Manao Famoretana An-kerisetra Amin'ireo Mpampianatra Manao Fihetsiketsehana Ao Brezila Ny Polisy

RUA-curitiba4

Notsenaina tamin'ny bala fingotra ireo mpampianatra raha nanao fihetsiketsehana teo anoloan'ny Lapan'ny Kongresy ao Paraná. Sary: Melvin Quaresma/R.U.A. Foto Coletivo. Nahazoan-dalana.

Nanjary faritra nanjakan'ny ady ny afovoan-tanànan'i Curitiba, renivohitry ny fanjakana Breziliana Atsimo ao Paraná tamin'ny Alarobia satria nanafoana an-kerisetra ny fihetsiketsehana nataon'ireo mpampianatra amin'ny sekolim-panjakana ny polisy.

Nitifitra ireo mpanao fihetsiketsehana, miisa 20.000 teo tamin'ny grenady, baomba mandatsa-dranomaso sy bala fingotra ny polisy, araka ny filazan'ny mpikarakara. Notontosaina teo anoloan'ny Lapan'ny Kongresim-panjakana ny fihetsiketsehana, tamin'ny fotoana nandinihan'ireo solombavambahoaka ny lalàna manavao ny tombontsoan'ny fisotroan-dronono hoan'ireo mpiasam-panjakana ao Paraná.

Nampihatra ny didin'ny mpitsara handràra ny fihetsiketsehana ao amin'ny lapa ny famoretan'ny polisy, taorian'ny fihetsiketsehana kely kokoa tao amin'ny faritra nandritra ny herinandro lasa

Nitatitra ny gazety ao an-toerana Gazeta do Povo fa mpanao fihetsiketsehana 213 sy polisy 20 no naratra. Araka ny tatitry ny lapan'ny tanàna Curitiba, olona fito no nosamborin'ny polisy. Na dia izany aza, misy ny tsy fifanarahana momba ny isan'ireo naratra. Nilaza ny governemantam-panjakana Paranà, izay fehezin'ireo mpifanandrina ao an-tanànan'ny governemanta Curitiba fa mpanao fihetsiketsehana 160 ihany no naratra.

Photo: R.U.A. Foto Coletivo/Published with permission

Sary: Walter Thoms/R.U.A. Foto Coletivo. Nahazoan-dalana.

Nirongatra tao amin'ny haino aman-jery sosialy ny sary, lahatsary sy fijoroana vavolombelona avy amin'ny fihetsiketsehana.

Nilaza ny komandin'ny polisy fa polisy 17 no nosamborina noho ny fandàvan'izy ireo hihodidina ireo mpampianatra tao #Curitiba

Carolina Werneck, mponina tao an-tanànan'i Londrina, nandefa tantara mahavaky fo tao amin'ny Facebook mikasika ny fomba nahitany ny sarin'ny rainy (iray amin'ireo mpampianatra nanao fihetsiketsehana) tao amin'ny habaky ny gazety iray ao an-toerana. Hita fa naratra izy ao amin'ilay sary ary manome fitsaboana vonjimaika ho azy ireo mpamono afo.

Niditra aterineto ny tovovavy iray ary nahita ny sarin'ny rainy naratra tamin'ny fihetsiketsehana. Sary: Carolina Weneck/Facebook.

Nesta quarta-feira, enquanto acompanhava pela internet a votação do projeto que altera a ParanaPrevidência, liguei preocupada para o meu pai, que está em Curitiba, lutando, mais uma vez, pelos direitos que deveriam ser a ele assegurados por lei. Quando me atendeu, ele estava dentro de uma ambulância, porque foi ferido na perna por uma bala de borracha. Minutos depois, vi essa imagem no site da Gazeta do Povo. Esse professor deitado no asfalto, sendo atendido pelo Corpo de Bombeiros, é o meu pai.

Tamin'io Alarobia io, raha niditra aterineto mba hijery mikasika ny latsa-bato momba ny lalàna manova ny volan'ny fisotroan-dronono hoan'ny mpiasam-panjakana Paraná aho, niantso ny raiko izay tao Curitiba, miady indray hoan'ny zo tokony iantohan'ny lalàna aho. Rehefa nalaina izy, nampidirina tao anaty fiara mpitondra marary satria voatifitry ny bala fingotra teo amin'ny ranjony. Minitra vitsy taty aoriana, hitako tao amin'ny habaky ny Gazeta do Povo ity sary ity. Ity mpampianatra mitsilany eo an-dalana izay karakarain'ireo mpamono afo ity dia tsy iza fa ny raiko.

Nanararaotra niresaka momba ny fihetsiketsehan'ny elatra havanana vao haingana manerana ny araben'ny tanàna maro ao Brezila ihany koa ireo mpiserasera aterineto izay nakan'ireo mpanao fihetsiketsehana sary (selfie) niaraka tamin'ny polisy.

Selfie for some, rubber bullets to others.

Selfie hoan'ny sasany, bala fingotra hoan'ny hafa. Sary: Vitor Teixeira/Facebook

Brezila ity firenena mahafinaritra ity izay afaka manao fihetsiketsehana hoan'ny fampianarana avokoa ny rehetra ankoatra ny mpampianatra.

10494918_858995370838595_3812998335776794424_o

Mpampianatra naratra nandao ny fihetsiketsehana ary niditra tao anaty  fiarakaretsaka. Sary: Rádio Banda B/Facebook

Na dia teo aza ny fihetsiketsehana sy ny famoretana taorian'izany, mbola nankatoavin'ny mpanao lalàna ihany ny lalàna hitehirizana tahirim-bolam-panjakana tombanana ho R$ 1,7 miliara (563 tapitrisa dolara) isan-taona. Nilaza ny sendikan'ny mpampianatra fa mampidi-doza ny tombotsoan'ny fisotroan-drononon'ny mpiasam-panjakana ny lalàna.

Nandritra ny valan-dresaka hoan'ny mpanao gazety, niaro ny fandaminan'ny polisy ny fihetsiketsehana ny governoran'i Paraná, Beto Richa, ary nanome tsiny ny  “vondrona mainty nosivaninasy ireo “mpihetraketraka” ho nandrangitra ireo manampahefana.

Nitatitra ny haino aman-jery ao an-toerana fa polisy manampahefana 17 no nosamborina rehefa tsy nety nankatò ny baiko hanafika ireo mpanao fihetsiketsehana ary mety ho voaroaka amin'ny asany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.