Fanapahan-Doha Nataon'ny ISIS, Olan'ny Vahoaka Ethiopiana fa Tsy Olan'ny Governemanta

Eyasu and Balcha, two of the Ethiopians killed by ISIS in Libya. Photo used with permission by Addis Admas news site.

Eyasu sy Balcha, ro amin'ireo Ethiopiana novonoin'ny ISIS tao Libya. Sary nahazoan-dalana avy amin'ny tranonkalam-baovao Addis Admas.

Nisy lahatsary iray nivoaka tamin'ny aterineto tamin'ny Alahady nampiseho ireo mpikomy ISIS manapa-doha ireo Kristianina Etiopiana tao Libya izay lalana voalohany andehanan'ireo mpifindra-monina mandositra ny fahasarotam-piainana sy ny ady ao Afovoany Atsinanana sy eto Afrika.

Nampiasa hery tao amin'ny faritra nipetrahan'ireo lehilahy roa novonoin'ny ISIS ny polisy Etiopiana androany mba hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana mihiaka hoe “Aiza ny fitondram-panjakanay?”.

Araka ny tatitra avy amin'ny habaka Addis Standard :

According Addis Standard’s reporters and informants on the scene, demonstrators were chanting emotional slogans, among others: “where is our government,” “justice for the dead,” “sovereignty is the safety of citizens everywhere in the world,” and “don’t tell us they are not ours,” the later in response to an earlier statement given by government spokesperson Redwan Hussien saying it was not clear if the victims were Ethiopians and that the Ethiopian embassy in Cairo was investigating the matter.

Araka ny filazan'ireo mpanoratra gazety sy mpitati-vaovaon'ny Addis Standard teny an-toerana, nihiakiaka teny filamatra mampihetsi-po ireo mpanao fihetsiketsehana, ohatra amin'izany ny hoe: “aiza ny fitondram-panjakanay”, ” rariny ho an'ny maty”, “ny fiandrianam-pirenena dia fiarovana ny olom-pirenena na aiza na aiza eto amin'izao tontolo izao,” sy ny hoe “Aza milaza aminay fa tsy antsika izy ireo” ity farany ity dia valinteny tamin'ny fanambarana teo aloha nataon'ny mpitondra tenin'ny governemanta Redwan Hussien izay nilaza fa tsy mazava raha Etiopiana ireo niharam-boina ka nanadihady ny raharaha ny masoivoho Etiopiana ao Kairo.

Tao amin'ny Facebook, nanontany tena i Mahlet Salomon hoe nahoana ny governemanta no mandà hiaiky ny famonoana ireo olom-pireneny manokana, na dia efa nilaza aza ireo mpamono olona fa Etiopiana ireo lasibatra:

Every media outlet know they are Ethiopians. The killers said they are Ethiopians. It is only the

Ethiopian government that is denying its own citizens.

Fantatry ny fampahalalam-baovao rehetra fa Etiopiana ireo. Nilaza ireo mpamono olona fa Etiopiana izy ireo. Ny governemanta Etiopiana ihany no mandà ny olom-pireneny.

Tsy fantatr'ilay mpisera Facebook hafa, Mesky Feyissa, izay tena ratsy: ny fanapahan-doha sa ny fahanginan'ny governemanta:

I don't know which one hurts the most

Tsy fantatro hoe iza amin'ireo no tena manafintohina.

Manamarika ny fiaiken'ny  fitondram-panjakana Amerikana talohan'ny fiaiken'ny fitondram-panjakana Etiopiana i Mahlet Salomon fa Etiopiana ireo lasibatra raha nanoratra hoe:

The White House released a statement condemning the killing of the Ethiopian Christians.

