Mitsangana Hanohitra Ny Herisetra Ara-nofo Taorian'ny Fanafihana Nandritra Taombaovao ny Bangladeshita

Online protests against sexual assault in Bangladesh Photo: হোক প্রতিরোধ (Women Action) Used with permission.

Hetsika antserasera manohitra ny herisetra ara-nofo ao Bangladesh. Sary: হোক প্রতিরোধ/Hok Protirodh (Andeha Hanohitra) Nahazoan-dalana.

Nanatontosa fihetsiketsehana tao amin'ny aterineto sy ivelan'ny aterineto ao Bangladesh ny olona taorian'ny fametavetana sy fampijaliana ireo vehivavy maro tao amin'ny Oniversiten'i Dhaka nandritra ny fankalazana ny Taombaovao Bengali.

Tsy vitany hoe mampalahelo ny zava-nitranga ny harivan'ny 14 Aprily, 2015 tao Dhaka fa manafintohina ihany koa. Nampiseho vondron-dehilahy 30 hatramin'ny 40 misetrasetra sy mametaveta  vehivavy manodidina ny 20 teo tao amin'ny zaridainan'i Shuhrawardy Udyan akaikin'ny faritra Foiben'ny Mpianatra sy ny Mpampianatra rehefa handeha hody any an-trano avy nankalaza ny Taombaovao ny lahatsarin'ny fahitalavitra amin'ny “fantsona mikombona” iray .


Niezaka niditra an-tsehatra ireo sasany nahita maso, iray amin'izany ilay mpikatroka Liton Nandi. Tapaka ny sandriny nandritra izany ary hoy izy tamin'ny bdnews24.com:

one woman fell down when the rouge youths started assaulting her and tried to take her clothes off in public. They started beating me when I tried to save her. I collapsed too and broke my arm during the attack.

Nianjera ny vehivavy iray raha nanomboka nisetrasetra taminy sy niezaka nanala ny ankanjony imasom-bahoaka ireo tanora jiolahimboto. Nanomboka nidaroka ahy izy ireo raha niezaka namonjy ilay vehivavy aho. Safotra koa aho ary tapaka nandritra ny fanafihana ny sandriko

Nilaza ny manampahefana tany am-boalohany fa tsy nahafantatra na inona na inona momba ny herisetra, na dia azo sary (lahatsary) aza ny zava-nitranga teo anoloan'ireo olona an-jatony ary teny an-toerana ihany koa ny polisy nandritra ny fotoana nandaminana ny vahoaka. Dimy andro tatỳ aoriana, niaiky ny fisian'ny fanafihana ihany ny polisy, saingy tsy nanome lanja izany. Nampahafantatra ihany koa izy ireo fa nitono-tena tany amin'ny polisy ny iray tamin'ireo nahavanon-doza saingy navotsotra avy eo. Nanome baiko ny inspektera jeneralin'ny polisy sy ny Filoha lefitry ny Oniversiten'i Dhaka ny Fitsarana Avo ao amin'ny firenena mba handefa tatitra mikasika izay dingana noraisina hanasaziana ny meloka.

Raha tsy nahita sy tsy nahasambotra na dia iray tamin'ireo nahavanon-doza aza ny mpitandro filaminana, nandinika lalina ny sary sy ny endrik'ireo mpanafika ny mpisera Facebook sy Twitter.

Online protests continues over sexual assault in Bangladesh Photo: হোক প্রতিরোধ/ Hok Protirodh

Hetsika antserasera manohitra ny herisetra ara-nofo ao Bangladesh. Sary: হোক প্রতিরোধ/Hok Protirodh (Andeha Hanohitra) Nahazoan-dalana.

Niteraka hatezerana ny zava-nitranga, ary naneho ny fahatezerany tamin'ny fihetsiketsehana amin'ny endriny vaovao ny sasany. Notampenan'ny mpianatry ny Oniversiten'i Dhaka ao amin'ny Ivontoeran'ny Fampianarana Zavakanto Tsara ny tobin'ny polisy Shahbag ary nasehon-dry zareo ho manao fitafiam-behivavy, miravaka haban-tanana sy mitondra vatomamy fitsentsitra ny polisy ho fanoherana ny tsy fandraisan'izy ireo andraikitra manoloana ny raharaha.

Tao amin'ny haino aman-jery sosialy, niparika ny lahatsary sy ny sary ahitana ireo olona maneho fahatezerana manoloana ny tsy fihetsehan'ny manam-pahefana sy ny tsy fandraisan'andraikitr'ireo nanatri-maso. Nandefa lahatsary misy feo, izay efa nojeren'ny olona maherin'ny 150 000 ilay olo-malaza Mumtaheena Buni Toya.
Translation: #Boishakhi Burkha - Fashion of the future - And still the victim gets these comments - "Haram Burkha", "The eyes are visible", "You can see the hands", "foreign culture", "The Burkha has Hindu designs".   Image via

Dika teny: #Boishakhi Burkha – Lamaodin'ny Hoavy – Ary mbola mahazo ireo fanehoan-kevitra ireo ny niharam-boina – “Haram Burkha”, “Hita tsara ny maso”, “Hitanao tsara ny tanana”, “kolontsaina vahiny”, “Manana endrika Hindu ny Burkha”. Sary tao amin'ny হোক প্রতিরোধ/Hok Protirodh (Andeha Hanohitra) Nahazoan-dalana.

Pejy vondrona Facebook marobe no natsangana, anisan'izany ireo antsoina hoe  ‘hok protirodh‘ (Andeha Hanohitra) sy ny Stand By Her, [Mijoroa eo anilany] mangataka amin'ireo vehivavy hitsangana hanohitra ny herisetra ara-nofo.

