Fihaonana An-Tampon'ireo Ao Amerika : Any Amin'i Kiobà, Venezoela Ary Etazonia Daholo Ny Maso Rehetra

The Seventh Summit of the Americas will be held in Panama City, Panama on April 10-11, 2015.

Fangon'ny Fihaonana An-tampony Fahafito an'ireo Ao Amerika. Fihaonana an-Tampony, ny 10-11 Aprily 2015 tao ao Panama City, Panama.

Fanamarihana : Lahatsoratra amin'ny teny Anglisy nivoaka tamin'ny 10 Aprily

Hampisy tantara ilay Fihaonana an-tampony Faha fito an'ireo ao Amerika amin'ny fandraisana anjara voalohan'i Kiobà tao anatin'ny 50 taona, taorian'ny nampiatoana ilay nosy tsy ho ao amin'ny Fikambanan'ireo Firenena Amerikàna (OAS) ny taona 1962. Any Panama, hihaona voalohany ny Filoham-pirenenan'i Etazonia Barack Obama sy ny Filoham-pirenen'i Kiobà Raul Castro, hatry ny namerenana tamin'ny laoniny ny fifandraisana diplômatika teo amin'ireo firenena roa tonta ireo, .

Iray amin'ireo saritatra avy amin'ny gazety Panameana mikasika ny #SummitoftheAmericas (Fihaonanaantampon'ireoAoAmerika)

Amin'ity taona ity, filoham-pirenena miisa 35 no hanatrika ny fivoriana, ny 10 sy 11 Aprily, eo ambanin'ny teny faneva hoe “Firoboroboana arahan'ny Fitoviana: Ny Fanambin'ny Fiaraha-miasa ao Amerika.” Kanefa, hita ho mety haka ny laza ny fifandraisana vaovao Etazonia-Kiobà sy ny krizy any Venezoela ary mety ho fototry ny fifandirana mihitsy aza. Araka ny nosoritan'ny mpandray anjara ao amin'ny GV, Elaine Díaz, ao amin'ny lahatsoratra iray ao amin'ny Medium, Cumbre de las Américas: El impacto de las relaciones Cuba-Estados Unidos en las dinámicas hemisféricas (Fihaonana an-Tampon'ireo ao Amerika: Ny Vokatry ny fifandraisana Amerikàna-Kiobà eo amin'ireo fiainan'ny faritra):

El contexto económico y político de América Latina, los cambios en los escenarios institucionales de las organizaciones intrarregionales y el deshielo de las relaciones entre Cuba y Estados Unidos constituyen factores imprescindibles para comprender el desarrollo de la Cumbre de las Américas a celebrarse en los próximos días en Panamá.

Ny zava-misy ara-toekarena sy sosialin'i Amerika Latina, ireo fiovàn'ny andrim-panjakàna any anatin'ireo fikambanana iraisam-paritra ary ny fihafanàna'ny fifandraisana indray eo amin'ny Kiobàna-Amerikana dia zavatra tena manan-danja amin'ny fahatakarana ny fivoaran'ny Fihaonana an-tampon'ireo ao Amerika, izay hatao ato anatin'ny andro vitsivitsy ho avy izao any Panama.

Araka izany, inona ny zavatra andrasantsika amin'ilay Fihaonana an-Tampony?

Krizy Venezoelana

Hatreto, ho ampangain'ny vondron'ireo efa filoha Amerikana Latina teo aloha ny hitan'izy ireo ho toy ny “fanakorontanana demôkratika” any Venezoela, mba ahitàna “làlana hafa” ho an'ny kirizy Venezoelana.

Ny volana lasa teo, ny governemanta Amerikana dia nampihantona ireo visas (taratasy fahazoan-dàlana) ary nanitsoka ireo kaonty Amerkàna an'ireo Venezoelana mpiasam-panjakàna ambony miisa fito izay nampangaina ho nanitsakitsaka ny zon'olombelona nandritra ny fihetsiketsehana tamin'ny Febroary 2014. Ireo fihetsiketsehana ireo, izay nihantsy ny Filoham-pirenena Venezoelana Nicolas Maduro, dia nahafatesana olona 40 ary nandefasanaany am-ponjaireo filohan'ny mpanohitra.