Oh EPRDF [the ruling Ethiopian People's Revolutionary Democratic Front] you will rot in hell for this

Namoaka fanambarana manameloka ny famonoana ireo Kristianina Etiopiana ny Trano Fotsy.  Ry EPRDF [Antokon'ny fitondrana: Manda Demaokratika Revolisioneram-bahoaka Etiopiana] ho any amin'ny helo amin'izany ianareo

Nanome tsiny ny governemantany i Dæl Bereket ary nitsipaka ny ezaky ny fanjakana hanodina ny saim-bahoaka fa mivoatra ny toekarena:

But the Ethiopian officials are still on the phone trying to verify if the victims are Ethiopian citizens? wow just wow….i don't care if they are from Eritrea or Ethiopia but they are clearly Habeshas [Semitic Ethiopians]. Enough is enough! Nobody should care about stupid trains [referring to electrified light train in the capital] or double digit growth and shit. We need a government who puts the safety and wellbeing of its people first. More than 60000 our Tigrayan brothers and sisters died for the sake of our safety and freedom not to be beheaded and burnt alive by some extremists […]

Saingy mbola eo ampiresahana an-telefonina ny manampahefana Etiopiana miezaka manamarina raha olom-pirenena Etiopiana marina ireo lasibatra? Gaga fotsiny …. tsy raharahako raha avy ao Eritrea na Etiopia izy ireo saingy mazava fa Habeshas [Etiopiana Semita] izy ireo. Ampy izay! Tsy misy olona tokony hiraharaha ireo fiarandalamby adala [manondro ny jiron'ny fiarandalamby mandeha amin'ny herinaratra ao an-drenivohitra] na fitomboan'ny harinkarena mahatratra 10 isanjato sy diky. Mila fitondram-panjakana mametraka fiarovana sy ny mahasoa ny vahoakany voalohany izahay. Mihoatra ny 60000 ireo rahalahy sy anabavy Tigrayan namoy ny ainy ho fiarovana antsika ary mba tsy hodoran'ny extremista velona sy hotapahany loha ny fahafahantsika […]

Ethiopians marching to the Ministry of Foreign Affairs following the beheading of fellow Ethiopians in Libya. Photo source: Ethiopian DJ Facebook page.

Mpanao fihetsiketsehana Etiopiana manameloka ny governemantan'izy ireo taorian'ny fanapahan-doha nahazo ireo Etiopiana tao Libya. Sary: pejy Facebook Ethiopian DJ.

Raha mamaly ny fanambaran'ny mpitondra tenin'ny governemanta Etiopiana Redwan Hussein, izay voalaza fa niteny hoe: “Raha voamarina izany, dia ho fampitandremana hoan'ny olona te-hanao sorona ny ainy handeha ho any Eoropa amin'ny lalana mampidi-doza,” i Soli S. Gebremichael dia nanoratra hoe:

he [government spokesperson] was trying to take advantage of the tragedy to talk about illegal migration ……………..unbelievably sad.

Niezaka nanararaotra ny loza ny mpitondra tenin'ny governemanta mba hiresaka fifindra-monina tsy ara-dalàna………..mampalahelo, tsy mampino.

Nandresy lahatra i Samuel M. Gebru fa tokony handray fepetra bebe kokoa ny governemanta Etiopiana:

#‎Ethiopia should join the fight against #‎ISIS. Terrorism and instability are all around Ethiopia and the country must remain secure. I'm sure Prime Minister Hailemariam's government would have wide support if Ethiopia joined the coalition against ISIS as did #‎Egypt, #‎Jordan and others.

Tokony hanatevin-daharana ny ady amin'ny ISIS ny Etiopiana. Manerana an'i Etiopia ny fampihorohoroana sy ny  tsy filaminana ary tokony ho voaaro ny firenena. Mino aho fa tokony nanana fanohanana goavana ny governemantan'ny Praiminisitra Hailemariam raha nanatevin-daharana ny fiaraha-mientana hanohitra ny ISIS tahaka an'i Ejypta sy Jordania sy ny hafa i Etiopia.

