‘Fonja Misokatra’ Ao Finland, Ireo Mpifonja No Tompon'ny Fanalahidy

Jukka Tiihonen served the last few years of his sentence for murder at this open prison on Suomenlinna Island. Credit: Rae Ellen Bichell. Published with PRI's permission

Noho ny vono olona nataony, namita ireo taona farany tamin'ny saziny tao amin'ny Fonja Misokatra ao amin'ny Nosy Suomenlinna i Jukka Tiihonen. Sary: Rae Ellen Bichell. Famoahana nahazoana alàlana tamin'ny PRI

Ity lahatsoratra ity sy ny tatitra an'onjampeo nataon'i Rae Ellen Bichell ho an'nyThe World dia  nivoaka voalohany indrindra tao amin'ny PRI.org tamin'ny 15 Aprily 2015, ary naverina navoaka etoana noho ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Mba hahitanao ireo mpifonja ao amin'ny fonjan'i Kerava, Finland, dia midinà fotsiny amin'ilay làlana misy tandavana hazo telo dia vohay ny varavarana mankao amin'ilay tranohiboka (serre).

“Somary manala sasatra izany eto,” hoy i Hannu Kallio, voaheloka noho ny varotra zava-mahadomelina. “Manana bitro izahay.”

Mandeha isanandro miasa ao amin'ilay tranohiboka ireo mpifonja miisa 70 ao amin'ity toerana ity. Androany, manisy masomboly ireo tavim-boninkazo hiomanana ho amin'ny varotra rehefa faran'ny ririnina ry zareo. Ary marina tokoa, misy toerana fiompiana bitro hisangisangiana sy hatao namana ao. Misy ondry ihany koa.

Saingy tsy misy varavarana, hidin-trano na fanamiana— fonja misokatra io. Misoratra ho eto daholo ireo ao amin'ny fonja misokatra ao Kerava. Mahazo eo amin'ny 8 dolara amerikana isan'ora ry zareo, manana finday, miantsena ny zavatra ilainy any an-tanàna ary mahazo andro telo hialàna sasatra isaky ny roa volana. Mandoa hofantrano amin'ny fonja ry zareo; mifidy ny hianatra haka diplaoma amin'ny anjerimanontolo any an-tanàn-dehibe raha tsy te-hiasa, mahazo fanampiana ry zareo amin'izany; indraindray ry zareo mahazo fivoahana mandeha maka rivotra an-kalamanjana na manjono, saingy eo ambany fanarahamaso.

Fantatr'ireo mpifonja fa tsy ho sarotra ny mandositra. “Afaka mandeha ianao raha tianao,” hoy i Kallio. “Saingy raha mandositra ianao, dia miverina any an-tranomaizina. Tsara kokoa ny mitoetra eto.”

Each spring, hundreds of people come to the Kerava open prison to picnic, pat the animals and buy plants cultivated by inmates.  Credit: Courtesy of Criminal Sanctions Agency, Finland

Isaky ny lohataona, olona an-jatony maro no tonga ao amin'ny Fonja Misokatra ao Kerava mba hitsangantsangana, hisafo ireo biby sy hividy ireo zavatra novolen'ny mpifonja. Sary: Natolotry ny Masoivohon'ny Famaizana Heloka Bevava, Finland

Efa manerana an'i Finland hatramin'ny taona 1930 tany ho any ireo Fonja Misokatra. Hatramin'izany no efa toy ny andian'olona mpiasa ry zareo. Tato ho ato, natao ho dingana farany amin'ny fanefana sazy any am-ponja izy ireny ho fanomanana alohan'ny hiverenany amin'ny fiainana ara-dalàna.

“Tsy misy antony mihitsy tokony hanibohantsika olona mandritra ny andro sisa iainany,” hoy i Tapio Lappi-Seppälä, talen'ilay Ivontoerana mandinika ny momba ny Heloka ao amin'ny Anjerimanontolon'i Helsinki, “satria raha izany no atao, mila mampiasa vola ianao ary mahazo antoka fa hisy ny fahafahana mamerina azy indray ho eny anivon'ny fiarahamonina.”

Tsy toy izany mandrakariva no nisy ampolotaona vitsy lasa izao, Finland no nanana ny iray tamin'ireo taha ambony indrindra tamin'ny famonjana tao Eoropa. Avy eo, tamin'ny 1960, nolazain’ ireo mpikaroka avy amin'ireo firenena avy any avaratr'i Eoropa fa fomba tena manampy hahafahana mampihena ny heloka ny fanasaziana . Ny famintinana: tsy tanteraka izany.

“Io no fotoana voalohany nahavitàna fikarohana lalimpaka nanehoana fa tsy mahomby araka ny tokony ho izy ny famonjana,” hoy i Lappi-Seppälä.

Nandritry ny taompolo telo nanaraka, naverin'i Finland nojerena antsipirihany ny politikan'ny famaizany. Tany amin'ny faran'io vanim-potoana “famoahana ny fonja” io, Finland no nanana ny taha iray ambany indrindra amin'ny fampidirana am-ponja teto amin'ny kaontinanta. Lazain'i Lappi-Seppälä fa vokatr'izany dia tsy nitombo ny fanaovana heloka.

“Ny lesona azo avy amin'i Finland dia ny hoe azo atao tsara mihitsy ny manaisotra ny fampidirana am-ponja [hatramin'ny roa ampahatelony,]” hoy izy, “ary tsy manelingelina ny fivoaran'ny fironana ho amin'ny fanaovana heloka ao Finland izany.”

