Fihaonambe Faha-7-n'Ireo Firenena Any Amerika Ao Anatin'ny Bitsika 35

Secretary-General Ban Ki-moon speaks at Opening Ceremony of Seventh Summit of the Organization of American States. Photo: UN account on Flickr used under Creative Commons license.

Miteny amin'ny lanonam-panokafan'ny Fihaonambe fahafiton'ny Fikambanan'ny Firenena Amerikana ny Sekretera Jeneraly, Ban Ki-moon. Sary : Kaontin'ny Firenena Mikambana ao amin'ny Flickr, nahazoana alàlana, nampiasàna ny fahazoan-dàlana Creative Commons.

Naharaketana fanehoan-kevitra 9 tapitrisa ao amin'ny Twitter ny Fihaonambe faha-7-n'ireo firenena any Amerika izay natao tany Panama tamin'ity taona ity araka ny filazan'ireo mpikarakara, nahatongaazy ity ho ny “fihaonana antampony tena dizitaly voalohany tamin'ity taonjato ity”.

Tsy isalasalàna fa nisintona ny saina io Fihaonambe io : voalohany izao, tao anatin'ny dimampolo taona mahery no niarahan'ny Filohan'i Etazonia sy ny Filoham-panjakan'i Kiobà nipetraka teo amin'ny latabatra diplomatika. Na dia fara-tampon'nyfandrakofan'ny vaovao iraisam-pirenena io fihaonambe io aza io fihanoana io dia tsy natao ho an'i Washington sy La Havane ihany ny valan-dresaka. Nihaona mangina tamin'ny Barack Obama ihany koa i Nicolás Maduro, Filoha Venezoeliana, izay nilaza am-pahibemaso tato aoriana hoe : ‘manaja anao aho fa tsy matoky anao ry Filoha Obama’. Tamin'ny volana Martsa dia nanao sonia didim-panjakana nanasazy venezoeliana mpiasam-panjakana miisa fito i Obama.

Fa mihoatra noho ny fotoana tsy manam-paharoa ilay fihaonambe, na misy tantara sy nisavorovoro aza. Nanangona sy nandika bitsika 35 samy hafa, misy fanehoankevitra avy any amin'ireo firenena tsirairay izay nanana solontena tany amin'ilay fihaonambe ny Global Voices mba hanomezana saina tsaratsara kokoa momba izay niseho tany Panama.

Gaston Browne, Praiminisitr'i Antigoa sy Barboda

“Takianay ny politikan'ny fitantanam-bola izay manaja ireo firenena madinika”, Gaston Browne avy any Antigua sy Barbuda.

Cristina Fernández de Kirchner, Filohan'i Arzantina

Te-hankasitraka ny [Filoha Kolombianat] Juan Manuel Santos aho noho ny hamafisan-dohany hiatrika ny paika ho amin'ny fandriam-pahalemana.

Perry Christie, Praiminisitr'i Bahamas

“Mikaroka vahaolana ny vahoakantsika, ndeha hitady vahaolana mety kokoa ary ndao hampihatra izany”, Perry Christie, Praiminisitr'i Bahamas.

Freundel Jerome Stuart, Praiminisitr'i Barbados

“Tsy maintsy mitatra mankany amin'ny kianjan'ny fandriampahalemana ny fiaraha-miasantsika”, ny Praiminisitr'i Bardabos Freundel Jerome Stuart.

Wilfred Elrington, Minisitry ny Raharaham-bahinin'i Belize

“Ny vahoaka nandray fanabeazana no fitaovam-piadiana fototra itokianay,” Wilfred Elrington, Minisitry ny Raharaham-bahinin'i Belize.

Evo Morales, Filohan'i Bolivia

“Miresaka ny momba ny demokrasia amintsika ny Filoha [Amerikana] Barack Obama ary alefany ho aty amintsika isan'andro ny mpamono olony”, Filoha Evo Morales.

Dilma Rousseff, Filohan'i Brezila

Faranan'i Dilma : Tiako hazava tsara ny andraikitra raisintsika amin'ny fifanaraham-paritra

Steve Harper, Praiminisitr'i Kanada

“Lasa lalàna fototry ny ila-bolantany amin'izao fotoana izao ny demokrasia “, Praiminisitra Steve Harper.

Heraldo Muñoz, Mpitondra fanjakana any Chile

“Na dia efa nahatontosa zavatra maro aza isika, dia mbola betsaka ny tsy maintsy atao — takian'ny vahoaka izany”, Heraldo Muñoz, Mpitondra fanjakana an'i Chile.

Juan Manuel Santos, Filohan'i Kolombià

Telo taona lasa izay tamin'ny fihaonana antampon'ny firenena aty Amerika, nolazaintsika fa tsy tokony hisy fivoriana hafa tsy misy an'i Kiobà. Ankalazaintsika androany aty Panama [ny fanatrehan'i Kiobà].

Luis Guillermo Solis, Filohan'i Costa Rica

“Andriamanitra anie hitahy ny tanibentsika sy hanazava izay hitondra antsika ho amin'ny làlan'ny fahombiazana. “

Raúl Castro, Filohan'i Kiobà

“Na eo aza ny tsy fahampiana betsaka sy ny zava-tsarotra tantanantsika, dia mandroso hatrany miaraka amin'ny fotokevitry ny fizaràna izay ananantsika isika”, ny Filoha Raul Castro.

Francine Baron, Solontenan'i Dominika

“Tohananay ny hevitra hoe andraikitra ifampizaran'ny zana-paritra rehetra ny fikarohana ny kalitaon'ny fanabeazana.”

