Ahoana No Tsy Hanoratana Momba Ny Smartphones Sy Espaina

"Comunicando" (Communicating). Madrid, Spain. Photo by Flickr user FXW. CC BY-SA 2.0

“Comunicando” (mifandray). Madrid, Espaina. Sary an'i FXW, mpampiasa Flickr. CC BY-SA 2.0

Rehefa nanao fanamarinana ny zavatra tena nisy mikasika tantara iray teto amin'ny Global Voices indray andro izay aho, dia nahita ny mombamomba manokana ireo voaiben'ny resaka media sy ny loharanony manokana mampitsiriritra, Arianna Huffington. Rehefa nitetitety ny fàhana an'ny tonian'ny famoahana ao amin'ny Huffington Post aho, bitsika vao haingana momba an'i Espaina, toerana izay nananganako toeram-pivarotana, taona vitsy lasa izay, no nahasarika ny masoko. “Maninona no tsy misy olona miresaka momba ny fiankinan-doha amin'ny smartphone ao Espaina—fa aleon-dry zareo miresaka izy samy izy,” hoy ilay izy nanambara tamin'angolangola.

Tsy dia matetika miresaka ao amin'ny aterineto aho, saingy nisy O RLY? iray tsy nampino nipotsaka teo imolotro. Ilay bitsika dia nifandrohy taminà tsanganan-dahatsoratra iray tao anatin'ny gazetiboky Pacific Standard, izay miresaka ireo olana sosialy, teokarena ary politika ao Etazonia, izay manamafy fa “ny fahasamihafàna goavana indrindra” eo amin'ny fomba fampiasàn'ny Amerikana ny sy Espaniôla ny teknolojia dia “toy ny hoe tsy eo ampototry ny findainy ny tsirairay” ao Espaina. “Ny ataon'ireo olona ao an-toerana ho solon'izany dia ny mifampiresaka izy samy izy, amin'ny feo mafy sy henjankenjana tsara, tsy mitsahatra,” hoy ilay mpanoratra izay mipetraka any Brooklyn. Nifototra tamin'ny fivahinianany tao Espaina sy Portiogaly  ny fandinihana nataony. “Zavatra nanaitra ahy satria karazan-javatra mampitombo ny fifandraisana sosialy no niriantsika rehefa isika ilay maneho alahelo momba ny fiankinan-dohantsika amin'ny smartphone iny.’” 

Saiky mivaky toy ny boky katsikana avy aminà iraka Tandrefana, nalatsaka tamin'ny elonaina ho ao amin'ny toerana iray “mafàna” ao an-tanàna, ilay ampahan-dahatsoratra ary mandefa tatitra miverina manao safo be mantsina momba ilay toerana. Milazalaza an'i Espaina ilay izy—fantatry ny maro loatra ho tanin'ny siesta rehefa mitatao vovonana, na dia efa 16% monja amin'ny mponina ao aza sisa no maka fiatoana kely isan'andro hanaovana izany—ary Eoropa lehibe kokoa tahaka ny karazany sasany amin'ireo olondia manana ny hajany ao anatin'ny taonjato faha-21, mifandrindra amin'ny tontolon'ny kanto voajanaharin'ny fifampiresahana sy tsy voaloton'ny teknolojia tahaka izany izay namadika ny Amerikana ho toy ny faty mitsangana miaraka amin'ny masobe mivontirika mitete ranomaso. 

Saingy rehefa resaka fiankinan-doha amin'ny teknolojia sy ny smartphone no atao, tsy izany no zava-misy. “Toa tsy misy olona any miresaka momba izay fiankinan-doha amin'ny teknolojia,” hoy ianao? Eny e, raha tsy dia mijery tsara ireo media Espaniôla ianao ary tsy nandany fotoana betsaka niarahana tamin'ny Espaniôla, ankoatry izay sahaza hoan'ny fialantsasatra, dia afaka miteny toy izany. Fikarohana iray maimaika atao ao amin'ny Google no manome tamberina betsaka kokoa momba io resaka io, mihoatra noho izay resadresaka vitsy eny anatin'ireo fampahalalam-baovao mahazatra (amin'ny teny Espaniôla mazava loatra).

