Hong Kong: Nolazaina fa Nidaroka Mpitandro Filaminana Ilay Mpanao Fihetsiketsehana Iray. Mandiso Izany Ny Lahatsary Porofo

Citizen monitor police force's power execution with their cameras. Photo taken by Gundam Lam from inmediahk.net. Use with permission.

Manara-maso amin'ny fakantsariny ny fampiasan-kerin'ireo mpitandro filaminana ireo olon-tsotra. Sary nalain'i Gundam Lam ho an'ny inmediahk.net. Nahazoana alalalana.

Nisambotra olona miisa 1.003 ireo mpitandro filaminana, ahitàna mpanao fihetsiketsehana, mpanao gazety ary mpitsabo, izay nandray anjara na teny amin'ny toeran'ny fitorevahana lehibe Occupy Central (Bodoy ny Afovoany), tao anelanelan'ny 28 Septambra sy 15 Desambra 2014 tany Amirauté an'i Hong Kong, Causeway Bay ary Mong Kok. Tao anatin'ireo voasambotra, maherin'ny 100 no voahenjika ara-pitsarana. Ny ankamaroan'ireo tranga dia natao hanenjehana.

Noho ny maso feno fahamailoana nananan'ireo olom-pirenena tsotra izay nitondra porofo tamin'ny “fitrangan'ny heloka”, maro tamin'ireo tranga no afaka madiodio.

Iray amin'izany tranga izany ny an'i Ho Pak-Hei, 17 taona, mpianatra mpanao fihetsiketsehana, . Ny 2 Aprily, nomena fahafahana madiodio tamin'ny fiampangàna azy ho nidaroka mpitandro filaminana tany Mong Kok ny volana Novambra izy, satria nisy mpivady misotro ronono niseho tamin'ny fitsaràna ary nampiseho horonantsary nampiseho fa tsy nikitika mpitandro filaminana mihitsy ilay mpianatra.

W.B. Yeung, avy amin'ny fikambanana antsoina hoe Vondronà Mpisolovava Liampivoarana, dia namerina nitantara ny tantaran'i Ho ho an'ny “Stand News”, media tsy mitady vola ety anaty Aterineto, ary i Jason Li nanao ilay lahatsoratra ho sarimiaina (naverina nalefa eto miaraka amin'ny alalana avy taminy):

comics
comic 2
comic 3
comic 4

Ireo hetsi-panoherana, nopetahan'ireo media anarana hoe “Umbrella Revolution” (Revôlisônan'ny Elo) na “Umbrella Movement” (Hetsika Elo), dia nitady hanery ny governemantan'i Beijing mba hanome alalana ireo olom-pirenena ao Hong Kong mba hanana zo hanolotra ireo olona hofidiana ho Mpitondra ambonin'ny tanàna, antsoina hoe filoha mpanatanteraka. Hong Kong, faritra manana fiadidiam-pitantanana manokana ao amin'ny taniben'i Shina, ny taona 2017 dia hifidy voalohany tao anatin'ny tantarany ny filoha mpanatanteraka.

Na dia nanipika aza ny Sekreteran'ny Fitsaràna Rimsky Yuen, fa tsy misy ambadika pôlitika ireo fanapahan-kevitra ny hanao fanenjehana amin'ny lalàna ary natao mifanaraka amin'ny lalàna velona sy ny porofo eo am-pelatanana, tranga maro no maneho ny mifanohitra amin'izany. Ireto ireo ohatra vitsy hatreto:

  • Ny 20 Martsa, nanapaka hevitra ny tsy hanohy ny fitoriana ny mpisera amin'ny Aterineto iray, izay nampangaina ho “nanao fampiasàna tsy mendrika ny solosaina” nandritra ny Bosoy ny Afovoany, ny mpitandro filaminana satria tsy afaka nanome porofo sahaza.
  • Ny 28 Martsa, nafahana madiodio tamin'ny fiampangàna azy ho nidaroka mpitandro ny filaminana ny mpanao gazety iray, satria mifanipaka ireo fijoroana vavolombelon'ireo mpitandro  filaminana tsirairay.
  • Ny 10 Aprily, ny Fitsaràna ao Kung Tong dia nangataka ireo mpitandro filaminana mba hitady ilay lazaina fa “niharan-doza” tamin'ilay lazaina ho fidarohana nataon'ny mpanampy ny mpamokatra aminà fandaharam-baovao amin'ny haino aman-jery Hong Kong, tamin'ilay fitorevahana tany Mong Kok ny volana Oktobra. Noforonina avy tamin'ny fijoroana vavolombelon'ireo mpitandro filaminana fotsiny ilay fitoriana, tsy nahitàna ny fisian'ny olona niharan'ny daroka .
  • Ny 10 Aprily, mpaka sary amin'ny Televiziôna iray izay nosamborina ary nampangaina ho nidaroka mpitandro filaminana raha nanangom-baovao tany Mong Kok ny volana Novambra, dia nametraka fangatahana tamin'ny fitsaràna, nangataka ny mba havela hametraka ireo fitarainany manokana amin'ny ady heloka bevava, mitory ireo mpitandro filaminana (“fitoriana ady heloka bevava manokana“) satria izy ireo nandà ny hanao fanadihadiana sy hanenjika mpitandro filaminana miisa efatra izay lazaina fa nanao herisetra taminy nandritra ny fisamborana. Porofo maro hita maso no mandehandeha any amin'ny Aterineto maneho fa nobedaina tampoka izy ary natosik‘ireo mpitandro ny filaminana maro teny amin'ny tany raha nanao ny asa fitateram-baovaony.
  • Ny 21 Aprily, nanapaka hevitra ny hanatsahatra ny fitoriana ny mpiasan'ny fanorenana iray, izay nolazaina fa nidaroka ny lehiben'ny mpitandro filaminana tany Mong Kok, ny Sekreteran'ny Fitsaràna, satria nisy ampahanà horonantsary vaovao porofo nampiseho fa tsy teo an-toerana nolazaina fa nitrangan'ny fidarohana akory ilay lehiben'ny mpitandro  filaminana.

Araka ny namaranan'i W.B Yeung azy tao amin'ny lahatsoratrany “Ny Herintsain'ireo Olon-Tsotra, ary ny Mifanohitra aminy” momba ny famotsoranamadiodio an'i Ho Pak-Hei:

Ny famotsorana an'i Ho ary ny fihetsik'ireo mpivady lehibe dia nanome antsika fahafahana nankalaza ny herintsain'ireo vahoaka tsotra. Indray andro any, manantena ihany koa isika ny mba hankalaza ny herintsain'ireo manana ny fahefana mba hiaiky ireo hadisoan'izy ireo.

Araho ny fanehoanay ifotony: Revôlisiônan'ny Elo an'i Hong Kong

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.