Global Voices Miara-miombon'Antoka Amin'ny Tranonkalam-Baovao Thailandey Prachatai

prachatai

“Prachatai dia manohitra ny fanonganam-panjakana. Mandrisika ny mpanongam-panjakana izahay hamerina avy hatrany ny fahefana amin'ny vahoaka Thailandey”. Sary avy ao amin'ny pejy Facebook-n'i Prachatai

Ny mpiara-miombon'antoka amin'ny Global Voices vaovao amin'ny famoahana vaovao mahaleotena dia ny Prachatai, gazety an-tserasera iray tsy mitady tombom-barotra avy ao Thailandy.

Ny Prachatai dia naorin'ny mpanao gazety zokiolona sy ny mpitarika ONG tamin'ny 2004 mba hanolotra tati-baovao mirazotra sy ny zava-mitranga ao Thailandy amin'izao fotoana izao. Tao anatin'ny folo taona farany, mifantoka amin'ny resaka zon'olombelona sy ny fisoloam-bava mampalaza ny fikambanana sy hetsiky ny fiarahamonim-pirenena ihany koa izy.

Prachatai, izay midika hoe ‘Vahoaka Afaka’ amin'ny Thailandey, dia nampiroborobo ny fahalalaham-pitenenana ao Thailandy. Tamin'ny 2011 ny taleny no nosamborina tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Bangkok noho ny famelany ivoahan'ny fanehoan-kevitra ‘manimbazimba’ ataon'ireo mpamaky tsy fantatra anarana ao amin'ny tranonkala.

Nihantsy ny fahefana ny Prachatai tamin'ny fijoroana manohitra ny lalàna miaramila, izay nambaran'ny tafika herintaona lasa izay. Nampihatra fameperana henjana tamin'ny fampitam-baovao ny mpanongam-panjakana, saingy mbolanotohizan'ny Prachatai ny andraikiny mampafantatra amin'izao tontolo izao ny toe-draharaha ao Thailandy sy ny ezaka isan-karazany ataon'ny olom-pirenena Thailandey hamerina ny demaokrasia ao amin'ny firenena.

Amin'ny alalan'ity fiaraha-miombon'antoka ity ny Global Voices no hifantoka amin'ny famoahana ireo vaovao sy fanehoan-kevitra tsy sahin'ny gazety be mpanaraka ao Thailandy ny mamoaka azy araka ny tokony ho izy noho ny fitsipika apetraky ny governemanta tohanan'ny miaramila amin'ny fampitam-baovao. Hotohizanay ny famoahana ny feon'ireo mpanohitra ny fanonganam-panjakana sy fijery hafa izay na gejaina, na ampanginina na aolan'ny mpanivana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.