Havandra Tsy Amin'ny Fotoanany Misarika Saina Ho Amin'ny Tarainan'ireo Ao An-tobin'ny Palestiniana Mpitsoa-ponenana

"A hint of #snow in #Gaza no kidding  #lol once again I remind U that it's #spring," tweets @Omar_Gaza, who shares this photograph on Twitter

“#snow (ranomandry) mamely ao #Gaza tsy vazivazy #lol averiko aminareo indray fa #spring (lohataona) izao,” hoy ny bitsik'i @Omar_Gaza, izay nizara ity saripika ity tao amin'ny Twitter

Nitatitra firotsahana ranomandry tsy amin'ny fotoanany tao Gaza androany ireo mpisera amin'ny aterineto. Ny sasany milaza fa havandra fotsiny izany. Fa ho an'ny maro dia ny zavatra iaretan'ireo 108.000 tsy manana hialofana ao Gaza sy ireo voatery nafindra toerana no tonga ao an-tsainy avy hatrany.

Ampahatsiahivin'ilay Palestiniana bilaogera,Omar Ghraieb, amintsika fa :

Saino ireo tsy manana hialofana, nafindra toerana & mpitsoa-ponenana

Araka ny biraon'ny Firenena Mikambana misahana ny fandrindràna ny Raharaha momba ny maha-olona ao amin'ireo faritra Palestiniana Voabodo, dia eo amin'ny 108.000 Palestiniana amin'ireo 500.000 nafindra toerana no tena tonga amin'ny faratampon'ny zava-doza ateraky ny tsy fananany fialofana hatramin'ny habibiana nataon'ny Israely taminy, ny Oktobra 2014, fony nanomboka ny ririnina. Raha kely indrindra dia 2.100 ny Palestiniana namoy aina, maherin'ny 10.500 no naratra, ary 520.000 no nafindra toerana, hatramin'ny nanaovan'i Israely ilay lazainy fa fanafihana goavana fiarovana sisintany nanerana ilay faritra amoron-tsiraka mirefy 40 kilaometatra tamin'ny 8 Jolay 2014. Ny sasany maminavina fa 40 isanjaton'ireo faritra an-drenivohitra ao Gaza no lasa lavenona. Notafihan'i Israely tamin'ny 28 Jolay ilay hany toby famokarana herinaratra tao Gaza, nahatonga ilay faritra ahitàna olona 1,8 tapitrisa ho ao anaty haizina no sady nanery ireo fotodrafitrasany fitsinjarana rano sy fidiovana ho tsizarizary. Ny 26 Aogositra, nifanaiky i Israely sy ireo rantsana Palestiniana fa hampitsahatra ny fifampifitirana, ho fampitsaharana ilay herinandro fito nitondra faharavàna sy famoizana aina.

According to the United Nations Office for the Coordination of Humanitarian Affairs in the Occupied Palestinian Territory over 100,000 Palestinians out of 500,000 displaced at the height of hostilities with Israel are still without homes.

Araka ny biraon'ny Firenena Mikambana misahana ny fandrindràna ny Raharaha momba ny maha-olona ao amin'ireo faritra Palestiniana Voabodo dia eo amin'ny 100.000 Palestiniana amin'ireo 500.000 nafindra toerana no tena tonga amin'ny faratampon'ny zava-doza ateraky ny tsy fananany trano fialofana hatramin'ny Oktobra 2014.

 Ho an'ireo tsy manana trano, vao mainka mahatonga ny toe-draharaha ho sarotra iainana ny toetrandro mangatsiaka sy ny tondradrano.

Manazava i “Son of Palestine” (Zanakalahin'i Palestina):

Oram-batravatra miteraka tondradrano any amin'ny faritra sasantsasany ao #Gaza : (Zava-doza io ho an'ireo tsy manana trano hialofana) #MivavahaHoAnyGaza

Araka ny lazain'ny masoivohom-baovao Ma'an, “nandifotra ireo faritra iva ao amin'ny lemak'i Gaza ilay oram-batravatra, ka isan'izany ny ao Khazaa sy Beit Hanoun izay toerana iainan'ireo Gazaita an'arivony nafindran'i Israely toerana tamin'ny lohataona farany teo, miaina any anatin'ireny kalesy ireny.”

Mizara saripika ahitàna ireo arabe tondraky ny rano ao amin'ny toby Al-Shati misy ireo mpitsoa-ponenana ao Gaza i Saber Abu Maryam:

Feno ranon”orana ireo arabe ao amin'ny toby Al-Shati misy ny mpitsoa-ponenana ao #Gaza #Palestine

Avy ao Gaza, mizara ity sarin'ny seranantsambon'i Gaza ity i Layan Baker:

seranantsambonì'i #Gaza androany rakotry ny ranomandry

Ali Dwedar manampy hoe:

Orana sy ranomandry eto Gaza androany- Arahaba maraindraina

Ary i Abbas Sarsour mizara saripika iray hafa :

Ranomandrin'i Gaza amin'ity maraina ity rey olona

Tsy taitra akory i “Just Aerdt”, izao ao Gaza. Hazavainy fa havandra fotsiny io lazain'ny mpisera amin'ny aterineto fa ranomandry io:

Mba marina mafy ry zareo, fa inona daholo ity bitsika momba ny ‘ranomandry aty #Gaza ity e? Havandra misavovona be no hitako io maraina io, fa mety ho tsy nahatratra ny fandalovan'ny ‘ranomandry’ aho an

Manampy izy:

Mifandray amin'ny resaka oram-batravatra ny havandra, izay nanjo antsika io maraina io. Tsy misy ifandraisany amin'ny ranomandry mihitsy araka izany

Ary Dennis Fetcho manazava fa tsy fahita firy ny toetrandro tahaka izany amin'ny vanim-potoana tahaka izao ao anatin'ny taona:

Raha ny fahitana azy ny ranomandry ao #Jerash sy ny avaratr'i Jordana halina dia mifandray amin'ny ranomandry hita tao #Gaza. Tsy nandre toy izany ho an'ny Aprily saingy azo antoka fa tsy fahita firy

Vakio koa (Eng):

Help Palestine refugees weather the storm

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.