Tsy Miraharaha Ny Manjò Ireo Saka Ao Amin'ny Tobim-pianarana Ny Oniversite Japoney

 Pongo and Sebastian, two cats Charles Januzzi rescued and now live with him at home. Photo courtesy Charles Januzzi.

Pongo sy Sebastian, saka roa novonjen'i Charles Januzzi ary miara-mipetraka aminy ankehitriny any an-tranony. Sary nindramina tamin'i Charles Januzzi.

Taorian'ny 25 taona niasana tamin'ny fanampiana fanarahamaso ireo saka ao amin'ny tobim-pianarany any amin'ny Faritra ao Japana. Miatrika fanoherana goavana avy amin'ny fitantanan'ny oniversite i Charles Januzzi ankehitriny.

Nanatontosa fanangonan-tsonia an-tserasera i Januzzi rehefa noraràna tamin'ny famelomana na fikarakarana ireo saka mirenireny marobe ao amin'ny oniversiteny. Nitondra ny lohateny hoeHoan'ny Oniversiten'i Fukui: Atsaharo ny fampijaliana ireo saka monina ao amin'ny tobim-pianarana ” ny fanangonan-tsonia ary efa nahazo sonia maherin'ny 2.300 hatreto.

Mpampianatra mpiara-miasa efa ela be tao amin'ny tobim-pianarana Bunkyo an'ny oniversitin'i Fuku ao amin'ny Prefektiora ambanivohitr'i Fukui, adiny fito mandeha lamasinina miala ao Tokyo i Januzzi.

“Manampy ireo saka mirenireny hatramin'ny fahazazako aho,” hoy i Januzzi, izay mpiavy avy ao Pennsylvania. Tsaroako nanomboka nanampy ireo saka ao Fukui aho raha vao tonga teto, satria marobe ireo sakadia, saka mirenireny sy nariana manodidina ny tanàna.”
Mampiasa teknika antsoina hoe “TNR” Trap, Neuter and Release, na Misambotra, Mamositra sy Mamotsotra i Januzzi. Ny tanjon'ny TNR dia ny fifehezana ny isan'ireo sakadia mirenireny .
Tao anatin'ny enim-bolana, namositra sy nahamomba ireo saka rehetra tao amin'ny toeram-pianarana aho ary koa ireo saka manodidina ao atsimo-atsinanan'ny tobim-pianarana“, hoy i Januzzi. Mbola misy 3 ireo saka mila votsirina sy tsy ampiterahana intsony (atao momba).”
Nilaza i Januzzi fa ny mampihomehy dia ny mpiasa sy ny mpampianatry ny oniversite no manome sakafo ireo saka saingy tsy mampihatra ny TNR, ka niafara tamin'ny fitomboan'izy ireo betsaka nefa ezahiny iadiana.
“Ankehitriny, nilaza ny [fitantanana] fa voaràra ny fanomezana sakafo ireo saka ao amin'ny toeram-pianarana, ary noho izany tsy maintsy manajanona ny zavatra ataoko aho“, hoy i Januzzi. “Nanomboka namelona azy ireny aho satria tsy nanao izany ny olona tao. Ary efa ho vita 100% tanteraka ny TNR.”
Noho ny biby an-trano lasa fandraharahana goavana ao Japana no mahatonga ny olana momba ireo andian-tsakadia marobe ao andrenivohitra.
Tamin'ny fitaterana tao amin'ny Japan Todayi Jessica Kozuka nanamarika hoe:

The number of pets in Japan (is about) 21.3 million, far exceeding the number of children under 15 in the country. About 35% of households have a pet and many of them live lives of luxury as pampered members of the family, with Japanese spending about 3.8 trillion yen a year to keep them happy.

