Fifandonana Tao Mahabad, Iràna, Taorian'ny Fahafatesana Nahatonga Resabe Nanjo Mpiasa Vavy Amin'ny Hotely

A portrait painting of Farinaz.

Sary hosodoko an'i Farinaz Khosrawani, Kiorda mpiasa amin'ny hotely, izay nahatonga korontana manerana ny Iran ny fahafatesany mampiahiahy. Sary avy tamin'ny kaonty Twitter an'i @alebabiri .

Fampitandremana: Misy sary sy horonantsary mampivarahontsana ny lahatsoratra.

Nipoaka ny fifandonana feno herisetra tao amin'ny tanàna Iraniàna an'i Mahabad, teo amin'ireo mpitandro filaminana sy ireo Kiorda mpanao hetsi-panoherana izay nandoro hotely ny Alakamisy, tamin'ny hetsika manohitra ny fahafatesana misiterin'ilay Kiorda mpiasa vavy amin'ny hotely. Tanàna Iraniana misy ny foko Kiorda i Mahabad, hita any amin'ny 200 kilometatramiala ny sisintany amin'ny faritra Kiordistana Irakiàna.

Nampiasa entona mandatsa-dranomaso ireo mpitandro filaminana nentina nanaparitahana ireo vahoaka tezitra teo amin'ny toerana nanoloana ilay hotely.

Herisetran'ny #fitondrana_Iraniàna #didy jadona amin'ny fanafoanana #ireo fihetsiketsehana #RarinyHoAn'iFarinaz #Iràna #Mahabad

Farinaz Khosrawani, 26 taona, niasa tao amin'ny hotely Tara, raha nianjera avy teny amin'ny rihana fahaefatra izy ka maty, tany am-piandohan'ity herinandro ity.

Nivoaka tany amin'ireo loharano samihafa sy tomponandraiki-panjakana ireo honohono manodidina ilay antony nahafaty azy, izay vao mainka nahatezitra bebe kokoa ireo mpanao hetsika. Ny resaka malaza eo amin'ireo mpanao hetsika izao dia hoe nitsambikina nivoaka ny varavarankely ilay vehivavy mba nitsoahana tamin'ny saika fanolanana azy.

Nalefa tamin'ny aterineto ireo lahatsarin'ilay hotely mirehitra:

RT “@murad_med21: Nodorana ny hotely Tara noho ny fitomboan'ny hatezerana amin'ny resaka fanolanana / Mahabad / Kurdistan Atsinanana#RarinyHoAn'iFarinaz

Araka ny Vohikalam-baovao Rudaw, miahiahy ireo mponina ao an-toerana fa lehiben'ny tafika Iraniàna ilay tena fototry ny fahafatesan'i Khosrawani, izay lazaina fa miara-miasa amin'ny tompon'ny hotely.

Lahatsoratra izay hafa ao amin'ny Rudaw milaza fa nisamborin’ ny manampahefana ny lehilahy iray mifandray amin'io loza io, izay namboraka fa niaraka taminy talohan'ny nitsambikinany teny amin'ny varavarankely.

Fa nampiseho hevitra hafa maro be mifanipaka manodidina ny fahafatesan'i Khosrawani ihany koa ilay lahatsoratra.

Nitanisa ny lefitry ny lehiben'ny mpitandro filaminana ao Iran, Saeed Montazer Almahdi, ny vohikala mpomba ny governemanta fa hoe niezaka ny nitsambikina tamin'ny lavarangana iray ho any amin'ny lavarangana iray hafa ilay vehivavy taorian'ny “nahafantarany fa fantatry ny fianakaviany sy ny mpitantana ny hotely ny momba ny asany,” saingy tsy nahatazona tsara ka nianjera.

Ny filazàny, izay manao an'i Khosrawani ho mpivarotena, dia afaka hita ao amin'ny Youtube miaraka amin'ny dikateny Arabo ery ambany. Milaza ihany koa ireo vaovaon'ny governemanta fa ireo tenifototra mikasika io raharaha io dia avy amin'ny faritra mpifaninana, Arabia Saodita, milaza fa anisan'ny fanoherana tohanan'ny Saodiana io korontana io.

LAHATSARY:Milaza amin'ireo mpijery azy ny TV Iraniàna fa mamporisika ireo Kiorda hitroatra hanohitra ny fitondrana ao Tehran ny Saodiàna

Fa ny Rudaw ihany koa dia nitanisa fanambaràna avy amin'ny BBC Persiana izay niresaka tamin'ny governora lefitry ny faritanin'i Azerbaijan Andrefana an'i Iràna, Alireza Radfar, milaza fa nanana fifandraisana ara-pitiavana i Khosrawani sy ilay ahiahiana. Milaza izy fa nitsambikina ho faty, taorian'ny nampahafantaran'ilay mpitantana ny hotely ny reniny momba ilay fiarahana.

