Vehivavy Ekoatoriana Iray Miady Ny Zony Hamonjena Ny Zaobaviny Amin'ny Famindràna Taova

Enga anie hanerana izao tontolo izao ity sary ity ! Ho antsika sy izay rehetra mitolona ! #mananjohanomeAho

Vehivavy Ekoatoriana 32 taona i Daniela Peralta izay mihevitra fa ny fanomezana tsara indrindra azony atolotra dia ny fanomezana aina, indrindra raha hamonjena ny olona akaiky azy, ny indrindra indrinda raha toa ka ny renin'ny zanak'anadahiny io olona io. Fantatr'i Peralta, tamin'ny volana Janoary, fa marary sy tsy afaka miasa ara-dalàna intsony ny voan'ny zaobaviny, Susy Hinojosa, ary mila famindràna taova haingana. Na dia efa nanao fizaham-pasalamana maro izay nahafahana nilaza fa afaka manome taova aza izy dia nolavin'ny Foibem-pirenena ho an'ny Fanomezana sy Famindrana Taova, Tamba-tsela sy Sela  (INDOT) any Ekoatera ny fahazoan'i Peralta alàlana hanome taova.

Mazava tsara ny ambaran'ny andininy faha 33 amin'ny Lalàna Fototra momba ny Fanomezana Taova, Tamba-tsela ary Sela  fa tsy maintsy ” misy rà iraisana hatramin'ny taranaka faha efatra amin'ilay mpanome ny mpandray” na ” vady na olon-tiany miara-mipetraka aminy ny mpandray”. Koa satria amin'ny alàlan'ny fanambadiana ihany no maha-mpihavana azy amin'ny zaobaviny dia tsy mifanaraka amin'izay takian'ny lalàna i Perlata. Lalàna izay natao mba hisakanana ny varomaizina taova hoy ny Tale Mpanatanteraky ny INDOT, Diana Almeida.

Tsy maintsy manao fanadiovan-drà in-telo isan-kerinandro i Susy Hinojosa, 36 taona, hoy ny BBC. Mampalahelo, fa tsy misy afaka manome, na dia iray aza, amin'ny fianakaviany akaiky : tsy afaka manome ireo anadahiny telo noho ny antony ara-pahasalamana, ary  tsy mifanaraka amin'ny toe-batany ny an'ny vadiny. Raha toa ka hisafidy ny hiandry ireo mpanome efa maty i Hinojosa, dia fantany fa efa misy anarana 444 eo alohan'ny azy ao anatin'ny lisitry ny famindràna taova.

Fa tsy manaiky ny hiala mora i Daniela Peralta, ka nampiasainy ny haino aman-jery sosialy ho fampahafantarana ny manjo azy amin'ny alàlan'ny tenifototra hoe  #YoTengoDerechoaDonar (“Manan-jo hanome aho”)  mba hisintonana ny fijerin'ny olona sy hijerenany maha-olona amin'ilay lalànan'ny fanomezana. Araka ny nolazainy tao amin'ny fahitalavitra nasionaly Ecuavisa, any Ekoatera : ” Manan-jo amin'ny vatako aho…  Tsy dia misy dikany loatra amiko izany rehefa maty ihany isika vao azo ampiasaina.”

Miaraka amin'ny 3.502 “tia” , hipoky ny hafatra fanohanana ny famindràna taova amin'ireto mpiaotra ny pejy Facebook-n'ny Yo Tengo Derecho a Donar. Tonga hatrany amin'ny biraon'ny Filoha ilay hafatra, ka nahatonga ny mpikambana iray tao niantso an'i  Peralta tamin'ny 14 Aprily mba hifanakalo hevitra ny amin'ilay zava-misy sy hanolotra fanampiana, ary nampanantena valiny ao anatin'ny valo andro. Izao anefa no nolazain'i Peralta tao amin'ny fanavaozam-baovaony farany :

Queridos amigos, luchadores por la vida! Es muy importante que sepan que todavía NO se nos autoriza nuestra operación, solo se nos di una esperanza y por eso ahora más que nunca necesitamos que sigan luchando junto a nosotros hasta que nuestra voz y la de todos los que luchan contra está terrible enfermedad se escuche!

Ry namana malala mitolona ho amin'ny fiainana! Tsara ho fantatrareo fa TSY mbola nahazoana alàlana ilay fandidiana tokony hataonay—ny hany azonay dia ny fanantenana sy ny sisa, ary ankehitriny, mihoatra noho ny tany aloha, dia mila anareo izahay mbola hanohy ny tolona eo akaikinay mandra-pandrenesana ny feontsika sy ny an'ireo rehetra izay mitolona amin'ity aretina mampihorohoro ity.

Mpisera maro amin'ny Twitter no manohana ihany koa ilay fanentanana :

Heveriko fa tokony atao ny fanomezana taova rehefa voamarina ilay omena. ‘Ndao hanohana an'i Daniela

Raha toa ka tsy afaka manery ahy hanome ry zareo, nahoana no ekena ny fandraràna ahy hanao izany? Na ho an'iza ary na rahoviana no hanaovako izany, maty na velona ?

Ilay vehivavy Ekoatoriana izay voarara tsy hamonjy ny ain'ny zaobaviny  http://t.co/YcS8jAIaSr #YoTengoDerechoADonar pic.twitter.com/nanLmJNBlX

Mahagaga ny mahita ny herin'ny fitakiana ara-drainy. Tolona ho velona sy hanome aina. Hery !

Manomboka ny adihevitra any Ekoatera : Iza no afaka manome ? Amin'ny toe-javatra manao ahoana ?

Navoitran'ilay vehivavy Ekoatoriana solombavambahoaka, María Alejandra Vicuña, avy amin'ny Alianza PAIS, antoko eo amin'ny fitondrana, fa azo atao ny fanavaozana ny lalàna mba hahafahan'ireo fianakaviana mifamatotra akaiky amin'ny taranaka faharoa manao fanomezana , ao anatin'izany ny fihavanana amin'ny alàlan'ny fanambadiana. Na izany aza, ny lalàna tahaka izany dia ilàna ny fankatoavana sy ny alàlana avy amin'ny komitin'ny ‘bioéthique’ mba hialàna amin'ny varotra na varomaizina taova. Mandritra izany fotoana izany dia mitolona, manao fanentanana mba hamonjena ny ain'ny zaobaviny i Daniela Peralta.

Daniela Peralta miady hanome ny voany ho an'ny zaobaviny. Sary avy amin'ny  Facebook.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.