Ny fampidirana miandalana ho amin'ny fiainana ara-dalàna no nateraky ny asa, izay no karazany atolotr'ireo fonja misokatra ireo. Eo amin'ny ampahatelon'ireo mpifonja no mipetraka any amin'ireny fonja misokatra ireny, ary lazain'ny Masoivohon'ny Famaizana Heloka Bevava ao Finland fa ireo voafonja mandalo amin'ireny fonja misokatra ireny no vitsy kokoa amin'ireo izay voasambotra indray aty aoriana. Nidina hatramin'ny 20 isanjato ny tahan'ny mpamerin-keloka.

Tsy andaniana vola be ihany koa ireo fonja misokatra. Lazain'i Esa Vesterbacka, talen'ny Masoivohon'ny Famaizana Heloka Bevava ao amin'ny firenena, fa amin'ny fanafoanana ny filàna mpiambina sy rafi-piarovana fanampiny — ary amin'ny fampiantranoana olona anaty efitrano natao mihitsy ho fatoriana — midina efa ho iray ampahatelony ny vola lany amin'ny mpifonja tsirairay. Tsy izay no tena antony amin'ny fanànana ireny karazana fonja ireny, hoy i Vesterbacka, “fa , mazava loatra, afaka manao zavatra moramora fa tsara kokoa ianao amin'izao androntsika izao.”

Misy ‘fonja misokatra’ iray mihitsy aza ao amin'ny toerana iray fisarihana mpizahatany ao Helsinki, ao amin'ny Nosy Suomenlinna. Harem-bakoka Erantany ao anaty lisitry ny UNESCO io nosy io, ary feno mpizahatany mifanaretsaka ao rehefa lohataona. Kanefa dia zavatra iray momnja no manasaraka ny tokotanin'ny fonja amin'ireo toerana fonenana sy tranombakoka, dia ny fefy hazo miloko mavo.

Inmates at the Suomenlinna open prison live in blue dormitory-style housing. A picket fence is all that separates the prison grounds from the rest of the island, a popular tourist destination. Credit: Courtesy of Criminal Sanctions Agency, Finland

Anatin'ireo trano fatoriana miloko manga no miaina ireo mpifonja ao amin'ny ‘fonja misokatra’ ao Suomenlinna. Fefy hazo  miloko mavo no hany manasaraka ny tokotanin'ny fonja amin'ny sisa rehetra, toerana iray malaza falehan'ireo mpizahatany. Sary: natolotry ny Masoivohon'ny Famaizana Heloka Bevava, Finland

“Tena tsy azonao an-tsaina mihitsy hoe mamakivaky fonja misokatra iray ianao,” hoy i Lappi-Seppälä. “Tsy misy olona mieritreritra an'izany. Nefa dia tsy heveriko akory hahita izany ho mampahatahotra na dia ireo Amerikana mpizahatany aza.”

Toy ny manaiky izany ireo olona eny an-toerana. Rehefa niresaka tamin'ireo olona mipetraka manakaiky ny fonja misokatra ao Kerava sy Suomenlinna aho, maro no toa sadaikatra rehefa nanontaniako raha mampiahiahy azy ireo ny mifampizara tanàna amin'ireo olona voaheloka. Ny sasany miteny fa manampy ny tanàna amin'ny fanarenana ireo toerana manan-tantàra ny voafonja na amin'ny fanadiovana ireo toerana natao ho an'ny daholobe.

Maha-te hanontany tena hoe ahoana no fomba hampanjary ity rafitra ity any amin'ny firenena hafa — indrindra ao Etazonia, izay mampiditra olona maro ho any am-ponja raha miohatra amin'ny firenena rehetra manerana izao tontolo izao. Heather Thompson, mpampianatra tantara ao amin'ny Anjerimanontolon'ny Temple izay mandalina momba ny fampidirana amponja faobe sy ny mponina any am-ponja, dia miteny fa sarotra ny hahalalana izany satria tsy mbola niresaka toy izany ny ao Etazonia.

“Vao tonga fotsiny eo amin'ny teboka anekenay izao izahay fa hoe izahay no mampiditra olona betsaka indrindra ho any am-ponja. Mbola mila miresaka momba ny tena fomba fihazonana am-ponja misy ankehitriny izahay, inona no tena iainan'ireo olona any am-ponja mba ho tena olombelona feno tanteraka tokoa izy ireny rehefa miverina avy any.”

Rehefa niresaka tamin'i Hannu Kallio tao amin'ny fonja misokatra ao Kerava aho, efa teo am-piaingàna hamarana ny volana farany amin'ny saziny any an-trano izy, miasa ao amin'ny toeram-panodinana iray ary miaina miaraka amin'ny vadiny, ireo zanany vavy sy Jack Russell alika keliny.

Mpiara-mifonja iray, Juha, izay tsy nety nanome ny anarany feno, no eo am-piandrasana ny fahaterahan'ny zanany voalohany. Manefa sazy mandrampahafaty izy, saingy mazàna ny sazy tahaka izany no tafididina hatramin'ny 10 na 15 taona. ““Raharaha iray goavana io,” hoy i Juha , “saingy tsy fantatro hoe rahoviana aho no ho tafavoaka. Raha ny fandehan-javatra, dia ny reniny no hitaiza hanabe azy.”

Tsy azon'i Juha antoka hoe rahoviana izy no ho tafaverina an-trano ho ao anatin'ny ankohonany vaovao, saingy fantany fa tsy maintsy hisy izany. Ary ho an'olona iray izay nanomboka ny saziny tany aminà fonja faran'izay tsara aro indrindra, miaraka aminà fanamelohana mandram-pahafaty, dia milaza zavatra betsaka izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.