Na izany aza, nisy vokany iray hafa ireo sazy. Ireo fanambaràna milaza fa “loza mitatao” ho an'ny filaminan'i Etazonia i Venezoala dia nahatonga fiahiahiana tao amin'ny faritra manoloana ny fitsabahana amin'ireo olana anatiny. Nanararaotra io ny governemanta Venezoelana mba hanaovana hetsika mba hanangonana sonia miisa 10 tapitrisa hitakiana ny Filoham-pirenena Amerikana Obama mba hampitsahatra ireo sazy. Nanjohy io Hetsika io ireo olona ao amin'ny media sosialy, amin'ireo tenifototra #ObamaDerogaElDecretoYa (“Obama, foano izao ilay didim-panjakana”) sy VamosXLos10millones (Andao angonina ireo 10 tapitrisa ireo):

Miasa tsy ankijanona ho an'ny fiarovana ara-tsakafo. Andao angonina ireo 10 tapitrisa ireo, izay manamafy ny finiavantsika ho afaka

Manao sonia manohitra ilay didim-panjakana [Amerikàna] ny delegasiôna diplômatika Kiobàna any Venezoala

Eny an-tsefantsefan'ireny fihenjanana ireny, hihaona amin'i Maduro i Obama rehefa any Panama.

Ho resahana aminà fihaonana manokana fotsiny ao amin'ilay fihaonana an-tampony ny resaka ilazàna hoe misy fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Venezoela, ary ilay taratasy izay nosoratan'ireo filoham-pirenena maherin'ny 20 isa, miampanga ny satan'ny demôkrasia ao amin'ny firenena. Fanampin'izany, tsy hisy ireo fihaonana ireo raha tsy manolotra io ny Filoham-pirenena Panamaneana Juan Carlos Varela ary heken'ireo filoha ambiny io.

Ilay faritra

Raha azoantoka fa hisintona fijery be dia be i Venezoela mandritra io fihaonana an-tampony io, mpisera amin'ny Aterineto maro no mihevitra toa an'i La Divina Diva mpampiasa Twitter sahala amin'izao:

Ny tokony ho izy, mandritra ny Fihaonana an-tampon'ireo ao Amerika, tsy tokony hiresaka momba ny firenena iray manokana izy ireo, fa mikasika ireo olana faoben'ny faritra #MyOpinion (Nyhevitro)

Hotsidihan'ireo olona mpandraharaha ihany koa i Panama amin'ny Fihaonana an-tampony faha II an'ireo Tale Jeneralin'ireo ao Amerikà, atao miaraka amin'ny fihaonana an-tampony izay hifampiresahan'ireo mpandray anjara momba ny zavatra afaka atao ara-barotra sy fampiasana vola, izay afaka hanatsara ny sosialy sy hampitombo ny toekaren'i Amerika Latina.

Andrasana hanatrika ao ihany koa i Mark Zuckerbeg, mpamorona ny Facebook:

Ho ao amin'ilay Fihaonana an-Tampon'ireo ao Amerika i Mark Zuckerberg, tompon'ny Facebook, ary handefa ny Aterineto.org http://t.co/1rqkjKsuQR

Araka ny nolazain'i Rodrigo Pardo, talen'ny mpamoaka lahatsoratra ao amin'ny gazetiboky Semana, ho hita ao Panama ireo filoham-pirenena teo aloha, mpanao gazety, vadin'ireo gadra politika ary ireo Tale Jeneralinà Orinasa, kanefa tsy ho anisan'ny laharam-pahamehana mandritra ilay fihaonana an-tampony ofisialy ireo zava-mitranga mikasika ny zon'olombelona, gadra politika, famerana ny fahalalahana miteny ary ny fitombon'ny jadona ao Venezoela (na ao Nikaragoa, na ao Bolivia, na ao Ekoatora).

Tsipihan'i Rodrigo Pardo (avy ao amin'ny gazetiboky Semana) fa ho lasa lavitra noho ny fankalazana ofisialy ny zavatra tena manan-danja amin'io fihaonana an-tampony io.

Manana kaonty ao amin'ny Instagram ny Fihaonana an-Tampony, izay hampisehoana ireo sary sy lahatsary. Ao amin'ny Twitter, afaka arahana amin'ny #SummitoftheAmericas na ny #CumbreDeLasAméricas amin'ny fiteny Espaniola ireo resadresaka. Afaka mijery vaovao misimisy kokoa ihany koa  amin'ny rohy nomena ao amin'ny kaonty Twitter TeleSur, ary amin'ny media hafa izay nanaraka ny tantaran'ny fihaonana an-tampony araka ny fizotrany:

Ireo rehetra tsara ho fantatrao momba ny Fihaonana an-Tampony faha VII an'ireo ao Amerikà

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.