Hong Kong: Mianara Zavatra Avy Amin'ny Pub (Toeram-pisotroana Mafampàna)!

Professor Jason Ng discussing Hong Kong’s food culture at the Kee Club. Photo from Raising the Bar. Use with permission.

Professor Jason Ng tao amin'ny Kee Club niresaka tamin'ireo mpianatra ny kolontsain'ny sakafo ao  Hong Kong. Sary avy amin'ny ” Raising the Bar”. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Ny alin'ny Talata 31 Martsa 2015, nidina avy eny amin'ny seza fiandrianany ireo manampahaizana ampolony mba hanome fampianarana ho an'ireo “mpianatra”  efa somary varimbarin'ny toaka tany amin'ireo toeram-pisotroana niisa folo manerana an'i Hong Kong afovoany.

Ampahany tamin'ny fandraisana andraikitra iray erantany nantsoina hoe “Raising the Bar” izy io, izay mikendry ny hametraka ny fanabeazana ho toy ny ampahany amin'ny kolontsaina malaza any an-tanan-dehibe. Ny tanjona, araka izay ambaran'ny tranonkalan'ilay fanentanana, dia ny hampakatra ny laharana misy ireo trano fisotroana mafampàna amin'ny kalitaon'izay zavatra jifain'ny olona amin'ny fiainany andavanandro.

Tamin'ny 2014 no nanomboka tany New York City ilay hetsika. Dimampolo avy eny amin'ny Anjerimanontolo no tonga nanome fampianarana taminà toerana dimampolo, miainga avy amin'ny trano fisotroana kafe ka hatramin'ireo fisotroana zava-pisotro mafampana. Joseph Stiglitz, isan'ny iray efa nahazo ny Loka Nobel no iray tamin'ireo manampahaizana izay niresaka momba ny vidin'ny tsy fitoviana. Niely nanerana izao tontolo izao ilay hetsika ary i Hong Kong no fahatelo amin'ireo tanàna Aziatika nampiantrano ity hettsika ity niaraka taminà manampahaizana folo taminà toerana folo nandritry ny alina iray:

Tianay ho asiana fanovàna ny fomba fihodina sy fiaraha-miasan'ny tanàna aorian'ny mody masoandro, amin'ny fampidirana ny fanabeazana ho ampahany amin'ny kolontsaina malaza ao an-tanàna ary fanovàna ny laza sy ny fahadisoam-pijery ny fiainan'i Hong Kong rehefa alina, amin'ny alàlan'ny fampakarana ny kalitaon'ny zavatra jifaina isanandro.

Miaraka amin'ny teny faneva “Anaovy Revolisiona ny Tanana,” tsy mahagaga raha iray tamin'ireo lohahevitra tamin'ny hetsika fanokafana ilay fandaharanasa ny hoe “Ho Ela Velona Ny Revolisiona! Araka izay hita ao anatin'ny Let the Bullets Fly – Avelao ny Lolo Hanidina“. Nizara ny eritreriny i Dr. Kristof v.d. Troost avy amin'ny Anjerimanontolo Shinoa ao Hong Kong momba ny revolisiona araka ny famaritan'ny lahatsary Shinoa azy.

Niaraka taminà adihevitra iray naompana tamin'ny revolisiôna, toeram-pisotroana iray hafa no nametraka lohateny toy ny hoe “Miala Aina Ve Ny Aterineto Mivelatra?” (nataon'ny Prof Lokman Tsui avy amin'ny Anjerimanotolo Shinoa ao Hong Kong), “Voninahitra, Henatra, ary  Fampizakàn-tena: Ny Dia lavitr'ezak'ireo Iharan'ny Herisetra An-Tokantrano Ho Any Amin'ny Fitoviana” (an'i Prof. Puja Kapai avy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Hong Kong), “Mandika Tononà Mozika: Ahoana Ny Fanazavàn'ny Fianarana Amin'ny Alalan'ny Solosaina ny Fomba Fankafizantsika Mozika sy Tenim-pirenena” (an'i Prof. De Kai avy amin'ny Anjerimanontolon'ny Siansa sy Teknolojia ao Hong Kong), ary “Ny Kolontsain'ny Sakafo ao Hong Kong eo Ambany Aloky ny Fanolorana ny Tanàna Ho An'ny Mpanambola” (an'i Jason Ng avy amin'ny Anjerimanontolon'i Hong Kong).

One night 10 talks in 10 venues. Photo from Raising the Bar. Use with permission.

