Volavolan-Dalàna Momba Ny Heloka Antserasera Ao Tanzania: Fahefana Bebe Kokoa ho an'ny Polisy, Kely Kokoa ho an'ny Vahoaka

A young man using his

Tovolahy manoratra hafatra amin'ny finday ao Dar Es Salaam, Tanzania. Sary avy amin'i Pernille Baerendtsen, nahazoan-dalana.

Nandray anjara tamin'ny fanoratana ity lahatsoratra ity i Pernille Baerendtsen.

Nodinihana tao amin'ny Parlemanta Tanzaniana tamin'ny 1 Aprily 2015 ny lalànan'ny heloka antserasera izay mikendry hiady amin'ny sarin'ankizy atao vetaveta, fandrahonana antserasera, fangalarana anarana antserasera, famokarana vontoaty  manavakavaka sy mankahala vahiny, hafatra mahasorena (spam), fidirana anaty fifandraisana tsy ara-dalàna, ary famoahana vaovao tsy marina - ao anatin'ny lalàna iray avokoa izany rehetra izany.

Nandritra ny fivorian'ny parlemanta, volavolan-dalàna telo hafa ihany koa no nampahafantarina: Ny Fahazoam-baovao (ATI), ny Raharaha Fampitam-Baovao ary Lalàna momba ny antontanisa. Na izany aza, zava-baovao ny volavolan-dalàna momba ny heloka antserasera ary niteraka adihevitra eo noho eo ny kinova momba izany nalefa tao amin'ny aterineto (fa tsy ny kinova farany).

Toy ny any amin'ny firenena maro hafa, mampatahotra hatrany ny hosoka antserasera ao Tanzania sy ny fisolokiana ara-bola. Saingy mandrakotra zavatra betsaka noho izany ilay volavolan-dalàna. Ankehitriny, nalefa tao amin'ny parlemanta ny volavolan-dalàna na dia eo aza ny tsikera avy amin'ny mpanao politika mpanohitra, avy amin'ny zatra haino aman-jery sosialy ary ny mpikatroky ny zon'olombelona. Milaza ny mpitarika mpanohitra ny lalàna avy ao amin'ny fiarahamonim-pirenena fa hitory ny governemanta izy ireo raha manasonia ny volavola ho lasa lalàna ny filoha. Nahamarika ny maro amin'ireo andininy tena mampanahy maromaro ao amin'ny volavolan-dalàna mahakasika ny mpiserasera ny The Citizen, gazety iray ao an-toerana.

Tamin'ny fanadihadiana ho an'ny CIPESA, vondrom-paritra iray misahana ny politikan'ny Teknolojiam-baovao sy ny fifandraisana, dia nanoratra ilay mpanao gazety Ogandey sady mpandalina Juliet Nanfuka fa tokony ho ny fiarovana ny zon'ny olom-pirenena amin'ny aterineto no tanjona voalohan'ny volavolan-dalàna momba ny heloka antserasera. Saingy ny hitany dia fampisehoana “tsy firaharahiana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalahana maneho hevitra, [Fanomezana] fahefana mihoampapana ho an'ny polisy, ary [famerana] ny fiarovana omena ny olon-tsotra.”

Mametraka ho tsy ara-dalàna ny vaovao mitarika ho amin'ny fahadisoana, mamitaka na diso” ny volavolan-dalàna, fepetra izay nomarihan'i Nanfuka fa maneho fandrahonana miharihary ny fanehoan-kevitra malalaka sy tsy voasakatsakana amin'ny aterineto. Manome fahafahana goavana ho an'ny polisy hikarohany ny tranon'ireo izay ahiahiana ho mandika lalàna, maka ny ny rindrambainga elektronika, ary mitaky ny tahirin'izy ireo any amin'ny mpanome tolotra aterineto izany. Nilaza i Aidan Eyakuze sy Ben Taylor, izay samy miasa amin'ny tetikasa Afrikanina Tatsinanana mahaleotena Twaweza fa manome fahefana be loatra hoan'ny polisy ny volavolan-dalàna kanefa tsy misy fanarahamaso mivaingana avy amin'izany :

…the bill gives even very junior police officers the power to search and/or seize any computer equipment or data, including the content of messages, with no meaningful justification required or oversight provided. This includes demanding information from internet service providers and mobile phone networks.

Manome fahefana hatramin'ireo polisy tsy manamboninahitra mihitsy aza ilay volavolan-dalàna hikarohany sy/na hakany izay vainga [solosaina] na tahiry informatika, anisan'izany ny votoatin-kafatra, nefa izany tsy mitaky fanamarinana mazava na mahaantoka fanaharahamaso. Tafiditra amin'izany ny fitakiana torohay avy amin'ireo mpanome tolotra aterineto sy tambajotra finday.

Nanamarika i Thinklessactmore Bilaogera Tanzaniana fa afaka mampiasa ny lalàna mba “hanorisorenana ireo mpikatroka antserasera amin'ny anaran'ny ahiahin’ny fandrahonana antserasera tsy mila [dingana’] ara-pitsarana” ny polisy. Nilaza ilay mpisera Twitter Sultan Rajab, mpanolo-tsaina momba ny haba sy ny vola ao Tanzania fa tsara ilay volavolan-dalàna, saingy mampanahy azy ny fahefana atolony ho an'ny polisy :

@JMakamba it is a good bill/law. I am worried about the power given to our police. Ignorant & low income earners might suffer.

