Misaona An'i Eduardo Galeano, Iray Amin'ireo Mpanoratra Goavana Ao Amin'ny Kaontinanta I Amerika Latina

#Galeano by #Chumbi. Image from Instagram

Eduardo Galeano, sariitatra nataon'ilay Arzantiniana Pablo Fernando Chumbita “Chumbi”. Sary nalaina tamin'ny Instagram, nahazoana alalana.

Nankafy nanoratra momba ny zava-nitranga ara-tantara izay niseho tamin'ny volana Aprily ilay mpanoratra Orogoaiana Eduardo Galeano. Nanoratra ny fanonganam-panjakana 1964 tao Brezila, ny fahafatesan'i Picasso tamin'ny taona 1973 tany Frantsa, ny fahavitan'ny rindrina manavatsava ny tany efitra Sahara tamin'ny taona 1987 tao Maraoka sy ny sisa maro hafa izy. Andro iray tamin'ny volana Aprily tamin'ity taona ity no maty i Galeano teo amin'ny faha-74 taona rehefa niady tamin'ny homamiadan'ny havokavoka nandritra ny volana maromaro.

Namoaka lahatsoratra filazana manjo taorian'ny nahafatesany ny gazety Orogoaiana Brecha, gazety noforonin'i Galeano sy nandraisany anjara fotoana maharitra
:

A veces, la muerte miente, escribió hace poco más de un año, impactado por el fallecimiento de su amigo Juan Gelman. Y dijo más, aseguró que el poeta seguiría “vivo en todos los que lo quisimos, en todos los que lo leímos, en todos los que en su voz hemos escuchado nuestros más profundos adentros”.

Hoy, cuando su propia muerte nos obliga a miramos en el espejo de aquellas palabras, amanecemos con tristeza a la noticia de que se nos fue Eduardo Galeano, fundador y referente de nuestro semanario, integrante durante años de su Consejo Asesor y colaborador asiduo de sus páginas.

Hasta siempre.

Tus compañeros de Brecha

Indraindray, mandainga ny fahafatesana, hoy izy herintaona lasa izay, satria tohina noho ny nahafatesan'ny namany Juan Gelman izy. Nilaza izy fa tokony hiaina ao amin'ireo rehetra nankafy azy, ao amin'ireo rehetra namaky ny sanganasany ary ao anatin'ny olona rehetra izay nipaka lalina tao anatiny ny feony” ny poeta.

Amin'izao fotoana izao, raha manery anay hitodika amin'ny tenanay manokana amin'ny fitaratr'ireo teny ireo ny fahafatesany, dia nifoha tamin'alahelo izahay raha nahare ny vaovao fa nandao antsika i Eduardo Galeano, mpanorina, mpikambana nandritra ny taona maro tao amin'ny Filan-kevitry ny Mpanolo-tsaina, ary mpandray anjara mavitrika.

Veloma farany

Ny namanao avy aty Brecha

Tamin'ny taompolon'i 1970  i Galeano no nahazo fankatoavana manerantany tamin'ny bokiny nivoaka tamin'ny 1971 ” Ny Lalandrà Misokatr'i Amerika Latinina- boky nomen'i Hugo Chávez an'i Barack Obama tamin'izy ireo nihaona voalohany tamin'ny taona 2009. Tatỳ aoriana, nanakiana ny bokiny manokana izay mbola ampiasaina eo amin'ny kilasy politika Amerikana Latina i Galeano.

Ao amin'ny “Lalandrà Misokatrai Galeano nanoratra fa  i Shily amin'ny tahirin-tsiran'azôta ao aminy (nitraty), i Brezila sy ny ala trôpikaliny miavosa, ary ny tanàna kely Venezoeliana sy ny tahirin-tsolitaniny” dia efa nandalo sedram-piainana mangidy amin'ny fahafatesan'ny harena natolotry ny natiora sy nosolokian'ny imperialisma”.”

Nisaona ny fahalasan'i Galeano tao amin'ny Twitter ilay teôlôjiana Breziliana mpanorina nyTeôlôjian'ny Fanafahafana, Leonardo Boff:

Mpandrafitra fehezanteny goavana i Eduardo Galeano. Miara-dia amin'ireo niharam-boina foana izy. Andro vitsy lasa izay tao Montevideo, niezaka ny hitsidika azy aho saingy efa tara loatra.