Zavatra iray ny hoe Kiorda any Iran ary iray hafa mihitsy ny hoe vehivavy Kiorda. #RarinyHoAn'iFarinaz

Abullah Muhtadi, Sekretera Jereralin'ny antoko Kiorda Komala, namerina ny fiampangan'ireo mpanao hetsika, ary nilaza ny Rudaw fa mpitam-bola i Khosrawani tao amin'io hotely io ary tsy nahalala ilay lehilahy akory:

Nolazaina fa nisy endrika fifampitolomana teo amin'ireo roa, ary rovitra ny akanjony, ary nisy mangana teny amin'ny vatany

Raha tsy misy tatitra voamarina mikasika ny fahafatesan'i Khosrawani, izany tsy nahasakana ireo mpanao hetsi-panoherana tsy hidina an-dalambe hilazàny ireo tsy fanekeny sy hanehoany ny tsy fahatokisany an'ireo manampahefana.

Olona maro no nosamborina ary maherin'ny olona miisa 25 no naratra tamin'ilay fifandonana, iray kosa naratra mafy. Mibitsika #RarinyHoAn'iFarinaz ireo mpanao hetsi-panoherana tezitra:

Tsy hijanona hangiana izahay satria alaina baràka ireo vehivavy #Kiorda! Tsynatao hamidy izahay! #RarinyHoAn'iFarinaz #Mahabad #PJAK

Ohatra iray fotsiny i Farinaz amin'ireo olona an-tapitrisany izay miatrika fanavakavahana sy herisetra amin'ny fotoana rehetra ao Iràna #RarinyHoAn'iFarinaz

Nitsambikina avy teny amin'ny rihana fahaefatr'ilay tranobe izy mba hialàna tsy ho voaolan'ny #lehiben'ny tafika Iraniana! #RarinyHoAn'iFarinaz

Raha jerena ny raharaha Reyhaneh Jabbari, olon-tsotra Iraniana novonoina ho faty noho ny famonoany ilay saika nanolana azy, nanoratra izao i Maha:

Fahaginan'ny olona maneran-tany, mahamenatra, manoloana ny tsindry hazolena mahazo ireo vehivavy any iràna… Omaly i Rehana ary androany i farinaz ! #RarinyHoAn'iFarinaz”

Nampiseho firaisankina tamin'ireo vahoakan'i Mahabad ny hafa:

Ny Kantaon'i Kobane miray hina amin'ny hetsi-panoheran'i Mahabad: Kobane dia Mahabad, Mahabad dia Kobane! (ANHA) #RarinyHoAn'iFarinaz

Fihetsiketsehana any Hawler, firaisankina miaraka amin'i #Mahabad #RarinyHoAn'iFarinaz avy amin'i @aliabdelzadeh

Mpanao hetsi-panoherana manohana an'i Mahabad, mandoro ny sainam-pirenena Iraniana any Erbil #TsyIreryIMahabad #RarinyHoAn'iFarinaz #TwitterKurds

Mpianatra any #Silemani, Kiordistana Atsimo: tsy irery Rojhelat. Farinaz daholo izahay rehetra! (Rojnews) #RarinyHoAn'iFarinaz

Fihetsiketsehana any #Duhok Kurdistan Manohana an'i #Mahabad #TsyIreryMahabad #RarinyHoAn'iFarinaz #TwitterKiorda

Ito lahatsary ito, ny 9 May, dia mampiseho ireo mpitandro filaminana nihazakazaka nanenjika ireo mpanao fihetsiketsehana tao Mahabad:

Niparitaka haingana ny vaovaon'ny fahafatesan'i Khosrawani, nahatonga hetsika maro tany amin'ny faritra mifanolo-bodirindrina, toy ny tanànan'i Sardasht.

Omaly 9 May, nanao hetsika ho an'ny #RarinyHoAn'iFarinaz ireo vehivavy Kiorda any Sardshat sy Sanandaj, vehivavy roa no voasambotra

Nifamory mba hiantso ny hijerena ny nahafatesan'i Farinaz ihany koa ireo Kiorda any amin'ny faritra hafa maneran-tany, sahala an'i Berlin sy i Londona. Nanainga ireo vahoaka ny ben'ny tanànan'i Mahabad, Jaafar Katani, mba ho hijanona ho tony, ary hiandry ireo valin'ny fanadihadian'ny governemanta hanamarinana ireo antony ao ambadiky ny fahafatesan'ilay vehivavy. Nilaza ihany koa ny fianakavian'i Khosrawani fa hiandry ireo valiny avy any amin'ny manampahefana izy ireo.

Tena vao haingana, nisy diabe natao ho fanoherana an'ilay zava-misy tany Mahabad, natao ny Alahady hariva teo anoloan'ny parlemantan'i Kiordistana Irakiana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.