Ejipta : Voaheloka Higadra 20 Taona noho ny “Fandrahonana sy Herisetra” Tamin'ny Mpanao Fihetsiketsehana ny Filoha teo Aloha Morsi

A banner which reads: "The revolution continues; Morsi will be back," seen in Giza this morning. Photograph shared on Twitter by @Ikhwanweb, the Twitter account of the Muslim Brotherhood in Egypt

Sora-baventy mivaky hoe: “Mitohy ny tolona; hiverinai Morsi,” hita tao Giza androany maraina. Saripika nozaraina tamin'ny Twitter avy amin'i @Ikhwanweb, kaonty Twitter an'i Mpirahalahy Miozolomana ao Ejipta

Nomelohin'i Ejipta higadra 20 taona an-tranomaizina omaly, fa “meloka ho nanao fandrahonana sy herisetra” tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny 2012 ny filohany voafidim-bahoaka voalohany Mohammed Morsi. Noafahana madiodio kosa izy tamin'ny vesatra mifandraika amin'ny famonoana mpanao fihetsiketsehana.

Morsi, izay mpikambana ao amin'ny Mpirahalahy Miozolomana, no filohan'i Ejipta nandritra ny herintaona taorian'ny revolisiona izay nanongana an'i Hosni Mubarak, izay nitondra an'i Ejipta nihoatra ny 30 taona. Tapaka tampoka ny fitondran'i Morsi tamin'ny Jolay 2013, taorian'ny fihetsiketsehana faobe izay niantso ny hanesorana azy eo amin'ny fitondrana. Avy eo nandray ny fifehezana ny Tafika Ejipsiana, teo ambany fitarihan'ny Komandin'ny Tafika Ejipsiana sady Minisitry ny Fiarovana, ny Jeneraly Abdul Fattah El Sisi, izay voafidy ho filoha vaovaon'i Ejipta taty aoriana.

Misioka ny fizotry ny fitsarana ny mpanao gazety monina ao Kairot Bel Trew:

Mpitarika ny Mpirahalahy Mohamed El-Beltagy, Essam El-Erian ary Abdel-Arty  mitsiky, manofahofa tanana ary miarahaba araka ny fomba Rabaa (manandratra rantsa-tanana efatra misaraka) ao anaty tranonkely voabara-vy

Nohidiana anaty tranokely bara-vy akaikin'ny biraon'ny mpitsara lavitry ny mpanao gazety ankehitriny i Morsi, sahirana ny mpaka sary hijery azy ao ambadiky ny polisy

Mihiaka aminy amin'ny alalan'ny rindrina tsy vakim-peo ireo mpitarika ny Mpirahalahy Miozolomana migadra sy nosaraha-toerana tamin'ny filoha naongana Morsi

Nampiany:

Mohamed Morsi – afaka madiodio famin'ny fandrisihana hamono olona avokoa ny voampanga rehetra – fa meloka kosa amin'ny fampitahorana, herisetra

Ho an'i Big Pharaoh, tokony ho lesona ho an'izay eo amin'ny fahefana amin'izao fotoana ny finoan'i Morsi. Hoy izy nanamarika:

2 taona lasa izay, nitondra ny Mpirahalahy Miozolomana, nandefa ny tanorany hanafika ny sit-in. Tokony ho lesona ho an'ny mpanohana ny tsy rariny ataon'ny fitondrana ankehitriny ny zava-nitranga.

Nampiany:

Tsy misy ifandraisany amin'ny fitsarana tena izy ny didim-pitsarana rehetra nivoaka, ny ifandraisany dia resaka valifaty sy adim-pisiana eo amin'ny vondrona roa

Notohizany:

Tamin'ny desambra 2012, nahita ny tanoran'ny Mpirahalahy Miozolomana miady amin'ny mpanao fihetsiketsehana sady arovan'ny fiaran'ny polisy aho. Izay no tsy anohanako didim-pitsarana teraka avy amin'ny fifaninanana ara-politika.

Niahiahy ny rafi-pitsarana ejipsiana i Tamer El-Ghobashy. Nilaza izy:

Nataon'ny rafi-pitsarana ejipsiana ho tsy misy dikany ny zavamisy. Tsy azo eritreretina ny mijery raharaham-pitsarana mba mitovitovy amin'ny fombafombam-pitsarana ara-dalàna #Morsi

Ary tsy very an-javony ny tsikombakomba ao amin'i Tweet Palestine, izay nanoritsoritra fampitahana:

Izany hoe mivoaka malalaka Mubarak rehefa nitondra tsi-refesi-mandidy nandritra ny 30 taona ary 20 taona no didy fanagadrana azon'i Morsi tena fahadalàna amin'ny tsy rariny ao amin'ny fitsarana ejipsiana

Mbola tsy vita ny miandry an'i Morsi, fa mbola mitohy ny fitsarana. Misioka ny mpanao gazety Hafsa Halawa:

Ataovy ao an-tsaina ny vesatra “henjana” kokoa ho nanao fitsikilovana sy nandositra an-tranomaizina mbola ho avy mandritra ny lohataona

Aza miala fa mitohy ny raharaha Morsi ao amin'ny Fitsarana Ejipsiana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.