Alina iray, resaka 10 taminà toerana 10. Sary avy amin'ny “Raising the Bar”. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Nitafa tamin'i Elson Tong, iray tamin'ireo mpikarakara ny hetsika, ny Global Voices. Nohazavain'i Tong ny antony maha-zava-dehibe an'io hetsika io ho an'i Hong Kong :

Miroborobo ao anatin'ny fandraisana andraikitra betsaka ho fanabeazana miainga avy eny ifotony, izay natomboka tato ho ato tao Hong Kong, ny  “Raising the Bar”. Raha ny tena izy, ireo hetsika politika no tena vainafo nanetsika azy. Manana ny zavatra ifantohany manokana ny hetsika tsirairay avy, saingy samy mamaly daholo ny fampahatsiarovn-tena iray hoe ananan'ilay tanàna ny otrikarena tokony hahalasa azy ho toerana ifandraisan'ireo kolontsaina, fanabeazana ary hevitra mitondra zava-baovao.

Endrika iray hafa manana ny lanjany ny hoe isika nitondra ilay hetsika niainga avy any ifotony, tsy nisy drafitra ary tsy nisy fanohanana ara-bola. Betsaka ny olona malala-tànana nanohana antsika tamin'ny sehatra samihafa. Tany amin'ny farany isika dia nahatsangana ‘Raising the Bar’ mifototra amin'ny lasitra iray ‘fanjifàna maharitra’, izay andefasantsika ny ampahany amin'ny karamantsika hiverina ho an'ny fiarahamonina, singanina manokana ireo mpanakanto ao an-toerana sy ireo mpanome endrika.

Izay indrindra,  ireo mpikarakara ny “Raising the Bar” tao Hong Kong dia nifanome tànana taminà fikambanana maro tsy miankina (ONG) sy ireo mpandraharaha vao misandratra mba hampiroborobo ny fisian'ilay hetsika sy hanorina ny vondrom-piarahamoniny. Tao anatin'ireo fikambanana mpifanolo-tànana ny EnrichHK, izay mikatsaka ny hanabe voho sy hampizaka tena ireo vehivavy mpila ravinahitra ao Hong Kong ary hanatsara ny fiainan'izy ireny, sy ny Project Little Dream, izay fikambanana iray mpanao asa soa manome endrika, manorina, ary mitantana sekoly eny ambanivohitra ao Takeo, Cambodia.

Profesora Lokman Tsui, iray amin'ireo mpandray fitenenana tamin'ny “Raising the Bar” tao Hong Kong, nilaza tamin'ny Global Voices hoe nanapa-kevitra ny handray anjara izy satria mino fa zavatra ilain'ny olona amin'ny fiainany ny fanabeazana ary tsy tokony hoferana ho any anaty efitranon'ny Anjerimanontolo ihany.

Mino aho fa ny fiarahamonina iray salama dia ny iray izay ahafahan'ny hevitra mivezivezy an-kalalahana, ahafahan'ny olona mifanakalo hevitra, miady hevitra ary mianatra avy amin'ny andaniny sy ny ankilany. Mino koa aho fa tsy voatery ho manara-drafitra be loatra ny fanabeazana na henjana be, fa afaka mirotsaka antsehatra, manome hery sy mahafinaritra — araka izany dia fanapahankevitra sarotra ho ahy ilay hanaiky nony nanontany ahy ny ‘Raising the Bar’.

Ao anaty fotoana maharitra dia ilaintsika ny manomboka mieritreritra ny fanabeazana ho toy ny fifanakalozan-dresaka, fa tsy toy ny kabary be fotsiny. Fiovàna ara-kolontsaina izany, ary zavatra iray anampian'ny Raising the Bar antsika hotanterahana sy hiroso hatrany.

Louie, mpandray anjara tamin'ny iray tamin'ireny hetsika ireny, no niteny fa vonona izy ny handray ity fomba vaovao fampiasàna ny toerana natao ho an'ny daholobe ity :

Nahazatra ahy fony nisaina ny hoe ‘Pub’ ny misaina hoe fisotroana, fakàna vehivavy, ary fidirana anaty sakoroka rehefa mamo. Tsy nosainiko velively ny hoe ny ‘pub’ dia afaka koa atao ho toerana iray hanaovana fifanakalozan-dresaky ny nahita fahalalàna.

Ireo hetsika tahaka ity no mahatonga ny tanàna hijoro hetsika marina sy hahay hamorona. Hong Kong, na eo aza ireo vaovao manahiran-tsaina izay mameno ny rivotra iainany tato ho ato, dia tanàna iray izay mbola mamiratra rehefa alina miaraka amin'ireo hevitra mampientanentana sy manainga fanahy, indrindra fa avy amin'ireo tanora.

2 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.