Ireo Yemenita Sy Ny Zavakanto Anaty Fotoanan'ny Ady

Apetrak'ireo Yemenita ho antso hamaranana ny ady ao amin'ny fireneny, izay mahantra indrindra any Afovoany Atsinanana, ny zavakantony sy ny fahaizany mamorona.

Nandritra ireo taompolo telo farany, nijaly niaritra tsy fandrosoana araka ny tokony ho izy sy olana ara-toekarena i  Yemen. Tato anatin'ny efatra taona taorian'ilay Revolisionan'ny 2011, izay nanonganana ny filoha Ali Abdullah Saleh, vao mainka niha-henjana kokoa ilay toe-draharaha tsy azo antoka momba ny maha-olona. Hatramin'ny 26 Martsa nanombohan'ny daroka baomba ataon'ireo mpiara-dia tarihan'ny Saodiana, sy ny milisin'ilay filoha voaongana -Saleh- mifanome tànana amin'ireo Houthis mandroso sy mandaroka baomba ireo faritany any atsimo, tonga amin'ny tena zava-doza ny raharaha. An'arivony ireo Yemenita tafahitsoka any ivelany, tsy afaka miverina an-tanindrazana.   300.000 hafa no nafindra toerana ao anatin'i Yemen ihany, miaraka amin'ny fanampiana kely na tsy misy akory. Ny fahirano an-terisetra natao amin'ny habakabaka, ny tany sy ny ranomasina Yemenita dia nahatonga ireo Yemenita ho tafahitsoka any ampitan-dranomasina any.  Miaraka amin'ny fitakiana fahazoan-dàlana vaovao apetrak'ireo firenena amin'izy ireny izay nandray azy tsara tany aloha, ary ny tsy fisian'ny loharanom-bola ho tohana ho azy ireo. Anivon'ny fanafihana an'habakabaka, daroka baomba ataon'ny fiara mifono vy, miatrika ady mafy amin'ny fiainana ireo Yemenita, arahan'ny tsy fahampian-tsakafo, solika ary rano sy herinaratra tapaka lava.

Cedric Schweizer, iray lehiben'ny ICRC (International Committee of the Red Cross) ao Yemen nilaza tao anaty fanambaràna iombonana amin'ny MSF (Médecins Sans Frontières) hoe:

Ny famerana henjana momba ny fanafàrana entana nandritry ny enina herinandro lasa napetrak'ireo mpiara-dia, ampian'ireo tsy fahampiana lalina amin'ny solika, dia nanamafy ny fijaliana isanandro mila tsy ho zaka iainan'ireo Yemenita.

Kanefa ny tena atahoran'ireo Yemenita fatratra ankoatry ny fahafatesana sy ny faharavàna ateraky ny ady dia ny faharavan'ny fifamatorana ara-piarahamonina izay miha-rovitra sy ahatsapàna fihetsehampo feno fankahalàna niforona eo amin'ireo faritra samihafa samy miatrika io adim-piainana henjana be io ao Yemen. Na eo aza ny hadisoam-panantenana sy ny fahasarotana rehetra, ampiasain'ireo Yemenita mpanakanto ny fahaizan'izy ireo mamorona mba handefasana hafatra ho fampivondronana, fampiraisana hina, ary ho fampitsaharana ny ady sy ny tsy rariny atrehan'ny rehetra.

https://www.facebook.com/photo.php?fbid=10153594935751509&set=a.10151232797531509.488025.667161508&type=1&theater

Sary an-drindrina ao Sana'a ahitàna ny sarin'ny sainam-pirenen'i Yemen – vakim-pitaratra vaky avy amin'ny fanafihanaan'habakabaka notarihan'ny Saodiana no akora nampiasaina.

