Fampahafantarana Ny Bilaogin'ny Tetikasa Jatta Wöötanö

Vaovao Farany momba ny tetikasa nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices

Imagen usada con autorización del proyecto Jatta Wöötanö.

Nahazoana alalana avy amin'ny tetikasa Jatta Wöötanö ny sary.

Tafiditra ao anatin'ny hetsika notanterahina tamin'ny fampiofanana ny tanora indizeny Yekuana amin'ny maha-mpampifandray ara-poko, manana ny bilaoginy manokana ankehitriny ny tetikasa Jatta Wöötanö, sehatra iray ampiasaina ho mpitondra feo sy fanehoan-kevitry ny olony.

Ao amin'ny lahatsoratr'izy ireo voalohany, miarahaba ireo mpamaky sy mampahafantatra ny momba azy izy ireo:

En la comunidad indígena de Yekuana de Boca de Ninchire ubicada en la cuenca del río Caura en Venezuela, una nueva generación de jóvenes está descubriendo el potencial de los medios digitales a medida que es más fácil acceder a estas herramientas. Este proyecto hará que los jóvenes de la comunidad creen un equipo de “etnocomunicadores”, término usado para describir a personas que usan la comunicación social y tienen un profundo conocimiento de su cultura con un deseo compartir conocimiento.

Ao anatin'ny fiarahamonina indizeny Yekuana ao Boca de Ninchire miorina amin'ny ny renirano Caura ao Venezoela, mahita ny tokony ampiasaina ny media nomerika ny tanora taranaka vaovao, satria mora kokoa ny miditra amin'ireo fitaovana ireo. Ahafahan'ireo tanora avy ao amin'ny fiarahamonina hanangana ekipa “mpampifandray ara-poko” ny tetikasa, voambolana ampiasaina hamaritana ny olona mampiasa ny fifandraisana ara-tsosialy sy manana fahaizana lalina momba ny kolontsain'izy ireo ka maniry ny hizara izany fahalalana izany.

Niara-nanangana ny bilaogy ireo mpandray anjara tamin'ny atrikasa fampiofanana sy ny ekipa tompon'andraikitra amin'ny tetikasa ary teo koa ny fanampiana sy ny fanohanana avy amin'ny Rising Voices. Amin'ny tetikasa famatsiana ara-bola hoan'ny faritra Amazoniana, manampy amin'ny fampielezana ny fampahalalam-baovao an'olotsotra ao amin'ny faritra izay tsy mba ahafahan'izy ireo miditra amin'izany ny Rising Voices.

Hatramin'izao, manome vaovao lehibe momba ny kolontsaina Yekuana sy vaovao azo antoka avy amin'ny tontolo indizeny ao Venezoela, ary koa ny antsipirahan'ny mombamomba ny mpikambana tsirairay ao amin'ny ekipa mpampiofana ny habaka. Mbola eo am-panamboarana ny rohy sasany ary antenaina fa ao anatin'ny volana vitsivitsy, azo atao ny mamantatra bebe kokoa ny momba ny firafitry ny fomba fampiofanana mikasika ny fifandraisana ara-poko sy ny fitaovana vokarina ao amin'ny lahatsary, feo sy sary avy amin'ny tanora Yekuana.

Afaka mahita indray ny faritany sy ny fandaminana ny fiarahamonina ihany koa isika:

Es un pueblo de navegantes fluviales que se ha establecido en diferentes margenes de los ríos tributarios del Orinoco. Ocupan actualmente un territorio de cerca de 30.000 km² en los estados Bolívar y Amazonas de Venezuela y el norte de Brasil; principalmente el alto Caura, ríos Erebato y Nichare; el alto Ventuari y ríos Parú y Cuminá.
[…]
La palabra yekuana simboliza el origen común del grupo: sus ancestros de acuerdo a la tradición emergieron del Yekuana Joao, cerro ubicado en las llanuras adyacentes al alto río Cuntinamo.
[…]
Actualmente la heterogeneidad social, política y religiosa ha creado tanto nuevas relaciones entre comunidades como nuevas comunidades. La influencia de religiones, tanto evangélicas como la católica, ha creado divisiones entre los yekuana y ha dado lugar a nuevos valores, perspectivas y formas de vida.

Fiarahamonina vakivakian'ny renirano, niorina antsisin'ireo rano miteraka ny renirano roa ao Orenoque. Amin'izao fotoana izao dia ao anatin'ny faritany mirefy tokotokony ho30,000 km² ao anatin'ny fanjakana Bolivar sy Amazonas ao Venezoela ary avaratr'i Brezila, ao ambonin'i Caura ny ankamaroany, reniranon'i Erebato sy Nichare, Ventuari ambony ary ny renirano Parú sy Cuminá.
[…]
Maneho ny fiaviana iombonan'ny vondrona ny voambolana yekuana, razamben'izy ireo araka ny fomban-drazana nivoatra avy tao Yekuana Joao, tendrombohitra miorina amin'ny lohasaha akaikin'ny renirano Cuntinamo ambony.

[…]
Amin'izao fotoana izao, nanangana fifandraisana vaovao eo amin'ireo vondrompiarahamonina ho toy ny vondrompiarahamonina ny fifangaroana ara-tsosialy, ara-politika sy ara-pivavahana. Nampisy fizarazarana teo amin'ny Yekuana ny fitarihan'ny fivavahana, Evangelika sy ny Katolika Romana ary niteraka soatoavina, fomba fijery sy fomba fiainana vaovao.

Nanjary tetikasa nanampy ny tanora Yekuana ho mazoto kokoa haneho ny heviny indrindra amin'ny alalan'ny fampahalalam-baovao nomerika ny Jatta Wöötanö, mba hizara ny tantaran'izy ireo ary ahafahan'ny tontolo tsy indizeny mahafantatra momba ireo zava-misy sy hetsika goavana mandritra ny fotoan-tsarotra noho ny fitomboan'ny fitrandrahana akoran-javatra tsy ara-dalàna ao amin'ny faritanin'izy ireo. Tsy ao Boca de Nincharefiarahamonina eny ifotony ihany no volavolaina ny tetikasa fa hoan'ireo vondrom-piarahamonina indizeny Yekuana sy Sànema isan-karazana avy ao amin'ny renirano Caura ihany koa mba hanamafisana ny fahaizan'izy ireo amin'ny fampiasana ny fifandraisana ho fitaovam-pitolomana sy fanehoan-kevitra.
Captura de pantalla del blog.

Pikantsarin'ny bilaogy Jatta Wöötanö.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.