Manome Tsiny Ny Niharam-boina

Naneho ny fahasorenany tao amin'ny lahatsary Facebook amin'ny toe-tsaina tokony hanomezana tsiny ny vehivavy iharan'ny fanafihana i Aantaki Raisa:

“ও অমন কাপড় ক্যান পরছে? ওরা ওইখানে ক্যান ছিল? ইজ্জত বাঁচাইতে চাইলে অমন জায়গায় যাইত না।” ধর্নষকারীদের মধ্যে ভিক্টিম ব্লেমিং খুবই কমন মেন্টালিটি। ভিক্টিম ব্লেমিং জিনিসটা অনেকটা এরকম: ধরেন আপনার বাসায় ডাকাতি হইছে এবং মানুষ বলতিসে…ভাই এত দামী জিনিস ক্যান কিনসিলেন?টাকা পয়সা বাসায় ক্যান, ব্যাংকে সব রাখা উচিত, কার্ড ইউজ করবেন… ভাই বাসায় পুলিশ রাখলে এমন হইত না। ভাই এখানে ক্যান বাসা নিতে গেলেন? ডাকাতের কাছে নিজের সম্পত্তি হারায় এমন কথা শুনলে কেমন লাগতে পারে? ভাবেন একটা মানুষ যখন ধর্ষিত হয়, তার শরীরের সবচেয়ে সেনসিটিভ জায়গা যখন ক্ষতবিক্ষত হয়, তখন তাঁর এমন কথা শুনে কেমন লাগতে পারে। যখন রাস্তা ঘাটে অন্যের হাত এসে আপনার কাড়প টেনে ছিঁড়ে ফেলে, তখনই বা এমন কথা শুনলে কেমন লাগে?

Nahoana no mitafy akanjo toy izao izy? Nahoana izy ireo no tany? Raha niahy ny voninahiny izy ireo dia tsy tokony nankany amin'ny toerana tahaka izany.” Zavatra mahazatra eo amin'ireo mpanolana izany - manome tsiny ny niharam-boina. Toy izaony lojikan'izy ireo: ohatra, voaroba ny tranonao ary mibedy anao ny olona noho ny fananana zavatra lafo vidy. Tokony tehirizinao any amin'ny banky ireo zava-tsarobidy rehetra .. karatra fakàna vola na fandoavam-bola ihany no ampiasao tokony nanakarama mpiambina any an-trano ianao. Avy eo tohizan’izy ireo hoe .. nahoana no manofa trano eto amin'ity faritra tsy milamina ity ianao? Ahoana no fihetseham-ponao taorian'ny fandrobana ny fanananao? Ataovy sary an-tsaina fotsiny hoe voaolana ny tovovavy iray, maratra ny taova saropadin'izy ireo, ahoana no ho fihetseham-pon'izy ireo raha mahare lojika tahaka izany? Raha iharan'ny herisetra eny an-dalambe ny tovovavy ary rovitra ny fitafian'izy ireo, ahoana no fihetseham-pon'izy ireo raha milaza zavatra tahaka izany ianao?

Avy amin'ny vondrona mahery fihetsika ara-pivavahana, izay nahazo vahana tao Bangladesh tao anatin'ny taona vitsy ny sasany amin'ireo lahateny fanomezan-tsiny ny niharam-boina. Nilaza i Shafi Ahmed Shah, lehiben'ny vondrona Islamika fondamentalista Hefazat-e-Islam fa nitranga ny herisetra satria tsy maotina amin'ny fitafiany ireo vehivavy. Nanome tsiny ny fampianarana miaraka ihany koa izy ary nandrisika ny fisarahan'ny lehilahy sy ny vehivavy amin'ny toeram-pampianarana na ny toeram-piasana

Nanome tsiny ny herisetra ara-nofo amin'ny hafanam-po tafahoatra ara-pivavahana sy ny rafitra anjakazakan-dehilahy kosa ny lehiben'ny Vaomieram-pirenena misahana ny Zon'Olombelona ho setrin'izany.

Students create a banner with black handprints as they rally around Dhaka University to protest incidents of sexual harassment on the campus during Bengali New Year celebrations. Image by Sk. Hasan Ali. Copyright Demotix (20/4/2015)

Namorona faneva ahitana mariky ny tanana miloko mainty ny mpianatra tamin'izy ireo nanao fihetsiketsehana manodidina ny Oniversiten'i Dhaka mba hanohitra ny zava-nitranga amin'ny “herisetra ara-nofo tao amin'ny tobim-pianarana nandritra ny fankalazana ny taombaovao Bengali. Sary avy amin'i Sk. Hasan Ali. Zon'ny mpamorona Demotix (20/4/2015)

Nilaza ny mpanoratra gazety zokiolona, Farzana Rupa fa nahazo fandrahonana ho faty avy amin'ny olona milaza ny tenany fa lefitry ny lehiben'ny fikambanana mpioko Islamika izy minitra fohy taorian'ny fandefasan'ny fahitalavitra Ekattor ny tatitrany momba ny fanafihana tamin'ny 18 Aprily. Nanadihady lahatsary maharitra adiny iray nalain'ny fahitalavitrairay ao amin'ny  “fantsona mikombona” napetraky ny polisy tao amin'ny toeram-pianarana ilay fahitalavitra

Raha ireo mahery fihetsika ara-pivavahana no tena ao ambadik'ity fanafihana nomanina ity, dia tsy vao voalohany ny fetin'ny Taombaovao, izay lazaina ho mifanohitra amin'ny kolontsaina silamo no nanjary lasibatra. Tamin'ny 2001, namono olona sivy tao amin'ny renivohitra akaiky ny Oniversiten'i Dhaka ny fanapoahana baomba iray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.