— Sultan Rajab (@SultanKipupwe) April 1, 2015

Tsara ilay Lalàna/volavolan-dalàna. Miahiahy ny fahefana omena ny polisintsika aho. Mety hijaly ireo kely fidiram-bola sy ny tsy mahalala

Manameloka ny fandefasana vaovao “manelingelina” alefa amin'ny fitaovana elektronika ihany koa ny volavolan-dalàna. Raha natao hiadiana amin'ny spam sy ny famitahana (“phishing”) ity lalàna ity, nefa azo raisina ho midadasika kokoa. Maria Sarungi Tsehai, manam-pahaizana manokana momba ny fifandraisana sady mpanorina ny fikambanana Change Tanzania, nanontany hoe:

@jpb4rretto: @MariaSTsehai How is any message transmitted with solicitation? Call me and ask me to write you and email? #CyberCrimeBill

— Maria Sarungi Tsehai (@MariaSTsehai) April 2, 2015

Ahoana izany hoe hafatra notadiavina [tsy manelingelina] izany? Antsoy aho ary iangavio aho hanoratra any aminao sy handefa mailaka

Ny Volavolan-dalàna momba ny Heloka an-tserasera dia misy ifandraisany amin'ireo volavolan-dalàna vaovao efa voalaza eo ambony momba ny Fahazoam-baovao, ny Raharahan'ny Fampitam-baovao ary ny Antontanisa – ary ireo rehetra ireo dia mety hisy fiantraikany ratsy eo amin'ny fahalalaham-pitenenana ao Tanzania. Saingy tsy tahaka ny Volavolan-dalàna momba ny Heloka Antserasera, fa samy tsy nozaraina tamin'ny vahoaka tamin'ny firafiny ankehitriny ireo volavolan-dalàna telo ireo.

Mizara ny heviny mikasika ny antony  mahatonga ny governemanta Tanzaniana tsy hamoaka izany volavolan-dalàna izany amin'ny vahoaka kanefa manafaingana ny fizotry ny fampandaniana azy ny mpaneho hevitra ao amin'ny haino aman-jery sosialy sy ny mpanao gazety. Manontany ny sasany raha noho i Tanzania miomana amin'ny fifidianana amin'ny volana Oktobra 2015 no mahatonga izany. Tao anatin'izay taona vitsy izay, niatrika ny fitomboan-kerin'ny antoko mpanohitra ny antokon'ny Fitondrana Tanzaniana, Chama Cha Mapinduzi (CCM). Ao anatin'izany, niatrika fandrahonana sy herisetra ihany koa ireo mpanao gazety sy ny fampitam-baovao.

Tao amin'ny bilaogin'ny Washington Post, nilaza i Keith Weghorst sy Ruth Carlitz fa “mifanaraka amin'ny fitondran-tenan'ny antokon'ny fitondrana vonona hihazona ny fahefana amin'ny fomba rehetra ny fanafainganana ny fandaniana ny volavolan-dalàna.” Hoy izy ireo nanoratra, “Arakaraky ny ahafahan'ny governemanta mampalemy ny tsikeran'ny mpanohitra – amin'ny alalan'ny fanaovana ampihimamba ny fivezivezen'ny vaovao – no mampijoro azy ireo tsara kokoa hisoroka ny fanafintohinana sy ny zava-bita tsy mamely mety hanimba azy ireo amin'ny fifidianana.”

Gaga i Thinklessandactmore fa tonga saina ny amin'ny tokony handaminana ny fampiasana ny aterineto i Tanzania, saingy nilaza koa izy fa nohafainganina tao amin'ny parlemanta ny volavolan-dalàna:0

It’s important to have [a] law that would regulate online activities and the use of internet but it should be done in a right way. There is no hurry in having such law; there was none in the past 53 years of independence. If it takes one or two years to have a better cyber-crime law be it so, let’s conduct enough research on the issues; collect different opinions about the bill before it is present in the parliament.

Zava-dehibe ny manana [ny] lalàna mandamina ny zavatra atao ao amin'ny aterineto sy ny fampiasana aterineto, saingy tokony hatao amin'ny fomba mety izany. Tsy misy mahamaika ny hametrahana lalàna tahaka izany; tsy nisy na inona na inona nandritra ny 53 taonan’ny fahaleovan-tena. Raha mila herintaona na roa ny fananana lalàna momba ny heloka bevava an-tserasera tsara kokoa, dia avelao handeha araka izany, andeha hanao fikarohana ampy momba ity lohahevitra ity, manangona ny hevitra isan-karazany momba ny volavolan-dalàna alohan'ny hanolorana azy ao amin'ny parlemanta.

Lwanda Magere, injenieran'ny rindrambaiko niampanga ireo tompon'andraikitra ho mampiasa tetikadin'ny “dika petaka:

Cyber Crime Bill Tanzania: copied and pasted, almost zero ability to implement.

— Lwanda Magere (@nndekindo) April 7, 2015

Lalànan'ny Heloka Antserasera ao Tanzania: natao dika-petaka, aotra ny fahaizana manatanteraka.

Nizara sary am-pamazivaziana ahitana ny isan'ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta izay nandany ny volavolan-dalàna ilay bilaogera Tanzaniana PATO:

These are your MPs that passed the #CyberCrimeBill y'day! Vote wisely in October fellas! pic.twitter.com/pEScSHYYPZ

— PATO♠️ (@PatNanyaro) April 2, 2015

Ireo ny solombavambahoakanareo izay nandany ny Lalàna momba ny Heloka Antserasera! Mahaiza mandanjalanja rehefa hifidy amin'ny Oktobra ry zalahy!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.