Maka Hetsika Maroloko Ilay Taombaovaon'i Bengali Manohitra Ny Fironana Mahery Fihetsika Ara-pinoana Ao Bengladesh

People celebrating Pahela Baishakh at Mangal Shobhajatra (Rally), a procession organised by Dhaka University’s Faculty of Fine Arts to welcome the Bengali new year. Image by  Sourav Lasker. Copyright Demotix (14/4/2015)

Olona nankalaza ny andron'ny Pahela Baishakh tao Mangal shobhajatra (Famoriam-bahoaka), hetsika nokarakarain'ny Departemantan'ny Zavakanto ao amin'ny Oniversiten'i Dhaka handraisana ny Taombaovaon'ny Bengali. Sary avy amin'i Sourav Lasker. Fizakàmanana Demotix (14/4/2015)

Mafy tamin'ny Bangladesh ireo volana vitsy lasa teo noho ny savorovoro politika sy ny herisetra tsy nitsahatra sy namoizana ain'olona maherin'ny 120. Ilay famonoana tsy ela akory ireo bilaogera roa mafana fo, mpisaina malalaka, sy ny fiakaran'ny elatra vaovaon'ny mpanohitra izay mikasa ny hamono ireo tsy mpino, no isan'ny tena nampanahy be ny maro.

Isaky ny tojo olana ny firenena, miverina any amin'ny fàkany hatrany ireo mponina ao Bangladesh, mitady fiononana ao anatin'ny zavakanto sy ny kolontsaina mba hitambarana hanohitra izay fanamby rehetra atrehany.

Ny Talata 04 aprily 2015, nanao izany indrindra ny mponina tao Bengladesh, nandray ny taombaovao 1422-n'ny Bengali niaraka tamin'ny fahavononana hanohy ny tolona hanoherana ny famehezana ho anaty kitapo tokana  sy ny fanarahana an-jambany ara-pinoana.

Ireo Bengalis, izay ahitàna ny foko be indrindra (98%)ao Bengladesh, dia mankalaza ny taombaovao  (Pohela Baishakh) amin'ny fiaraha-mizotra ao anaty loko isan-karazany sy fety marobe. Tamin'ity taona ity, nanana lohahevitra manokana ny fankalazàna :  “Onek Alo Jaalte Hobe Moner Ondhokare” (mandrehitra hazavana maro anatin'ny haizin'ny fo). Nosafidiana manokana io ho fahatsiarovana ilay bilaogera sady mpanoratra, Avijit Roy, ary ilay mafana fo anaty aterineto, Oyasiqur Rahman, nisy namono tsy ela akory izay.  Hitataoanatin'ny fiaraha-mizotra ny tsangambato iray eo amin'ny 20 metatra eo ho eo maneho ny fisongan'ny hery kaominaly, izay mampahatsiahy ny rehetra fa tokony ho ariana ny fifandirana toy izany.

People carried colourful costumes in the Mangal Shovajatra.

Olona mitafy akanjo maroloko tao anatin'ny Mangal Shobhajatra (Famoriam-.bahoaka). Sary an'i Sourav Lasker. Fizakàmanana Demotix(14/04/2015)

Ny Pohela Boishakh no andro voalohany amin'ny tetiandron'ny Bengali, ankalazaina ny 14 Aprily ao Bengladesh ary ny 15 Aprily no anaovana azy ao amin'ny fanjakana Indiana ao Bengal Andrefana. Foara sy hetsika an-jatony no nentina nandray ny Taombaovao tany amin'ny toerana maro tao Bengladesh sy Bengal Andrefana. Tao Dhaka, renivohitr'i Bangladesh no nisehoan'ny fety goavana indrindra, izay nahitàna olona an-tapitrisany nanao saron-tava miloko marevaka sy nanao fiakanjo nentim-paharazany, nanao diabe nanamarika ny andron'ny Mangal Shobhajatra ho fankalazana ilay taombaovao.

Tanvir Haider Chaudhury dia nanoratra toy izao tao amin'ny Facebook :

আপনি যেখানে থাকুন, পারলে ঢাকা চলে আসুন। পৃথিবীর সবচেয়ে আনন্দময়, উৎসবমুখর জায়গা এই মুহূর্তে ঢাকা।
শুভ নববর্ষ।

Na aiza na aiza misy anao, miangavy, mba tongava eto Dhaka raha afaka. Amin'izao fotoana izao, Dhaka no toerana mahafinaritra indrindra eto an-tany, feno karazanà fety. Shuvo Noboborsho (Arabaina tratry ny taona).