Tao anatin'izany, nanome tsiny ny fampahalalam-baovao ho tsy dia niraharaha ny zava-nitranga i Mohammed O. Al-Dushy:

Seems the life of a Japanese journalist or that of a Jordanian pilot is considered worth more than the lives of 28 Ethiopians. No media coverage whatsoever. Forget a world trending hashtag. Yes, just like there are fake news channels, there are fake social media activists.

Toa ny fiainan'ilay mpanao gazety Japoney na ny fiainan'ilay mpanamory Jordaniana indray no heverina fa lehibe kokoa noho ny fiainan'ireo Etiopiana 28. Tsy mba misy fitantarana amin'ny haino aman-jery. Adino ny diezy malaza manerantany. Eny, tahaka ny misy fantsom-baovao hosoka, misy mpikatroka media sosialy hosoka.

Nanome tsiny ny fampahalalam-baovao ao an-toerana sy iraisampirenena i Natnael Abera:

Shame on the ‘Internal & International media’ coverage of the barbaric killing of 30 ‪#‎Ethiopians‬ by the ‪#‎ISIS‬ ‪#‎EBC‬ ‪#‎BBCWorld‬ ‪#‎Ethiopianlivesmatter‬

Mahamenatra ny fanangonam-baovaon'ny “haino aman-jery ao ao an-toerana sy ny iraisampirenena” mikasika ny famonoana feno habibiana nataon'ny ISIS an'ireo Etiopiana 30

Naneho hevitra momba ny tohan-kevitr'i Daniel Berhane milaza fa ao an-toerana ny tena ady ho an'ny Etiopiana dia nanamarika i Sultan Raya hoe:

Daniel and woyanes are busy fighting the “terrorists” known by the names of Eskinder Nega and Reeyot Alemu [jailed Ethiopian bloggers and journalists]. Do you think they have time to fight ISIS and the Zulu barbarians???????? [reference to xenophobia related attacks in South Africa. Zulu is one of South Africa's main tribes]

Sahirana miady amin'ny “mpampihorohoro” fantatra amin'ny anarana hoe Eskinder Nega sy Reeyot Alemu [mpanao gazety sy bilaogera Etiopiana naiditra am-ponja] i Daniel sy ry woyanes. Mihevitra ve ianareo fa manam-potoana hiadiana amin'ny ISIS sy ny lozabe Zulu izy ireo??????? [miresaka momba ny fanafihana noho ny fankahalana vahiny mainty tao Afrika Atsimo. Iray amin'ireo foko lehibe indrindra ao Afrika Atsimo ny Zulu]

Nitaraina i Hallelujah Lulie, mpikaroka ao amin'ny Ivon-toerana Fianarana ny Filaminana fa tsy mahazo manao hetsika na dia manohitra ny ISIS aza ny Etiopiana.

Mampalahelo ny miaina ao amin'ny firenena izay tsy mahazo manao fihetsiketsehana na maneho fahatezerana amin'ny ISIS, ary koa misaona sy mahatsiaro ary manome voninahitra ireo lavo.

Nitsikera ny fampahalalaham-baovaom-panjakana noho ny fahanginany i Abdi Lemessa:

Raha feno fitarainana sy fahatezerana amin'ny ISIS ny sehatra media sosialy, mangina tanteraka kosa ireo karazana fampahalalaham-baovaom-panjakana. Tsapa ny fiankinan-doha.

Endalk, Etiopiana mpianatra doktorà ao Etazonia, namariparitra ny toe-javatra mampalahelo mahazo ny Etiopiana:

Tena mampalahelo tanteraka tokoa raha miala ny famoretana ao Etiopia ianao ary miafara eo am-pelatanan'ny ISIS.

Nizara fanambarana avy amin'i Sheger, rahalahin'ny iray tamin'ireo lasibatra tao amin'ny onjam-peo i Mekdes Mz:

Nilaza tamin'ny reniny i Eyasu fa voasambotra izy ary nilaza taminy mba hiantso ny masoivoho Etiopiana mba hiaro azy ireo

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.