I Espaina no voalaza fa manana ny taha ambony indrindra amin'ny tanora miankin-doha amin'ny smartphones ao Eoropa. Mivoaka amin'izany fa antsasa-manila mahery amin'ireo Espaniôla no manan-tahotra kidaladala tsy mety hivoaka ny trano raha tsy miaraka amin'ny findainy. Ho an'ireo olona eo anelanelan'ny 18 sy 24 taona, miakatra ho 75% ny tarehimarika. Araka ny fanadihadiana iray, 40% amin'ny olona eo anelanelan'ny 18 sy 30 taona ao Espaina no miteny fa tsy afa-miaina lavitry ny smartphone-ny.

Ireo Espaniôla, izay mitana laharana faha-efatra erantany raha resaka fandefasana hafatra amin'ny alàlan'ny sehatra WhatsApp, dia mifandray amin'ny alàlan'ny karazam-pitaovana manana salanisa 2.9 eo ho eo, iray amin'ny taha ambony indrindra eran'izao tontoolo izao. Tamin'ny taona lasa, namorona rindrambaiko fampiasa antsoina hoe FaceUp ny Espaniôla roa, natao indrindra hisorohana ny fiankinan-doha amin'ny smartphone. Tamin'ny volana lasa, namoha ny varavarany tao Madrid ny “Smartphones”,  tantara nosoratan'ny Espaniôla iray monina any Etazonia, momba ireo fomba nampiasain'ny tompon'ilay teknolojia nanovàna ny fifandraisan'ny olona.

Tsy lazaina ireo fotoana tsy tambo ho isaina nahitako ray aman-dreny nibedy an-janany (na ny mifamadika tamin'izay) mba tsy hitondra ny smartphone-ny ho eny an-databatra fihinanana, na ireo mpinamana any anaty trano fisotroana mikarokaroka sary ao anaty Facebook  amin'ny alàlan'ny smartphone-ny.

Midika ve izany fa raha ny marina dia karazana tany ngazana miankin-doha amin'ny teknolojia i Espaina? Tsy Izany mihitsy kosa. Tany iray ipololoran'ny hafanana i Espaina, misy firehetam-po, sy kolontsaina ary mahasarika, ary tiako ny miaina ao. Noho izany dia tiako loatra i Espaina,  inona no andaniana fotoana hamotehana io hadisoana io, na dia mety homena endrika raozy aza ilay izy?   

Satria ampangain'ireo lahatsoratra, toy ilay iray lazaina ao ambony ao, ny fidedahana amin'ny asa fanaovana gazety sy ny tsy fahampian'ny fananana henatra ao anatin'ilay famintinana izay mitondra antsika ho any amin'ny zava-misy, fa tsy ny mifanohitra amin'izay akory. Lazaina amin'ny fomba fiteny feno fahefana ho an'ireo mpijery ny momba ny firenena izay manontolo na ny kaontinanta mihitsy aza, tsy hoe mifototra aminà zavatra niainana mamàka lalina, na fikarohana natao, fa miainga aminà fahatsiarovana ny fahiny sy ireo endrika ivelany vitsivitsy fotsiny. 

Ho an'ny mpanao gazety na mpivahiny mendrika dia ampirimina any an-trano aloha ny borosy lehibe. Manana fomba fisainana misokatra ry zareo ary mitandrina amin'ny fomba fitsàrany. Mangetaheta fahalalàna ary mandinika ny antsoina hoe tsara sy ny antsoina hoe ratsy. Io no maha-samihafa ny fitiavan'ny fahazazàna izay noraisinao ho filamatra hatreto ary ilay olon-dehibe (vady) miara-dàlana aminao izay tianao fatratra, na dia manorisory anao aza ilay fomba fihinany lasopy misolitiditika iny.

Toy ny any rehetra any eran'izao tontolo izao, tsy tonga lafatra i Espaina. Mety mitolona ny hamono ny smartphone toy izay ataon'i Etazonia izy, ary mety hisolitiky ny gazpacho-ny isaky ny mihetsika, saingy ampahany amin'izay maha-Espaina azy izany rehetra izany—ny tontonlon'i Espaina tena izy, tsy ny fientanentana mandalo ateraky ny teknolojia—toerana iray maha-te-ho-tia, tsy manam-paharoa ary  saro-dazaina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.