“Diaben'ny Vahoaka” Alohan'ny Zaikaben'ny Mpitondra Rezionaly Ataon'ireo Mpikatroka ao Azia Atsimo Atsinanana

People's Walk. Photo from Facebook page of ASEAN Peoples' Forum

Diaben'ny Vahoaka. Sary tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Forum ASEAN Peoples

Nivory tao Malezia ireo mpikatroka Azia Atsimo Atsinanana sy mpikambana avy amin'ny fikambanana fiarahamonim-pirenena isan-karazany andro vitsivitsy talohan'ny nanombohan'ny Zaikabe faha-26n'ny Fikambanan'ny Firenena Azia Atsimo-Atsinanana (ASEAN). Nifanaraka hanatontosa “Diaben'ny Vahoaka” ny fivoriana ka mpandray anjara maherin'ny 1.400 no nanao diabe tao Kuala Lumpur, renivohitr'i Malezia, mba hitaky ny handraisana fepetra sy vahaolana avy hatrany manoloana ireo olana maro mahakasika ny mponina ao amin'ny faritra.

Eo am-panomanana drafitr'asa mahabe fanantenana hampidiray ny toekaren'ny Asia Atsimo Atsinanana ny ASEAN. Aingam-panahy avy amin'ny maodelin'ny Vondrona Eoropeana, mieritreritra hanangana vondrom-piarahamonina tafaray ho lasa vondrona ara-toekarena matanjaka manerantany ihany koa ny ASEAN. Ankoatra ny fitarihana ny sekretarian'ny ASEAN, dia i Malezia no hampiantrano ny zaikabe amin'ity taona ity.

Raha tanjona mendri-piderana ny fampiroboroboana ny firaisankina, nandrisika ireo mpitondrany ireo mpikatroka Azia Atsimo Atsinanana mba hijery akaiky ny fampidirana ao amin'ny ASEAN ireo vondrona sy sehatra atao jorom-bàla. Nandrisika ny ASEAN ihany koa izy ireo mba handinika ny hevitry ny olon-tsotra momba ny fisantaran'andraikitra manerantany izay hisy fiantraikany amin'ny faritra tahaka ny Trans -Pacific Partnership (TPP).

Amin'ny alalan'ny Fifanakalozan-kevitry ny vahoakan'i ASEAN,  izay nampiray ny fikambanana firaisamonim-pirenena manerana ny faritra, nanambara ny heviny mikasika ireo olana tahaka ny fizotry ny resaka filaminana ao Mindanao (atsimon'i Filipina), Rohingya (olona tsy manan-tanindrazana ao Azia Atsimo Atsinanana), ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona sy ny fitomboan'ny hatsana ara-toekarena ireo mpandray anjara.

Some of the delegates of the ASEAN Peoples' Forum

Sasany amin'ireo solontenan'ny Fihaonan'ny vahoakan'i ASEAN

Nanery hanaovana ny ASEAN Tsy misy Fitondrana Miaramila sy ASEAN tsy misy gadra politika ny iray amin'ireo atrikasa mba ahafahan'ny feo sy ny safidin'ny vahoaka manaisotra ireo karazana didy jadona sy manamafy ny firaisankina ho any amin'ny demokrasia sy ny rariny ara-tsosialy manerana ny Faritra.” Milaza sopirana ny toe-draharaha ao Thailandy amin'izao fotoana izao izay iampangana ny governemanta tohanan'ny miaramila ho mametraka didy jadona izany.

A banner displaying an image of Thailand Prime Minister Prayut Chan-o-cha, the army general who led a coup in 2014.  Activists are calling for the restoration of democracy in the country. Photo from the Facebook of Julius Choo Chon Kai

Sora-baventy mampiseho ny sarin'ny praiminisitra Thailandey, Prayut Chan-o-cha, miaramila jeneraly nitarika ny fanonganam-panjakana tamin'ny 2014. Mitaky ny famerenana ny demaokrasia ao amin'ny firenena ireo mpikatroka. Sary tao amin'ny pejy Facebookn'i Julius Choo Chon Kai

Olana iray hafa voaresaka nandritra ny Fifanakalozan-kevitra (forum) ny fitakiana fiarovana bebe kokoa ny fahalalaham-pitenenana. Nanasongadina ny fitomboan'ny isan'ireo lalàna ao amin'ny faritra izay mametra ny fahalalahan'ny haino aman-jery ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona:

Governments across the region are imposing sweeping restrictions on the right to freedom of expression through repressive legislation as well as state-sanctioned attacks and intimidation. Draconian laws, often enforced under the guise of protecting national security, target peaceful dissenters both online and offline. Human rights defenders who are working on the frontline to promote human rights as well as to expose human rights abuses by state and non-state actors continue to face attacks, threats and imprisonment for their work.