Rafael Correa, Filohan'i Ekoatora

Tonga teto Panama tamin'ny Fihaonambe fahafiton'ireo firenena Amerikana izahay. Fitoviana ho amin'ny fampandrosoana, ny fiandrianana ary ny fahamendrehana. Ho an'ny fahaleovantenantsika tanteraka.

Salvador Sánchez Cercén, Filohan'i El Salvador

Nohamafisinay tany amin'ny Fihaonambe tany Panama ny fanekenay hiasa miaraka ho an'ny fandriampahalemana sy ny fampandrosoana ho an'ny tanibentsika.

Barack Obama, Filohan'i Etazonia

Nambaran'ny Filoha Barack Obama tany amin'ny Fihaonambe tany Panama fa ilaina ny asa mavitrika kokoa any Amerika Latina.

Keith Claudius Mitchell, Praiminisitr'i Grenada

“Tena zava-dehibe ho an'ny faritra ny fampandrosoana miaraka amin'ny fitoviana. Mihena miaraka amin'ny famatsiam-bola ny fanabeazana ny tsy fitoviana “, Keith Claudius Mitchell.

Otto Pérez Molina, Filohan'i Goatemala

Ankalazaintsika fa tafaverina indray ny fifandraisana eo amin'i Kiobà sy i Etazonia.

Bayney R. Karran, Solontenan'i Goiana any amin'ny OAS

“Tsy maintsy tolorantsika ny fomba ahafahany miditra anaty fiarahamonina ireo tanorantsika “, Bayney R. Karran, Solontenan'i Goiana any amin'ny OAS.

Michel Joseph Martelly, Filohan'i Haiti

Sarim-pianakaviana ho an'ireo Filoham-panjakana tany amin'ny Fihaonamben'ireo firenena any Amerika natao tany Panama.

Juan Orlando Hernández Alvarado, Filohan'i Honduras

“Nifanaraka tsara tamin'i Goatemala ny amin'ny fananganana fitantanana haban-tseranana iraisan'ny firenena roa tonta izahay”, Ny Filoha Juan Orlando Hernández.

Portia Simpson-Miller, Praiminisitr'i Jamaika

“Maneho loza mazava ho an'ny fiarahamonintsika ny fiovaovan'ny toetr'andro”, Portia Simpson Miller, Jamaika.

Enrique Peña Nieto, Filohan'i Meksika

Fotoana iray tena mety hanetsehana ny dinika mampiray sy mitondra zava-baovao eo amin'ireo firenena mpandray anjara ny Fihaonambe tany Panama.

Daniel Ortega, Filohan'i Nikaragoa

Miresaka ny tsy fahatongavan'i Pôrtô Rikô tany amin'ny Fihaonambe tany Panama i Daniel Ortega, Filohan'i Nikaragoa.

Juan Carlos Varela, Filohan'i Panama

‘Ndao hiara-mizotra sy hiasa ho an'ity fampandrosoana ity miaraka amin'ny fitoviana ho an'ny mponina rehetra eto amin'ny tanibentsika.

Elisa Ruiz Díaz, Masoivohon'i Paragoay any amin'ny OAS:

“Ny fampihavanana sy ny fifanakalozan-kevitra ho an'ny firenena rehetra no asa itozoantsika”, Ny masoivohon'i Paragoay, Elisa Ruiz Díaz.

Ollanta Humala, Filohan'i Pero

Ny Filoha Ollanta Humala: “Tsy maintsy ataontsika izay hahazoan'ny rehetra fanabeazana tsarakalita.”

Danilo Medina, Filohan'ny Repoblika Dominikana

“Homamiadana ny varomaizina zava-mahadomelina ary tsy maintsy sakanantsika tsy ho lasa lavitra izany “, Danilo Medina, Filohan'i Repoblika Dominikana .

Mark Brantley, Praiminisitr'i Saint Kitts sy Nevis:

“Mifototra amin'ny fanabeazana sy ny fitovian'ny olona ny fampandrosoana”, Mark Brantley, Saint Kiits sy Nevis.

Ralph Gonsalvez, Filohan'i Saint Vicent sy the Grenadines:

“Maharisika fa efa vita ny dingana voalohany hananganana indray ny fifandraisana eo amin'i Kiobà sy Etazonia”, Ralph Gonsalvez.

Kenny Anthony, Praiminisitr'i Saint Lucia:

“Tsy ny vola no vahaolana fototry ny fahantrana fa ny fahalalàna,” ny Praiminisitra Kenny Anthony.

Niermala Badrising, Masoivohon'i Surinam any OAS:

“Amafisinay ny lanjan'ny fifampiresahana mba hahatongavan'ny fandriampahalemana any Venezoela,” ny masoivoho Niermala Badrising.

Kamia Persad-Bissesar, Praiminisitr'i Trinidad sy Tobago:

“Ny fanatrehan'i Kiobà eto androany dia porofo fa mamadika pejy manan-danja eo amin'ny bokin'ny tantara isika,” Kamla Persad-Bissessar.

Tabaré Vázquez, Filohan'i Orogoay

“Miantso ireo Venezoeliana rahalahinay izahay mba hamaha ireo olany amin'ny alàlan'ny fifampiresahana,” Tabaré Vásquez, Filohan'i Orogoay.

Nicolás Maduro, Filohan'i Venezoela

Manaja anao aho fa tsy matoky anao ry Filoha Obama. Nandray ny tànanao aho mba hamahàna ireo tsy fitovian-kevitra mety misy eo amintsika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.