Mpikatroka Pakistaney Maty Voatifitra Rehefa Avy Nampiantrano Hetsika Momba an'i Balochistan

10441274_10153113834884846_6356993094549431627_n

Sarin'i Sabeen Mahmud nalefan'i Abro Khuda Bux tao amin'ny Facebook tamin'ny 9 Febroary. Nozaraina hoan'ny daholobe ny sary.

Ny harivan'ny 24 aprily, maty voatifitra i Sabeen Mahmud, iray amin'ireo mpikatroka ara-tsosialy malaza indrindra ao Karachi, raha vao nandao ny hetsika antsoina hoe “Unsilencing Balochistan“(Manala Fahanginana an'i Balochistan) izay nokarakarain'ny fikambanana The Second Floor (Ny Rihana Faharoa). Naratra ihany koa ny reniny tamin'ny fitifirana avy ao anaty fiara ary mbola ahiana ny toe-pahasalamany ankehitriny.

Nampiseho ny roa tamin'ireo mpikatroka zon'olombelona noharatsiana indrindra tao Pakistan ny hetsika: Mama Qadeer sy Farzana Majeedizay niara-niasa tamin'ny fanentanana momba ireo “olona tsy hita popoka” tao amin'ny faritany atsimo andrefan'i Balochistan. Matetika lasibatr'ireo fampielezan-kevitra fanaratsiana “mpamadika sy mpampihorohoro” ao amin'ny media sosialy i Qadeer sy Majeed, ary nosakanana tsy hamonjy ny fihaonambe momba ny zon'olombelona tany Etazonia izy ireo vao haingana.

Nandefa ity pikantsary ity tao amin'ny Faceboook i Sabeen ny alina alohan'ny zava-nitranga:

Screen shot 2015-04-24 at 7.41.54 PM

Manao ankivy ity hetsika adala ity sy ny T2F..Manantena ny tafiky ny fitsikilovana hisambotra ireo mpampihorohoro sy jiolahy manohitra fanjakana avy amin'ny hetsikareo

Nikarakara ity hetsika ity i Sabeen taorian'ny latabatra boribory teo aloha momba ny lohahevitra (Balochistan), izay fantatra mialoha ihany koa fa hampiditra an'i Qadeer sy Majeed ho mpandray fitenenana, nofoanana ny resadresaka momba izany tao amin'ny oniversite malaza iray tsy miankina antsoina hoe LUMS. Nilaza ny sampam-pianarana tao fa voatery nanafoana ny resaka izy ireo noho ny fandrahonana voarain'izy ireo avy amin'ny ISI, sampam-pitsikilovana ambony ao Pakistan.

Vakio ihany koa: Mamono ny Adihevitry ny Oniversite momba an'i Balochistan Ve ireo Mpitsikilo Pakistaney?

Photo instagrammed by Sabeen of the Balochistan event. She was killed less than an hour after this was posted.

Sary tamin'ny hetsika Balochistan nivoaka tao amin'ny Instagraman'i Sabeen. Maty voatifitra tsy ampy adiny iray taorian'ny nandefasany ity sary ity i Sabeen.

Ao amin'ny Twitter no ilazan'ireompikatroka Pakistaney ny fifandraisana eo amin'ny hetsika sy ny famonoana azy:

Raha mangataka aminay ianao mba hametraka ny fitokisanay amin'ity fanjakana ity, izany no mahatonga anay tsy afaka hanao izany.

Mpanoratra gazety Shaheryar Mirza monina ao Karachi nisioka hoe:

Androany alina, alohan'ny resadresaka momba ny Balochistan. Nilaza am-pitsikiana i Sabeen, “isaorana, tsy nisy nilaza isika mba tsy hanatontosa ity resadresaka ity”.

Maratra fo mihoatra ny finoana. Nanahy ny aminy hatrany izahay, saingy tsy nihevitra hahita izao .

Miatrika ny hetsika fisintahana fahadimy hatramin'ny taona 1947 i Balochistan, faritany lehibe indrindra sy vitsy mponina ary mahantra indrindra ao Pakistan. Tsy fahita firy ny adihevitra momba ny ady ao Balochistan, ary manify ny fitateram-baovao avy ao.

Araka ny tatitry ny Vaomieran'ny Zon'Olombeona ao Pakistana, hatramin'ny 2010, hita faty nitondra mariky ny fiaretana fampijaliana ny vatana mangatsiakan'ireo “olona an-jatony nanjavona” tao Balochistan. Tamin'ny 2013 fotsiny, razana 116 no hita nanerana ny faritany, 87 tamin'ireo no voamarin'ny fianakaviany izay niampanga ireo sampam-pitsikilivoana ao Pakistana ho naka an-keriny ny havany.

Jereo: GV Face: Mamaky ny Fahanginan'i Pakistana Amin'ny Raharaha Balochistan

Nisioka ilay mpanohitra mpanao politika sady mpikatroka ny zon'ny olombelona Alizeh Haider hoe:

Miteny ianao dia maty. Hafatry ny ISI, mafy sady mazava hoan'ireo maneho hevitra ho an'i Balochistan

Namaly azy ny mpanjohy iray hoe mety nampanginin'ny Balochistan Liberation Army (Tafiky ny Fanafahana An'i Balochistan) BLA izy, antoko mitam-piadiana miady ho amin'ny fahaleovantenan'ny faritany hiala amin'i Pakistan. Voaràra ao Pakistan ny BLA .

