Malaza Ratsy Ny Bilaogera Ao Trinidad & Tobago, Toy Ny Olon-dratsy Politika Voakarama Manimba Ety Anaty Tranonkalam-Pifandraisana

Photo by Dennis Skley; used under a CC BY-ND 2.0 license.

Sary novokarin'i Dennis Skley; nanmpiasànany lisansa CC BY-ND 2.0 .

Iray amin'ny matoan-dahatsoratra gazetim-pirenena malaza miseho isan'andro ao Trinidad & Tobago tamin'ity herinandro ny hoe “Manafika ny Bilaogera”. Toa lasa teny maloto ao amin'ilay repoblikan'ny nosy kambana ny fanoratana bilaogy, fa noho ny ataon'ny The Trinidad Express  mampiasa tsy amin'ny tokony ho izy ilay teny, hita misongadina anatin'ireo kofehin-kevitra samihafa eny anaty Facebook ny hatezerana'ireo mpisera amin'ny aterineto mahalala zavatra, miaraka amin'ny sasany amin'ireo mpanao fanamarihana izay manao soso-kevitra hatramin'ny hoe efa vitan'ny Trinidad and Tobago ny namaritra mazava ny teny hoe “bilaogera”.

Ilay lahatsoratra tao amin'ny gazety izay manasongadina ny fihetsika lazaina ho feno fanevatevana ny mpanao gazety, ny bilaogera politika ary ny mpisera amin'ny aterineto mahitsy fiteny, araky ny famaritana, dia ny trolls (olon-dratsy) voavidy vola ao amin'ny Facebook, fa tsy  bilaogera, nisarika kely ny sain'ny maro tao amin'ny tontolon'ny bilaogy tao an-toerana.

Nanambara iRhoda Bharath, mpampiasa Facebook , izay mibilaogy koa momba ny resaka politika ao amin'ny “The Eternal Pantomime” fa :

Mafana ny toe-draharaha eto amin'ny firenena androany maraina momba ny resaka bilaogera…
Eo ny fankahalana sy ny fanavakavaham-bolokoditra hita amin'ireny rindrina ireny, fa betsaka ny zavatra miafina ao ambadik'izany.

Tsy zava-baovao akory ny fanakaramana “trolls” hanoratra fanavaozana sata ao amin'ny Facebook sy ireo tranonkala media sosialy. Tany amin'ny taona 2011, fotoana fohy taorian'ny nahavoafidy an'izao governemanta iraisana People's Partnership izao, nanapoaka ny tantara ny gazety iray mpiseho isan'andro ao an-toerana tamin'ny filazana fa ny mpianatra ao amin'ny Oniversiten'ny Antilles dia voakaraman'ny andian'olona milaza ho miasa ho an'ny “People's Partnership”.

Kanefa mbola ambony kokoa ny loka miarakaamin'ny maha-taonan'ny fifidianana ny 2015  – ary tena mahery vaika sy tena mifototra amin'ny resaka foko ny fanehoankevitra ety anaty aterineto. Nanambara ny tatitra nataon'ny Trinidad Express fa “ny mpanao gazety ihany aza, ny sasany amin'izy ireo izay ampiasain'ny Fanjakana […] no manao fanafihana amin'ny alàlan'ny tranonkala  an'ireo namany”.

Ny mpanao gazety Lasana Liburd, izay mibilaogy ao amin'ny Wired 868 dia namoaka sata ho hitan'ny daholobe ao amin'ny Facebook momba ilay olana ka tao anatin'izany no nitanisàny ireo tantara lehibe sasantsasany nasehon'ny mpanao gazety mpandalina tato anatin'ny taona maromaro farany teo ary nilazany ireo lazaina fa fandrahonana ny mpanangom-baovao :

Mendrika ve ny hiadiana ho an'ny zon'ny mpanao gazety izay mitondra ho anareo ny tantara toy ireny ? Na inona na inona antokonao, firazananao na firehan-kevitra amin'ny haino aman-jery anananao, tsy toerana tsara (kely) ve i Trinidad sy Tobago noho ireny piti-javatra kely ireny ?
Raha eny, inona ary no nataonao mba hiarovana ny zony hanohy izany asa izany?
PS : Raha miasa amin'ny haino aman-jery ianao ary mieritreritra fa tsy iasanao saina izay fanafihana mpanao gazety tsy miankina any, diso asa natao ianao izany.

