Sambany Teo Amin'ny Tantara, Namoaka Didy Amin'ny Fiteny Quecha Sy Aymara Ireo Mpitsara Ao Però

CatedralPuno

Katedralin'i Puno. Sary an'i Diego Giannoni mpampiasa Flickr (CC BY 2.0).

Marolafy ny kolontsaina ao Pero, ary saro-bahàna ny resaka fiteny ao aminy. Avoitran'ny vinavina fa eo amin'ny 43 hatramin'ny 60 eo ny fiteny zanatany ampiasaina manerana ny firenena. Ny Quechua no faharoa be mpiteny indrindra aorian'ny Espaniola, ary ny Aymara no fahatelo.

Tamin'ny 1975, nambara ho tenim-panjakana ofisialy ny fiteny Quechua. Araka ny vinavina, misy vahoaka telo tapitrisa mitey azy io izay manao azy io ho toy ny tenin-dreny ao Però, ary manodidina ny antsasaka tapitrisa no mpiteny ny Aymara (saika ny 455.000 amin'ireo olona ireo avy any Puno). Apetraky ny Artikla 48 amin'ny Lalàm-panorenana Politika ao Però hoe :

Artículo 48: Son idiomas oficiales el castellano y, en las zonas donde predominen, también lo son el quechua, el aimara y las demás lenguas aborígenes, según la ley.

Ny Espaniola ary, any amin'ireo faritra anjakany, ny Quechua, Aymara, ary ireo teny zanatany hafa no teny ofisialy, araka ny lalàna.

Na teo aza io, tsy mbola nisy velively tany aloha tany fanoahana didim-pitsarana natao tamin'ny fiteny Quechua na Aymara raha tsy tamin'ity taona ity.

Ny 13 Martsa lasa teo, ny Fitsarana Mtambatra ao Ilave, faritanin'ny El Collao, any amin'ny faritr'i Puno, no namaky ny didy voalohany indrindra navoaka tamin'ny fiteny Aymara. Misy ampahany amin'ilay didy azo vakiana ao amin'ny tranonkalam-baovaon'ny SERVINDI :

La primera sentencia en aymara, idioma originario, marca un precedente de interculturalidad del Poder Judicial y de cómo el juez debe acercarse a los involucrados en un juicio, destacó el juez mixto de Ilave de la provincia de El Collao, Julio César Chucuya, quien fue autor de este hecho.
[…]
Asimismo, el juez Chucuya […] indicó que desde el Consejo Nacional de la Magistratura (CNM) se estableció que para zonas de habla quechua o aymara, se cuente con jueces que dominen estos idiomas, para facilitar el acceso.

Manamarika fiandohana iray eo amin'ny kolontsaina marolafin'ny rafi-pitsarana sy ny fomba tsy maintsy hiatrehan'ny mpitsara ny isam-batan'olona manana raharaham-pitsaràna ilay didy voalohany navoaka tamin'ny fiteny Ayamara, hoy ny fanamarihan'i  Julio César Chucuya, mpitsara ao amin'ny fitsarana mitambatra ao amin'ny faritanin'i El Collao, izy no namoaka ilay didy.
[…]
Mandritra izany fotoana izany, nomarihan'ny mpitsara Chucuya […] fa avy ao amin'ny Filankevi-pirenen'ny Fitsarana (CNM) dia efa voafaritra fa hoa an'ireo faritra izay itenenana ny Quechua na Aymara, dia tokony hisy mpitsara mahay tsy miambakavaka ireny fiteny ireny, mba hanamoràna ny fidirana amin'ny fitsaràna.

Niresaka ilay raharaha ihany koa ny tranonkala momba ny resaka lalàna, Parthenon.pe :

En términos jurídicos, la sentencia emitida en Aymara cumple con un derecho formal y material que sigue un principio fundamental: toda persona debe ser escuchada y juzgada en su propio idioma. Si bien este principio se encuentra garantizado en nuestro país en una norma constitucional, poco se ha hecho por su implementación.

Amin'ny fomba filazan'ny lalàna azy, ny didy nosoratana tamin'ny fiteny Aymara dia mifanaraka amin'ny zo  sy fitaovana ara-dalàna izay manaraka fotokevitra fototra iray : tsy maintsy henoina ny olona tsirairay ary tsaraina amin'ny fiteniny. Na dia voadidy ao anaty lalàm-panorenana aza io fotokevitra io ho an'ny firenentsika, tsy dia nisy zavatra betsaka natao ho fampiharana azy.

