‘Any an-Dakilasy no Misy Azy Ireo, fa Tsy any am-Ponja': Managadra Mpianatra Manao Fihetsiketsehana i Myanmar

Ei Thinzar Maung, student leader from Mandalay. Arrested last March 10. Portrait by Kenneth Wong, republished with permission.

Ei Thinzar Maung, mpitarika mpianatra avy any Mandalay. Nosamborina tamin'ny 10 marsa. Sarintava nataon'i Kenneth Wong, nahazoana alalana.

Mpianatra fitopolo no mbola voatazona ao Myanmar noho ny nandraisana anjara tamin'ny fihetsiketsehana manohitra ny volavolan-dalàna fanabeazam-pirenena, izay lazain'ny mpitsikera fa manome fahafena tafahoatra ny fitondrana foibe eo amin'ny fitantanana ireo sekoly ambony ao amin'ny firenena. Ny ankamaroan'ireo voatazona dia voasambotry ny polisy nandritra ny famoretana ny diabe natao tamin'ny 10 Marsa 2015.

Maro ireo fidinana an-dalambe nanerana ny firenena hatramin'ny herintaona rehefa nampiditra ny fepetra ny parlemanta. Noho ireo fihetsiketsehana ireo, niantso fifampidinihana tamin'ireo vondrona mpianatra ny mpanao lalàna. Nankatoavina ilay volavolan-dalana tamin'ny volana teo, saingy mbola nanohy ny hetsi-panoherana ilay drafitra vaovao ny mpanao fihetsiketsehana.

Niteraka fahatezeram-bahoaka ny fanaparitahana tamin-kerisetra ny fihaonan'ny mpianatra tamin'ny volana marsa teo ka nanery ny governemanta hilaza hanao famotorana momba ilay toe-draharaha. Notakian'ny vondrona mpandala ny zon'olombelona sy ireo mpianatra avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao ihany koa ny famotsorana ireo mpianatra mpanao fihetsiketsehana nosamborina.

Iray amin'ireo olona manohana ny fanentanana hamotsorana avy hatrany ireo mpianatr'i Myanmar ny artista iray monina ao San Francisco antsoina hoe Kenneth Wong. Amin'ny maha-mpikatroka mpianatra avy ao Myanmar izay nandray anjara tamin'ny fijoroana nanan-tantara tamin'ny 1988 azy, dia itarainany ny fampidirana am-ponja ireo mpianatra izay zara raha namoaka ny heviny tamin'ny lalàna izay mety hiantraika amin'ny sekoliny.

Ho fanehoam-piraisankina, dia nanoritsoritra sarintava nomerikan'ny dimy amin'ny mpianatra nofonjaina izy, ary niely fatratra tato amin'ny Internety izany. Tao amin'ny antsafa amin'ny alalan'ny imailaka nifanaovany tamin'ny Global Voices no nandrisihan'i Wong ireo mpitarika manerantany hampakatra ny feony amin'ity raharaha ity ary hitaky ny fandraisana andraikitra avy amin'ny governemantan'i Myanmar. Nampiany:

25 years later, I'm sad to see these young students — the future of the country — paying a heavy price for demanding reform. I don't want them to have to spend the best years of their lives in prison. I think they belong in the classroom, not in prison. That's why I painted their portraits.

25 taona taty aoriana, malahelo aho mahita ireo tanora mpianatra – ny hoavin'ny firenena – mizaka ny sanda mavesatry ny fitakiana fanitsian-drafitra. Tsy tiako ny handanian'izy ireo ny taona tsara indrindra amin'ny fiainany any am-ponja. Mieritreritra aho fa any an-dakilasy no misy azy ireo fa tsy any am-ponja. Izany no antony handokoako ny sarintavan'izy ireo.

Po Po, 20-year old student leader arrested last April 8. Portrait by Kenneth Wong, republished with permission.

Po Po, 20 taona mpitarika mpianatra nosamborina tamin'ny 8 Avrily. Sarintava nataon'i Kenneth Wong, nahazoana alalana ny famoahana azy indray.

Min Thway Thit, student leader from All Burma Federation of Student Unions. Portrait by Kenneth Wong, republished with permission.

Min Thway Thit, mpitarika mpianatra avy ao amin'ny Sendikàn'ny Federasionan'ny Mpianatra Burma iray manontolo. Sarintavan'i Kenneth Wong, nahazoana alalana.

Phyo Phyo Aung, 27-year old student leader arrested last March 10. Portrait by Kenneth Wong, republished with permission.

Phyo Phyo Aung, 27 taona mpitarika mpianatra nosamborina tamin'ny 10 Marsa. Sarintava nataon'i Kenneth Wong, nahazoana alalana.

Honey Oo, 27-year old student leader arrested last March 13. Portrait by Kenneth Wong, republished with permission.

Honey Oo, 27 taona nosamborina tamin'ny 13 marsa farany teo. Sarintava nataon'iKenneth Wong, nahazoana alalana.

Fandokoana nomerika nataon'i Kenneth Wong ao amin'ny Manga Studio tamin'ny tablety Surface Pro. Nahazoana alalana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.