Nanohana mafy ihany koa ny mpanao gazety ao an-toerana i Bharath. Tao amin'ny fanarahany maso ireo sata no nilazany hoe:

I Trinidad no tena renivohitry ny toe-draharaha feno eso.
Tato anatin'ny 5 taona farany, vehivavy mpanao gazety mpamakafaka sy vehivavy mpanoratra lahatsoratra no tena nahazo famelezana manokana avy tamin'ireo  matihanina ao amin'ny haino aman-jerin'ny fitondrana.
Ankehintriny dia hitako mikombom-bava amin'izay zava-doza mahatsiravina rehetra ateraky ny maha-lahy sy vavy ataon'io governemanta io ny Gender Studies, manomana tsangambato ho an'ireo mpianatra lavo tao Kenya.
Hitantsika ny ratsy ataon'ny firenen-kafa fa tsy hitantsika ny misy eto amintsika.
Aza asaina amin'izany hetsika izany aho. Ho solon'izany, mijoro miari-tory eo am-bavahadin’ Asha Javeed [vehivavy mpanao gazety ao Trinidad & Tobago izay, araky ny vaovao, niharan'ny fanenjehana ety anaty tranonkalam-pifandraisana]
‪#‎ICyahMakeThisShitUp‬ (HitakoFaIanareoNoMamoronaItyZavaMalotoIty)
‪#‎ForeignCausesAreBetter‬ (MamyKkoaNyOlanNyHafa)
‪#‎LocalFemaleLivesMatter‬ (MampanahyNyAinIreoVehivavy)

Raha ny fiatrehana ireo honohono ao anatin'ilay tatitra no tokony ho nataon'ny governemanta  – porofo izay azon'ireo mazoto mpampiasa Facebook hita rehefa mandalina ny faham-baovaon-dry zareo ao – nanao fanambaràna ny Ministry ny Fizahantany, Gerard Hadeed, manizingizina fa diso ny tatitra ary “mampiseho ny tena endriky ny gazety Express io”.

Nanamafy i Hadeed fa manohitra ny governemanta ilay gazety ary ny People's National Movement an'ny mpanohitra no antoko manarama marina ny olona hanoratra bilaogy.

Nikorontana ny sain'ilay bilaogera any am-pielezana “Jumbie's Watch” noho ireo vaovao voambara :

Ekena, lalao maloto ny politika, nefa nilentika ambany kokoa indray ity governemantan'ny UNC ity [United National Congress, izay antoko lehibe ao anatin'ny firaisana] – na, hiakatra ambony arak'izay tratrany ve? Manarama $6000 isam-bolana ireo bilaogera izy (etsy anatin'ny sary ny iray) mba hanaratsiana ny mpanohitra amin'ny ankapobeny sy i Keith Rowley manokana. Ireo olona ireo dia mahay vava be amin'ny fampiroboroboana ny fisamantsamahana sy ny fanavakavahana.

Ankehitriny, tsy afaka hitsikera ny ankoatra izay aho, ary io governemanta io dia tena nampiakatra ny fahatezerako tokoa, ary ho an'ireo izay manohana anjambany ny mpanavakavaka, ny fijery masiakan'ireo bilaogera voakarama, mino aho hoe fantatrareo fa ny governemantanareo dia mety ho resy amin'ny fifidianana manaraka eo.

Ny Fikambanan'ny Mpiasan'ny Haino aman-jery ao Karaiba dia manameloka ny “tsy ara-dàlana sy ny fanosoram-potaka amin'ny haino aman-jery manjo ny vehivavy mpanao gazety ao Trinidad sy Tobago” ary naneho ny ahiahiny momba ny toe-draharaha ihany koa ny Ivontoerana IraisampirenenaMomba ny Asa Fanaovana Gazety.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.