Tapa-bolana teo ho eo,ny 30 Martsa, navoakan'ny mpitsara, Santos Poma Machaca,ny didim-pitsaràna sambany voasoratra tamin'ny fiteny Quechua,tao amin'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Fanomanana Fanadihadiana,ao amin'ny faritanin'i Azángaro, ao Puno ihany koa. Nanazava ny tranonkalam-baovao LaMula.pe :

El abogado del imputado, Román Ramos Revilla de la Defensa Pública, ejerció la defensa en el idioma quechua, así como también el juez Santos Poma Machaca procedió a explicarle al imputado los beneficios de la “Terminación Anticipada” en el mismo idioma.
“Nokga kaskani” respondió Chambi Chaucha, que significa “conforme señor juez”, ante la propuesta que le realizó el Ministerio Público.
“Desde el año 2007, cuando fuimos Juez de Paz Letrado, venimos desarrollando audiencias en el idioma quechua porque los justiciables que tienen como idioma original el quechua nos entienden mejor y se sienten mejor atendidos, pero la redacción solo era en castellano. Recién en esta audiencia hemos emitido el documento de la sentencia en quechua”, refirió el juez Santos Poma Machaca.

Ny mpisolovava ny voampanga, mpisolovavam-panjakana Román Ramos Revilla, dia nandroso ny fiarovany tamin'ny fiteny Quechua, ary ny mpitsara Santos Poma Machaca nanohy tamin'ny fanazavàna ho an'ny voampanga ny tombontsoa azo amin'ny “Faminitinana Efa Nomanina” natao tamin'io fiteny io ihany.
“Nokga kaskani,” namaly an'i [voampanga] Chambi Chaucha, tamin'ny hoe “Ekeko, Tompokolahy”, tamin'ny sosokevitra nataon'ny solontenan'ny Biraon'ny Fampanoavana.
“Hatramin'ny 2007, fony aho mbolaMpitsara momba ny Fandriampahalemana, nampanao fakànaam-bavany tamin'ny fiteny Quechua izahay satria ireoolona miteny azy io ho toy ny tenin-dreniny dia mahatakatra tsaraizay lazainay ary mahatsapa fa tsy notsinontsinoavina izy ireo, saingy nosoratan tamin'ny fiteny Espaniola kosa ny antontan-taratasy. Tamin'ity fitsaràna ity dia navoakanay tamin'ny fiteny Quechua ny antontan-taratasy misy ny didy,” hoy i Santos Poma Machaca.

Ny tranonkala momba ny lalàna, LaLey, dia nandefa manontolo an'ilay didim-pitsaràna ary niantso azy ity ho “tsy mbola nisy toa azy”:

En una resolución sin precedentes, se dictó – íntegramente en idioma quechua –tres años de pena suspendida al agresor de una mujer. Sucedió en la región Puno, en la sede del Primer Juzgado de Investigación Preparatoria de la provincia de Azángaro, donde las partes y sus abogados condujeron el juicio en la lengua indígena.

Tao anaty fanapahana tsy mbola nisy toa azy, mpanao herisetra iray nidaroka vehivavy no voaheloka telo taona sazy mihantona – voasoratra manontolo tamin'ny fiteny Quechua. Tany amin'ny faritr'i Puno izanyu no nitranga, tao amin'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Fanomanana Fanadihadiana, ao amin'ny faritanin'i Azángaro, izay nampiasàn'ireo mpifanolana sy ny mpisolovava azy ireo ny fiteny zanatany nandritra ny fotoam-pitsaràna.

Samy niteraka fifanakalozan-dresaka tao amin'ny Twitter daholo ireo didim-pitsaràna roa ireo:

Mamoaka didim-pitsaràna amin'ny fiteny zanatany i Però: didim-pitsaràna voalohany nosoratanatamin'ny fiteny  Aymara (fiteny ofisialy efa ho 40 taona).

Fahatontosana goavana izao namoahana didy amin'ny fiteny Aymara izao, amin'ny fanomezana aina ny rariny ofisialy ao anaty firenena iray manana kolontsaina marolafy.

Avyamin'ny Rafi-pitsarana no ipoiran'ny tena fiaraha-mientana sosialy,mikasika ilay didy voalohany tamin'ny fiteny Aymara.

Didim-pitsaràan iray tamin'ny fiteny Quechua? Fantaro bebe kokoa ny momba io tranga io izay nitranga tao Puno.

Namoaka didy tamin'ny fiteny Quechua ny mpitsara ady heloka bevava tao Azángaro. Gaga ny mpilaza vaovao

“Nokga kaskani”, fehezanteny nampiasaina amin'ny didim-pitsarana natao tamin'ny fiteny Quechua navoaka tao amin'ny faritanin'i Azángaro: Puno, 06 Apr.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.