Raha toa ilay mpampiasa Twitter, Bappy, ka nibitsika ity sary ity  :
:

Tsy misy foko maharesy ny Bengali raha resaka fankalazàna sy fandraisana vahiny !

Crowds celebrated Pahela Baishakh at Mangal Shobhajatra, a procession organised by Dhaka University’s Faculty of Fine Arts to welcome the Bengali New Year 1422. Image by Sk. Hasan Ali. Copyright Demotix (14/4/2015)

Ireo mponina nankalaza ny Pahela Baishakh tao Mangal Shobhajatra, hetsika izay nokarakarain'ny
Departemantan'ny Zavakanto ao amin'ny Oniversiten'i Dhaka hitsenana ny taombaovao 1422 Bengali. Sary nalain'i Sk. Hasan Ali. Fizakàmanana Demotix (14/4/2015)

Anila Haque dia nisaotra ny Google tamin'ny namoronany fanairan-tsaina (doodle) ho an'iny andro iny  :

শুভ নববর্ষ (Shubho Noboborsho 1422)!!! Misaotra Google! 🙂 Taombaovao Bangla 1422

Gargie Ahmad dia nirary io taona vaovao io mba hitondra lalàna vaovao sy fiatombohana vaovao  :

Arahaba tratry ny Taombaovao Bengali, শুভ নববর্ষ, tongasoa ny 1422! Maro ny zavatra mampalaelo eto an-tany, kanefa mino fa ity taona vaovao ity dia hitondra fiantombohana vaovao. #pohelaboishakh

To the Bengalis, hilsa isn't just a fish. It's an integral part of the culture and heritage. Be it fried or cooked with mustard, hilsa is a must in Pahela Baishakh celebrations. Image by Sourav Lasker. Copyright Demotix (14/4/2015)

Ho an'ireo Bengali, tsy trondro fotsiny ihany ny Hilsa. Fa tena manana anjara toerana lehibe eo amin'ny kolontsaina sy lovam-pirenena mihitsy. Na io nendasina sy nahandroina niaraka tamin'ny tsinampy, ny hilsa no tsy maintsy hita amin'ireo fety fankalazàna ny Pahela Baishakh. Sary nalain'i Sourav Lasker. Fizakàmanana Demotix (14/4/2015)

Ny Praiministra Indiana, Narendra Modi, dia nandefa bitsika tamin'ny teny Bengali hoe :

Ny firariako soa ho an'ireo Bengali namana rehetra noho ny Pahela Boishakh. Enga anie ho tsaratsara kokoa ho an'ny isam-batan'olona ity taona ho avy ity. Shuvo Noboborsho (tratry ny taona).

'Nokhsikatha' graffiti by the Students of Fine Arts Institute on the walls of Dhaka University Fine Arts Institute where the rally begins. Image by Firiz Ahmed. Copyright Demotix (14/4/2015)

‘Nokhsikatha’ Soratsoratra an-drindrina nataon'ireo mpianatra avy ao amin'ny Ivontoerana Ho an'ny Zavakanto teo amin'ny rindrin'ny Oniversite-n'i Dhaka izay toerana niantombohan'ilay hetsika. Sary nalain'i Firoz Ahmed. Fizakàmanana Demotix (14/4/2015)

Ary ny hafa amin'ireo mpisera ety anaty aterineto no nandefa bitsika momba iny fialantsasatra iny  :

#pohelaboishakh sakafo miaraka amin'ny hilsa (ilish) nendasina tamin'ny fomban-drazana #noboborsho

Arabaina nahatratra ny taona vaovao Bangla 1422…& Arahabaina ny rehetra nahatratra ny Pohela Boishakh… Ny #BD antsika isan-taona dia tsara toy ity iray ity koa…

'Nokhsikatha' graffiti by the Students of Fine Arts Institute on the walls of Dhaka University Fine Arts Institute where the rally begins. Image by Firiz Ahmed. Copyright Demotix (14/4/2015)

‘Nokhsikatha’ Soratsoratra an-drindrina nataon'ireo mpianatra avy ao amin'ny Ivontoerana Ho an'ny Zavakanto teo amin'ny rindrin'ny Oniversite-n'i Dhaka izay toerana niantombohan'ilay hetsika. Sary nalain'i Firoz Ahmed. Fizakàmanana Demotix (14/4/2015)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.