Avy amin'ny BLA ihany koa ve ny fampanginana ny seminera voalohany tao amin'ny LUMS?

Ry namanay maherifo, mahagaga sy miaramila lavo @sabeen. Handry amm-piadanana anie ianao, tsy hangina izahay raha tsy hita sy miakatra fitsarana ireo mpamono anao

Mpikatroka ara-tsosialy mamirapiratra ao Karachi

Seha-piarahamonina hoan'ny fifanakalozan-kevitra misokatra te-hitondra fiovana ara-tsosialy ao amin'ny tanàna lehibe indrindra Karachi ao Pakistan ny fikambanan'i Sabeen The Second Floor (Ny Rihana Faharoa), fantatra amin'ny anarana hoe T2F.

Araka ny voalazan'ny tranonkalany, hatramin'ny niorenany tamin'ny 2007: “efa nampiantrano hetsika an-jatony ny T2F, miainga amin'ny famakiana tononkalo sy fandefasana sarimihetsika hatramin'ny adihevitra mafana momba ireo olana goavana. Noho ny fanohanana sy ny fandraisana anjaran'ireo mpihira, mpanakanto, mpanoratra, mpamokatra horonantsary, mpahay siansa, mpanao hatsikana, mpitarika manana hevi-baovao sy ny mpijery feno fahavononana, nanampy tamin'ny famelomana indray ny tontolon'ny kolontsaina sy nanome sehatra iray hafa, tsy miankina, sy azo antoka amin'ny resadresaka ny T2F.

Mandria am-piadanana. Voalaza fa voatifitra tao Karachi androany ilay mpikatroka @sabeen tompon-kevitra tamin'ny hackaton voalohany tao Pakistan.

Toy ny goavambe i Sabeen. Tena mafy. Tena mendrika. Amin'ny fomba rehetra. Mpanohana goavan'ireo olona tsy afaka maneho hevitra. Feo iray. Ya Allah

Wajahat Ali, mpanoratra gazety sy mpikatroka Pakistaney-Amerikana nanoratra tao amin'ny Facebook: 

The privileged among us suffer name-calling, petty insults, hurt feelings for principled positions and critical dissent. The truly brave, like Karachi's Sabeen Mahmud, pay for it with their lives. She was shot and killed tonight leaving her cafe T2F (The Second Floor).

Her alleged crimes are numerous, scandalous and note-worthy: With T2F, she created and sustained a remarkable safe space and community that housed, nourished and celebrated diverse, critical Pakistani intellectuals, artists, entrepreneurs, tech geeks and colorful personalities. As Sabahat Ashraf eloquently writes, she was a “‘qutub’, a pole–in networking parlance, a hub, a connector. very critical to civil society in Pakistan. To say she was an institution in herself is putting it mildly.” 

Niaritra faniratsiràna, fanevatevana sy ratram-po ny nahazo tombony tamintsika noho ny fananana fitsipi-pitondra-tena sy feo hafa. Nandoa izany hatramin'ny ainy ny tena mahery fo, tahaka an'i Sabeen Mahmud Karachi. Voatifitra izy ary namoy ny ainy androany alina raha iny handao ny kafe T2F (The Second Floor na ny rihana faharoa).

Marobe, manafintohina ary tsara marihina ireo heloka voalaza fa vitany: Tamin'ny alalan'ny T2F izy no namorona sy nanohana sehatra sy fiarahamonina azo antoka miavaka izay nampiantrano, namelona sy nanandratra ireo Pakistaney manam-pahaizana, mpanakanto, mpandraharaha, mpankafy teknolojia ary olona samihafa isan-karazany. Araka ny nosoratan'i Sabahat Ashraf mazava tsara hoe “qutub’ izy, tendro - amin'ny fitenin'ny tambajotra, hub (fihaonana), mpampifandray, ary tena kitro ifaharan'ny fiarahamonim-pirenena ao Pakistan. Entina ilazana amim-pandanjalanjana izany fa andrim-panjakana iray ao aminy tenany izy.

Saad Hamid, mpanentana ara-piarahamonina sady manam-pahaizana ara-teknolojia avy ao Islamabad nisioka hoe:

Ho fahatsiarovana an'i Sabeen- ilay tsara tarehy, adala, ilay lalintsaina nanova ny foto-kevitry ny fifanakalozan-kevitra misokatra

Mpanoratra Britanika-Pakistaney efa nahazo loka, Kamila Shamsie, nisioka hoe:

Fahavaratra roa lasa izay, nilaza tamin'i Sabeen aho tany Londra mba hitandrina ary hoy izy: ‘tsy maintsy miady ny olona.’ Veloma, ry namana. Anisan'ny mahafinaritra indrindra amintsika ianao.

Nameno ny kaontiny pejy Facebook sy Twitter @sabeen ny fanomezam-boninahitra sy fanaovam-belona farany an'i Sabeen.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.