Eo ho eo amin'ny 21,3 tapitrisa eo ny isan'ireo biby an-trano ao Japana, mihoatra lavitra noho ny isan'ny ankizy latsaky ny 15 taona ao amin'ny firenena. Tokantrano eo amin'ny 35% eo no manana biby an-trano ary maro amin'izy ireo no miaina fiainana tonga lafatra tahaka ireo mpikambana ampihantaina ao amin'ny fianakaviana, mandany eo amin'ny 3,8 arivo miliara yen isan-taona eo ny Japoney amin'ny famalifaliana azy ireny (biby atao an-trano).
Satria malaza ao Japana ny biby fiompy, nilaza i Charles Januzzi fa maro ny olona mividy saka kanefa tsy mahafantatra tsara ny andraikitry ny tompon'ny biby an-trano.
“Manary saka sy (alika) ao amin'ny toeram-pianarana ny olona, manantena fa misy olona hahita sy haka azy avy eo,” hoy i Januzzi. “Ohatra iray amin'izany ohatra ny mpianatra monina ao amin'ny trano manodidina izay maka ireo zana-tsaka, mamelona izany mangingina ao an-tranony mandra-pahaleo azy ireo na efa antitra, na milaza azy ireo ny tompon-tranony mba tsy hiompy saka.
Fomba iray hafa fandaozana saka koa ohatra rehefa maty antitra ny olona nitaiza ilay biby na mametraka izany ao an-trano iray.
Mety maka ilay saka ny zanany lahy na ny vinantony lahy ary manary izany any amin'ny toeram-pianarana,  satria mora kokoa ny manao izany toy izay any amin'ny toeran-kafa maro“, hoy i Januzzi. “Mba tsy hanariana ireo Fahitalavitra tsy mandeha intsony na kodiarana antitra atsipy amin'ny rindrina, ny saka fotsiny no atsipin'izy ireo.”

Ny lakile mahatonga ny fahamaroan'ny biby nariana ao Japana dia noho ny “famonoana amin'ny entona” na euthanasia ampiasaina hifehezana ny fitomboan'ny isan'ny biby, fa tsy tetikady mahomby kokoa amin'ny fandrisihana fanamombana.

“Mba tsy hakàna ny saka ho any amin'ny toby fialokalofan'ny biby izay mety hamonoana azy amin'ny entona,”, hoy i Januzzi. Mihevitra izy ireo fa tsara kokoa ny manary azy ireny any amin'ny tobim-pianarana.”

Nanaporofo ny Kansai Fialokalofan'ny Biby Tsy Mitady Tombotsoa Ara-bola ao Kobe (ARK) fa fomba mahomby hifehezana ny fitomboan'ny biby ny teknika TNR.

Niaina horohorontany goavana i Kobe sy ny faritra manodidina  tamin'ny 1995. Navela hirenireny malalaka tao amin'ny faritra niharan'ny horohorontany ireo biby fiompy tsy manan-kialofana.

Niteraka ny fitomboan'isan'ireo biby ao amin'ny faritra tao anatin'ny taom-polo mahery ny isan'ireo biby mirenireny tsy manan-kialofana miampy ny tsy fisian'ny fitaovana sy ny tsy fahafantarana ny fahombiazan'ny TNR.

Nanangana toeram-pitsaboana TNR tamin'ny taona 2006 tao amin'ny faritra ny ARK. Mampiseho ny tahiry enintaona manaraka fa hidina ambany tokoa ny isan'ireo zana-tsakadia hosamborina sy hovonoina ao Kobe.

kansai ark japan

Sary avy amin'ny Fukushima Spay Clinic.

Raha iverenana ny ao Fukui, nilaza i Charles Januzzi fa efa nisy vokany ny ezaka ataony amin'ny fisamborana, famosirana sy ny famotsorana ireo saka. Miahiahy ihany koa izy fa tsy politika ofisialin'ny oniversite ny didy manakana ny famahanana ireo saka mirenireny.

Nanatontosa fanangonan-tsonia Avaaz i Januzzi noho izany, izay efa nahatratra ny tanjony amin'ny fahazoana sonia 2 500 .

Tsy nandalo fotsiny tao Japana ny ezaka nataony. Mpanao gazety tsy miankina Akiko Katori, manoratra matetika momba ny olana mikasika ny biby ao Japana nanoratra hoe:

福井大学がキャンパス内の猫たちの不妊・去勢手術も餌やりも止めさせ、飢えさせようとしているとは! キャンパス内での地域猫活動は時代の流れ。これに逆行するようなことを主張するとはナンセンスです。北陸新幹線が開通してこれから発展しようという福井県のイメージダウンにもつながると思います。

Nahoana ny Oniversite Fukui no afaka mandràra ny ezaka hamositra sy tsy hampiteraka ireo saka, ary mamela azy ireo mba ho fatin'ny hanoanana? Manamarika fiovana tanteraka amin'ny fomba fandraisana ny saka ao amin'ny tobim-pianarana izany, ary fomba mihemotra hiatrehana ny olana. Eo koa ny Prefektioran'i Fukui miezaka manintona ny Hokuriku Shinkansen!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.