fahatezeran'ny manampahefana sy ny fanafoanana ny fandaharana ny lahatsary.

Ity manaraka ity dia mampiseho ny minitra faran'ny fandaharana farany amin'ny fandaharana izay ahitantsika an'i Abdou mitomany miaraka amin'ireo mpiara-miasa aminy.

Mampiseho ny antsipirihan'ireo dingana ara-panjakana notontosaina ny ambin'ny fandaharana amin'ny lahatsary, anisan'izany ny fampitandremana avy amin'ny manampahefana mpandrindra ny haino aman-jery sy ny firotsahana an-tsehatra mivantana nataon'ny Minisiteran'ny Fifandraisandavitra mitaky ny fahitalavitra mba hanova ny endrika sy ny votoatin'ny fandaharana ary handroaka an'i Abdou.

Nilefitra tamin'ny fitakian'izy ireo ny fantsona sy ny mpanao gazety. Na izany aza, nandà hiaiky ny andraikitr'izy ireo tamin'ny fanafoanana ny fandaharana avy eo ireo manampahefana ary nanizingizina fa avy ao anatiny (fantsona) ihany ny fanapahan-kevitra. Raha ny marina, ny fantsona ihany no nanambara tamin'ny fomba ofisialy ny fanapahan-kevitra tao amin'ny pejy Facebook-ny. Tamin'ny fanambarana ampahibemaso, nilaza ny Fahitalavitra El Djazairia fa naato vetivety ny fandaharana ary hiverina amin'ny endrika vaovao aorian'ny Ramadany ary nilaza koa izy fa fampitandremana am-bava ihany no azon'izy ireo, fa tsy tahaka ireo fantsom-pahitalavitra hafa ao amin'ny firenena.

Antso hanao Fihetsiketsehana

Niteraka fahatezerana teo amin'ny vahoaka sy ny mpanao gazety Alzeriana ny fanapahan-kevitra, naneho ny fanohanany ny ekipan'ny ‘Eldjazairia Weekend’ izy ireo. Niampanga ny fanafoanana ny fandaharana ihany koa ny fikambanana iraisam-pirenena toy ny Reporters without Borders ary nitaky tsy misy hatak'andro ny hamerenana ny fandaharana. Nisy ny fihetsiketsahana notontosaina tamin'ny 1 May. Na izany aza, tsy namaly ny antso hanao fihetsiketsehana ny ankamaroan'ny fantsom-pahitalavitra tsy miankina Alzeriana ankoatra ny El Watan izay naneho ny fanohanana an'i Abdou sy ny mpiara-miasa aminy. Solombavambahoaka iray ihany, Habib Zeggat no sahy nanohitra ny manampahefana ary naneho ny alahelony manoloana ny toetry ny fahalalahana maneho hevitra ao Alzeria, miompana indrindra amin'ny raharaha ‘Eldjazairia weekend’ ny lahateniny.

Tsy vaovao ny tranga tahaka izao ao Alzeria. Nandrakotra tantara marobe i Abdou raha naiditra am-ponja ireo bilaogera izay zara raha nitsikera ny fitondrana na zara raha nitaky ny fifidianana demaokratika.

Taorian'ny fihetsiketsehana, niresaka tamin'ireo fampahalalam-baovao marobe, indrindra ireo amin'ny teny Frantsay i Abdou mba hilaza ny marina mikasika ny fanapahan-kevitra fanafoanana ilay fandaharana. Malahelo noho ny tsy fisian'ny firaisankina eo amin'ny haino aman-jery Alzeriana i Abdou saingy nidera ny fampahalalam-baovao iraisampirenena noho ny fanohanana feno avy amin'izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.