Alohan'ny maha-mpanoratra gazety azy, nanana asa maro i Galeano, niainga tamin'ny asam-pikirakirana vola tany amin'ny banky sy mpiasan'orinasa ary avy eo mpanao sariitatra. Tao anatin'ny asa fanaovan-gazety, tao amin'ny gazety Marcha (izay namoaka an'i Juan Carlos Onetti sy Mario Benedetti), ary tatỳ aoriana tao amin'ny Brecha nahitan'i Galeano ny talentany. Raha nisosa nankany amin'ny jadona i Orogoay, dia tsy maintsy nandao ny firenena izy, nialokaloka aman-taonany tany Arzantina sy Espaina. Taona maro taty aoriana, tamin'ny 1985, niverina tao Orogoay i Galeano. Nanohana ny governemanta elatra havia voalohany tao Orogoay izy, namoaka lahatsoratra malaza manohana ny governemanta tao amin'ny Progressive, nitondra ny lohateny hoe “Rehefa Nifidy Tsy Amin-tahotra ny Olona”. Tamin'ny herintaona, noraisin'ny mpankasitraka ho tsara ny tsaho fa mety hirotsaka hofidiana ao amin'ny Antenimieran-doholona i Galeano, na dia nitsipaka izany avy hatrany aza izy. Na dia tsy manana toerana mahaolom-boafidy aza i Galeano dia nitoetra ho manampeo mora maharesy lahatra ny vahoaka. Araka ny tatitry ny gazety Orogoaina El Pais:

El 1° de marzo pasado recibió al mandatario boliviano, Evo Morales, en su casa y eso le significó un esfuerzo muy grande ya que se encontraba desde hacía tiempo con problemas de salud.

Tamin'ny 1 Martsa, nandray ny filoha Boliviana Evo Morales tao an-tranony i Galeano, saingy efa sarotra ho azy izany satria efa nanana olana ara-pahasalamana izy.

Naneho ny fiaraha-miory manoloana ny fahafatesan'i Galeano ireo mpihira malaza, mpanao politika, mpanao gazety ary mpampianatry ny oniversite omaly. Mpanoratra Meksikana Elena Poniatowska  nisioka hoe:
Nanangona fizaran-tantara, fihetseham-po sy hevitra nanohina azy avy amin'ny tantarantsika i Galeano ary naveriny ho antsika indray izany mba tsy ho adinointsika

Rene, avy ao amin'ny tarika Poerto Rikana Calle 13, namoaka lahatsoratra tao amin'ny Facebook, mampatsiahy ny fihaonany voalohany tamin'i Galeano:

“Eduardo, tengo un problema, soy muy despistado y a veces se me hace muy difícil seguir una conversación”. A lo que él me contesto, “yo también soy despistado y de los peores”. Desde ese momento en adelante todo fluyó de forma natural, como si fuésemos amigos de antaño. Eduardo empezó a hablar mientras mi esposa y yo escuchábamos. Fue como escuchar al tiempo narrando historias.

Eduardo, manana olana aho, tena varimbariana aho ary indraindray hitako sarotra ny manaraka resaka iray.” Izay novaliany hoe: “Varimbariana koa aho ary anisan‘ireo ratsy indrindra.” Nanomboka tamin'izany fotoana izany, nandeha ho azy ny zava-drehetra, tahaka ny mpinamana efa ela be izahay. Nanomboka niresaka i Eduardo, raha nihaino izaho sy ny vadiko. Nahatsiaro ho eo amin'ny fotoana hihainoana tantara izahay.

Filoha Breziliana Dilma Rousseff nanoratra tao amin'ny Facebook:

Hoje é um dia triste para todos nós, latino-americanos. Morreu Eduardo Galeano, um dos mais importantes escritores do nosso continente. É uma grande perda para todos que lutamos por uma América Latina mais inclusiva, justa e solidária com os nossos povos.

Aos uruguaios, aos amigos e à nossa imensa família latino-americana, quero prestar minhas homenagens e lembrar que continuamos caminhando com os olhos no horizonte, na nossa utopia.

Andro manjombona ho antsika rehetra Amerikana Latina androany. Namoy ny ainy i Eduardo Galeano, iray amin'ireo mpanoratra manan-danja indrindra ato amin’ny kaontinantantsika. Fahaverezana lehibe ho an'izay miady hahita an'i Amerika Latina ho iombonana, marina sy miray hina kokoa miaraka amin'ny vahoakantsika izany.

Hoan'ny Orogoaiana, namana, sy ny fianakaviana Amerikana Latina rehetra, te-haneho ny firaisam-poko aho ary mampatsiahy anareo handroso mibanjina ny faravodilanitra hatrany, ao anatin'ny nofinofintsika.

Hasta siempre Galeano! Lasa ianao saingy mitoetra mandrakizay eo amin'ireo lahatsoratra nosoratanao ny feonao.

Nanampy tamin'ny fanatontosana ity lahatsoratra ity ny mpanoratra ato amin'ny Global Voices Fernanda Canofre

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.