Bushra Al Fusail, mpakasary sady mpikatroka miaro ny zon'ny vehivavy, miaraka amin'ilay namany Nina Aqlan, mpandraharaha ara-tsosialy, dia nanao sary an-drindrina tamin'ireo vakim-pitaratra avy amin'ny fanafihana an'habakabaka notarihan'ny Saodiana hamelezana ny toerana fanatobiana fitovam-piadiana tao Faj Attan, izay nampihovitrovitra an'i Sana'a renivohitra ary nanimba toeram-ponenana sy toeram-pivarotana marobe. Kendren'ireo mpanakanto ny hampiasàna ireo poti-javatra avy amin'ny fipoahana mba hamoronana endrika iray hanehoana ny firaisam-pirenena, amin'ny alàlan'ny fanambatambarana ireny vakin-javatra ireny aminà rindrina iray mba ho lasa sarin'ny sainam-pirenena Yemenita. Afaka hita ao amin'ny araben'i Hadda ilay saina, arabe iray isan'ny be mpivezivezy indrindra ao afovoan'i Sanaa

Nampàkatra ny lahatsariny farany i Ahmed Alshaiba, Yemenita mpiangaly mozika ary monina any New York, ho toy ny fanomezana voninahitra an'i Yemen sady ho hafatra ho an'ireo Yemenita rehetra, nomeny lohateny hoe “Ny diako tany Yemen”. Entin'i Albasha ao anatinà fitsidihana an-kira mamelovelo isika, ilalaovany ireo gadona amin'ny alàlan'ny Oud majikany avy amin'ireo faritra samhafa ao Yemen, ho ohatra hanehoana ny fihetsehampo mahatsapa fitambarana mandritra ireny fotoana sarotra atrehan'ny firenena iray manontolo ireny.

Ny SupportYemen koa, media ifarimbonan'ireo Yemenita, dia nandefa ny lahatsarin-dry zareo nomeny lohateny hoe “Ny Lokon'ny Tsy Rariny”, lohateny notsoahana avy amin'ilay tononkalon'ilay poeta Yemenita efa nodimandry, Luti Jaafar Aman. Tao anaty fotoan-tsarotry ny ady natrehan'i Yemen tokoa no namokarana ilay lahatsary, ary tao anatin'ireo fahatapahana herinaratra naharitra ela. Amin'ny alàlan'ny tononkalo feno hery, sary matanjaka, ary sarin'ny ady ao Yemen, asongadin'ny lahatsarin'ny SupportYemen ny fijalian'olombelona iaretan'ireo Yemenita rehetra. Hoy ry zareo tao anaty fanambaràna an-gazety momba ilay lahatsary:

Very fanantenana ireo Yemenita amin'ny mety hisian'ny ady an-trano sy ny fitsaram-bahoaka noho izy ireo tandindonin'ny lokon'ny tsy rariny izay miha-matroka isanandro vaky.

Amin'ny alalan'ny lahatsoratra iray ao anaty bilaogy nosoratan'i Abdulrahman Hussein, iray amin'ireo nanorina ny SupportYemen sady talen'ilay famokarana rahateo, dia azonao atao ny mamaky bebe kokoa momba ny namokarana ilay lahatsary. Tondroin'i Abdulrahman ao ireo zava-tsarotra nosedraina :

Na teo aza ny tsy fisian'ny fitaterana sy ny daroka baomba tsy nitsahatra isanandro, tonga hatrany nanohy sy nanampy tamin'ny famitàna ilay lahatsary ireo tanora lahy sy vavy tao Yemen.

Na dia vao izao aza no nalefa, efa be mpijery sy zaraina be ao amin'ny media sôsialy ilay lahatsary :

Lahatsary feno hery avy amin'ny @SupportYemen momba ny hasarotam-piainana ankehitriny atrehan'ireo vahoaka ao #Yemen Entanina hamaky izay voasoratra ao anatin'ny famaritana ilay lahatsary

Asehon'ireo lahatsarin'ny @SupportYemen ny fahaizan'ireo poetan'ny lasantsika mampiseho tsara ny tena ankehitrinintsika

#Faharetana sy #Fanantenana, izany no porofoin'ny lahatsarin'ny @SupportYemen amin'ireo #Yemenita: “Ny Lokon'ny Tsy Rariny”

Indray mandeha indray, mampiasa ny talentany ireo tanora ao Yemen mba hanehoana amin'izao tontolo izao ny faharetany mitaky ny rariny, ny firaisankina ary ny fandriampahalemana ao Yemen…sy ny sisa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.