Arabia Saodita : Mifarana Ny Fanafihana An'Habakabaka Ao Yemen

'Breaking - Coalition's SP: "End of OpDecisiveStorm doesn't mean ceasefire" ..what did I just tell ya! #Yemen ," tweets @Omeisy

‘Vaovao mafàna – Sekreteran'ireo mpiaradia: “Tsy midika fitsaharan'ny fifampitifirana ny fiafaràn'ny OpDecisiveStorm” ..tsy efa niteny taminareo ve aho e! #Yemen ,” hoy ny bitsik'i @omeisy

Nanambara i Arabia Saodita androany fa natsahany ny fanafihana an'habakabaka nataony tao Yemen, taorian'ny “nahatratrarany ny tanjony ara-tafika.”

Tonga izao rehefa nisy olona 944 maty sy 3.487 naratra tao anatin'ny ady tany Yemen hatramin'ny 26 Martsa nanombohan'i Arabia Saodita hetsika ara-miaramila hamelezana ny firenena. Tohanan'ireo mpiara-dia aminy ao amin'ny Golfa Persika, Ejipta, Jordania, Maraoka, Tiorkia ary Sodana, nanomboka fanafihana an'habakabaka ry  Arabia Saodita, nomeny anarana hoe “Tafiotra tsy iadian-kevitra”, hamelezana ireo mpiadin'ny Houthi izay naka ny fifehezana an'i Yemen tamin'ny Janoary.

Na dia ny fandarohana baomba ireo fotodrafitrasa ara-tafika sy ny fitehirizana fitaovam-piadiana aza no nokendrena tamin'ilay “Hetsika Tafiotra tsy iadian-kevitra”, mba hamoretana ireo Houthi mpihoko tohanan'ilay filoha naongana, Ali Abdullah Saleh, dia niteraka fahafatesan'olona maro, famindran-toerana sy faharavana nanerana ny firenena ireo fanafihana. Na teo aza ny isa marobe nanaovana fanafihana nandritra iny volana lasa iny, niely nankany atsimo ary niha-mafy ny herisetran'ireo Houthi/Saleh, singanina manokana ny tao Aden, nahafatesany olon-tsotra marobe sy naharavana toeram-ponenana tany amin'ny manodidina mihitsy aza.

Nilaza i Arabia Saodita fa mitarika “Hetsika Ho Famerenana ny Fanantenana” izy ankehitriny, izay ikendrena ny hahitàna vahaolana politika ao amin'ity firenena vao avy nodarohany baomba ity.

Tsy mitsitsy vava avoaka ilay Yemenita, Nasser Maweri, rehefa naneho voalohany ny heviny momba ilay vaovao :

Andraso kely aloha! Namotika fotsiny ny hery ara-tafik'i #Yemen ireo mpiara-dia = manakana ny houthis tsy hanohintohina ny KSA! Ady “HAMONJENA AN'I YEMEN” ahoana ?

PT : Ny vodin-dry zareo Saodiana fotsiny no novenjena tamin'io ady io tsy ho voan'ny fandrahonan'ireo Houthis! Tsy misy na inona na inona mahakasika an'i Yemen io! Vonoinareo ny Yemenita mba hamonjenareo ny tenanareo fotsiny

Ary ilay Yemenita bilaogera, Noon Arabia, miteny fa resaka fihetsiketsehana sy kobaka am-bava fotsiny ny fanovàna ny anaran'ilay hetsika:

Hovaina anarana ny ady ao Yemen, tsy ho “Hetsika tsy iadian-kevitra intsony” fa “Hetsika Ho Famerenana ny Fanantenana”. Tsy midika izany fa hisy ny fitsaharan'ny poabasy

Ao anaty bitsika iray hafa, zarainy ny taham-pahafatesana vokatr'ilay ady hatreto:

Ampy izay ny ady ao #Yemen satria misy vidiny ny ain'ny tsirairay

Adam Baron, mpanao gazety manaraka ny raharaha Yemen ary nonina tany tamin'ny 2011 hatramin'ny 2014,dia miteny fa aloha loatra ny hilazana izay mety ho entin'ny ampitso. Hoy izy mibitsika :

Raha ny hevitro, tena aloha loatra ny hilazana fa hoe io no fiafaran'ny ady ao #Yemen. Ny fotoana no hilaza amintsika ny fandehan-javatra

Manazava izy :

Raha tokony ho ny fiafaràn'ny ady, dia milaza dingana hafa–sy endrika hafa fotsiny ihany amin'ny mety ho fitrangan-javatra henjana kokoa (tahaka ny azo inoana?) ilay fanambaràna androany

ilay Palestiniana, Lina Alsaafin, mibitsika hoe :

Nanambara ny fitsaharan'ny fanafihana ara-tafika ao#Yemen i Arabia Saodita. Mampitràka ny mahafantatra hoe tsy tratrany ny tanjony saingy namoizana olon-tsotra an-jatony

Avy any Bahrain, Abu Omar Al Shafee manamarika fa:

Hetsika Tafiotra tsy iadian-kevitra: tampoka no nanombohany ary tampoka no niatoany

Tsy tokony hampiahiahy ny olona io toe-draharaha io, hoy i Ammar Al-Aulaqi:

Ireo izay taty aoriana no nanaraka ny raharaha Yemen&ary miasa saina fatratra; mangorintsina, avy any aho&niaina io zava-doza io nandritry ny fiainako manontolo. Mbola toy ny very

Na izany aza, ireo Yemenita mpisera ety anaty aterineto dia mitohy mibitsika momba ny fahenoany fanafihana an-habakabaka eny an-danitr'i Sana'a renivohitra.

i Baron, mpanao gazety, mibitsika hoe :

Izay izany, tatitra momba ny fanafihana an'habakabaka an'i Sana'a amin'izao fotoana izao indrindra…50 minitra taorian'ny nilazana tamin'ny fomba ofisialy ny fitsaharan'ilay “Tafiotra tsy iadian-kevitra”

Mazen Al-Hebshi miteny hoe :

Manomboka mamaly tifitra ireo fitaovam-piadiana fitifirana fiaramanidina ao #Sanaa #Yemen

Ary Mohammed Al-Assadi manampy hoe:

Fipoahana mafy& tifitra totoafo ataon'ny mpiaro habakabaka izao any amin'ny faritra andrefan'i #Sana. Ora iray indray hidirana amin'ny dingana manaraka ve? #Yemen #Fandriampahalemana

Hitondra fanantenana ho an'ny Yemenita ve ity fanovàna ny anaran'ny hetsika ity?


Vakio koa (Anglisy):


Electricity, Food and Fuel Shortages Increase Suffering of Yemenis as Saudi-Coalition Bombs Continue to Fall


‘We Walk Around Death,’ Tweets a Yemeni Blogger About the Horrors of War

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.