Manafaingana Ny Famonjena Ireo Olom-pirenena Tajik Avy Ao Yemen Ve Ny Lahatsoratra Amin'ny Facebook?

Tajik citizens alongside with Russians are preparing to board a Russian plane to evacuate from Yemen. Picture from: http://www.vesti.ru/doc.html?id=2474827&cid=7

Bilqis, 17 volana, zanakavavin'i Shahnoza Gadoeva, miandry ny fidirana ao anaty fiaramanidina Rosiana hiala aoYemen. Sary nivezivezy tao amin'ny aterineto.

Iray amin'ireo dokotera Tajik an-jatony miasa sy monina miaraka amin'ny fianakaviany ao Yemen i Shahnoza Gordeeva nanomboka tamin'ny hetsika daroka baomba nataon'i Arabia Saodita sy ny mpiara-dia aminy tamin'ny volana lasa. Satria namoaka lahatsoratra fitadiavam-bonjy maika (SOS) mitaky fanampiana hiala ao Yemen tao amin'ny vondrona Facebook izy, dia tsy noeritreretiny fa hiparitaka be ny fangatahana nataony.

И кто нас спасет? Мы живем в Йемене ,работаем медиками , нас здесь больше 300 ,400 человек счетая с детьми . Со вчерашней ночи Йеменскую столицу бомбят Саудовские самалеты. Наш МИД молчит … Мы в страхе . Россия пока не соберется отправить самалеты МЧС .

Iza no hamonjy anay? Monina ao Yemen, miasa ho dokotera, maherin'ny 300 izahay, 400 raha isaina koa ny ankizy. Darohan'ny voromby Saodiana baomba i Yemen hatramin'ny omaly alina. Mangina ny MFA (minisiteran'ny Raharaham-bahiiny). Nihorohoro izahay. Tsy mbola nandefa ny vorombin'ny [Minisiteran'ny Vonjitaitra] i Rosia.

Mpisera Facebook am-polony no namaly ny fanehoan-keviny mba hampahery azy ara-tsaina, nandefa ny rohy misy ny Vokovoko Mena Iraisampirenena sy ny manampahefana Tajik ho azy ny sasany, raha nanoro hevitra azy mba hitady fanampiana any amin'ilay orinasa mpandefa mpiasa Rosiana izay nandefa azy ireo (dokotera sy mpitsabo mpanampy Tajik) tao Yemen kosa ny hafa, ary nivavaka ho azy sy ireo Tajik hafa mihitsoka ao Yemen ny sasany

Tajik woman headin to the plane evacuating the CIS citizens from Yemen. Photo was provided to the Global Voices by Shahnoza Gadoeva

Vehivavy Tajika hankany amin'ny voromby mitondra ireo teratanin'i CIS hiala an'i Yemen. Sary natolotra ho an'i  Global Voices avy amin'i Shahnoza Gadoeva.

Nanjary vaovao malaza indrindra  tao Tajikistan ny lahatsoratra nosoratan'i Shahnoza, nitantara izany tamin'ny teny  RosianaTajik ary Anglisy ireo mpanao gazety raha nifanotofan'ireo haino aman-jery mitaky valinteny kosa ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny (MFA) Tajik.

Sendra tsara vintana i Shahnoza sy ireo hafa tafahitsoka ao Yemen, satria tsy nikatona ny Facebook tamin'io andro io – matetika akaton'ny orinasam-pifandraisana diso mazoto ao amin'ny firenena Azia Afovoany ny Facebook.

Ny hariva ihany, namoaka ampahibemaso ny baiko avy amin'ny Filoha Emomali Rahmon hoan'ireo masoivoho Tajik ao Arabia Saodita, Emirà Arabo Mitambatra, Qatar, Koety, Ejipta sy Rosia (mbola tsy manana solontena diplomatika ao Yemen i Tajikistan) ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny mba handray fepetra amin'ny fampodiana ireo olona ireo.

Efa nampody olom-pirenena Tajikistana sy olom-pirenena hafa avy ao amin'ny Repoblikan'ny CIS hiala tao Yemen ny voromby Rosiana tamin'ny 2010 ary tonga indray izy ireo tamin'ity indray mitoraka ity. Tonga tao Dushanbe tamin'ny 3 Aprily ny vondrona voalohany misy ireo Tajik nampodiana. Hatramin'izao, Tajik eo amin'ny 100 eo no efa nampodiana niala an'i Yemen tamin'ny sidina farafahakeliny telo samihafa.

Nohadihadian'ny fahitalavitra Rosiana avy eo i Shahnoza. Tsy adinony ny nisaotra ny vondrona namana rehetra tao amin'ny Facebook.

Дорогие земляки огромное спасибо за поддержку. Я счастлива что смогла выбраться оттуда с детьми живой здоровой, в этом заслуга каждого из вас кто звонил, переживал, поддерживал морально, помогал решить нашу проблему. Низкий поклон всем вам .

Ry mpiray tanindrazana, misaotra betsaka tamin'ny fanohanana. Faly aho satria afaka niala teto tamim-pahasalamana sy velona soa aman-tsara niaraka tamin'ny ankizy. Nanampy tamin'izao avokoa ianareo rehetra, ianareo niantso, nanahy momba ahy, nanohana ara-moraly, nanampy tamin'ny famahana ny olana. Misaotra anareo rehetra.

Raha notombanan'i Shahnoza ho 400 ny isan'ireo Tajik ao Yemen, anisan'izany ny ankizy, ny hafa kosa nanombana izany ho 800 satria maro ireo nandeha tany tsy nisy fanampian'ny orinasa mpandefa mpiasa izay loharanom-baovao tokana azo antoka momba ny isan'ny Tajik manoloana ny toe-draharaha mahazo ny governemanta Yemenita izay rotiky ny ady.

Sokajiana ho manam-pahaizana sy manana traikefa miaraka amin'ny diplaoma manandanja avy ao amin'ny oniversite Sovietika Ireo dokotera manam-pahaizana manokana ireo. Ny tahan'ny tsy fananan'asa avo sy ny hakelin'ny karama ao Tajikistan no manery azy ireo ho any Yemen mba hikarama 600-800 dolara ho mpanampy mpitsabo ary 1200-2000 dolara ho mpitsabo, matetika mihoatra lavitra noho izay raisin'ireo ao Tajikistan.

Raha namoaka fampitandremana hoan'ny olom-pirenena mba tsy hiasa ao Yemen ny MFA taorian'ny fakàna an-keriny mpanampy mpitsabo Tajik iray nataon'ireo jiolahy ara-poko, nisafidy nijanona sy hanohy ny asany ireo dokotera Tajik sasany, indrindra ireo any amin'ny faritra azo antoka kokoa ao Yemen fa tsy hiverina hiatrika tsy fananan'asa indray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.