Mametraka famerana izaitratra amin'ny zo haneho hevitra malalaka amin'ny alalan'ny lalàna manafay sy famelezana sy fandrahonana fanjakana ireo governemanta manerana ny faritra. Lalàna henjana matetika ampiharina ambadiky ny fiarovam-pirenena, ary mikendry ireo mpanohitra milamina anaty aterineto sy ivelan'ny aterineto. Mbola miatrika famelezana, fandrahonana sy fampidirana am-ponja noho ny asany ireo mpiaro ny zon'olombelona miasa mafy mba hampiroborobo ny zon'olombelona sy milaza ireo fanitsakitsahana ny zon'olombelona ataon'ny fanjakana sy ireo mpiantsehatra tsy miankina

Ao anatin'ny hetsika ny #FOEAsean

An activist holding a placard in support of Somyot Prueksakasemsuk, a Thai journalist who was charged with Lese Majeste (anti-Royal Insult law). His case is an example of the free speech restriction in Thailand. Photo from ASEAN Peoples' Forum

Mpikatroka milanja sora-baventy manohana an'i Somyot Prueksakasemsuk, mpanoratra gazety Thailandey voampanga amin'ny Lese Majeste (lalàna manevateva ny mpanjaka). Ohatra iray amin'ny famerana ny fahalalaham-pitenenana ao Thailandy ny raharaha momba azy. Sary avy amin'ny Forum ASEAN Peoples

Nampiasaina nandritra ny fifanakalozan-kevitra sy ny Diaben'ny Vahoaka ny diezy Twitter #AseanPeople. Ireto ambany ireto ny sasany tamin'ireo sary nandritra ny hetsika :

#stoptpp ao amin'ny hetsika #asean

Nodinihana nandritra ny valan-dresaka ihany koa ny raharahan’ilay mpikatroka nanjavona Sombath Somphone. Nisy ny atrikasa izay nitanisa ireo raharaha momba ireo mpikatroka hafa nanjavona ao amin'ny faritra.

Photo from the Facebook page of ASEAN Peoples' Forum

Sary avy amin'ny pejy Facebookn'ny Forum ASEAN Peoples

Manome feo hoan'ireo tsy afaka maneho hevitra: olona nanjavona

Nasongadina nandritra ny Diaben'ny Vahoaka ihany koa ny manjo an'ilay mpianatra Myanmar nogadraina. Nosamborina tao Myanmar noho ny fitarihana famoriam-bahoaka nokarakaraina hitakiana fanovàna ny fanabeazana io mpianatra io.

Photo from the Facebook page of ASEAN Peoples' Forum

Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'ny Forum ASEAN Peoples

Niampanga ny sazy fanamelohana ho faty hoan'ilay Filipina mpiasa an-trano Mary Jane Veloso ao Indonezia ihany koa ireo mpandray anjara sasany. Nanamafy ny fanamelohana an'i Veloso ny Fitsarana Ambony ao Indonezia, izay nilaza tany am-boalohany fa meloka tamin'ny fanondranana zava-mahadomelina. Saingy nilaza ireo mpikatroka fa tsy nomena solontena ara-dalàna araka ny tokony izy ary lasibatry ny fanondranana olona.

Tabilaon'ny hetsika Vonjeo i Mary Jane Veloso, nandritra ny forum @aseanpeople tontosaina ankehitriny ao Kuala Lumpur

Tonga nanatevin-daharana ny Diaben'ny Vahoaka ihany koa ireo mpikatroka manohana ny fitakian'ireo mpiasa mpifindra monina, indrindra fa ny fanatsarana ny mahasoa ireo mpiasa Kambojiana.

Photo from the Facebook page of Julius Choo Chon Kai.

Sary tao amin'ny pejy Facebookn'i Julius Choo Chon Kai.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.