Tena Ambany Tokoa Ve No Fihevitry Ny Japoney Ny Amerikana?

Nivoatra ny fifandraisana nisy teo amin'ny Amerikana sy ny Japoney hatramin'ny fiafaràn'ny Ady Lehibe Faharoa. Sary: “Trano  fisotroana diten'ny Volan'ny Aogositra,” fanomezan'ny Wikimedia.

Lahatsoratra iray vao haingana tao anatin'ny gazety Amerikana “USA Today” no naka fomba fijery tsy dia nahazatra loatra rehefa nitatitra momba ny fitsapankevitra iray vaovao nataon'ny Pew Research nampitahàny ny fomba fifampijerin'ny andaniny sy ny ankilany eo amin'ny Japoney sy ny Amerikana .

Ny tena hevidehibe noraisin'ny USA Today tamin'ilay fitsapankevitry ny Pew ve? “Ambany no fihevitry ny Japoney ny Amerikana.”

Ny famintinana azy manokana natolotry ny Pew Research momba ireo vokatra azo tamin'ilay fitsapankevitra dia mila hifanohitra tanteraka amin'ilay famoaboasana nataon'ny USA Today:

Eo amin'ny roa am-pahatelon'ny Amerikana no manome fitokisana an'i Japana, ary eo amin'ny telo ampahaefatry ny Japoney no milaza ho matoky an'i Etazonia, raha ny fitsapankevitra vaovao nataon'ny Pew Research.

Araka ny Pew Research, tahaka ny efa nivoatra ireo fomba fijery ireo :

Be ny vita fa tsy foana kosa ny fifankahalàna nisy tamin'ny 1980 sy 1990, fony resaka momba ny ady no be tamin'ny fifandraisana teo amin'i Japana sy Etazonia. 8% monja amin'ny Amerikana no mitanisa io vanim-potoanan'ny fifandrirotana ara-barotra henjana io ho toy ny tranga tena manana ny lanjany ao anatin'ny fifandraisana maoderina eo amin'i Etazonia sy Japana. Nihena ny isan'ireo Amerikana niteny fa hoe tsy manara-dalàna ny fomba fandraharahàna ara-barotry ny Japoney, niala avy amin'ny 63% tamin'ny 1989 ho 24% amin'izao fotoana izao. Mihoatra ny antsasany no mihevitra fa ara-drariny ny politikan'ny fandraharahàna ara-barotr'i Japana manoloana an'i Etazonia.

Raha ny marina, antontan-kevitra avy amin'ny fitsapankevitra iray tany aloha tamin'ny 2014 no kirakirain'ny Pew Research, milaza fa ato ho ato ny fanohanana “totoafo” an'i Japana hisian'ny fifamatorana ara-toekarena bebe kokoa miaraka amin'i Etazonia, fa tsy Shina, dia mety hanakona an'i Etazonia tsy ho amin'ny toerana maha hery ara-toekarena laharana voalohany azy:

Efa ho ny valo amin'ny Japoney folo no miteny (78%) fa zava-dehibe kokoa ny manana fifandraisana ara-toekarena matanjaka amin'i Etazonia, raha 10% no mitanisaan'i Shina. Ireo Japoney tanora no betsaka manohana ny fifandraisana ara-toekarena lalim-paka amin'ny Etazonia raha mitaha amin'ireo efa nahazo taona, saingy ho an'ireo sokajin-taona rehetra, ary eny anivon'ireo zana-tsokajy isankarazany eny anaty fiarahamonina ao Japana dia mbola mavesatra ihany ny fitsinjarazaràn'ny fitiavana an'i Etazonia.

Ny vokatr'ilay fitsapankevitra nosafidian'ny USA Today hasongadina amin'ny lohateny vaventiny eto dia mihoatra noho ny famoahana famintinam-baovao iray avy amin'ny Pew:

Raha ho an'ny isam-batan'olona, ampifandraisin'ny Amerikana aminà toetran'olona tsara ny Japoney, fa tsy mampifandray fitsaratsaram-poana amin'ny vahoaka Japoney izany. Fijery mandrakotra ny Amerikana ny hoe olona miasa mafy, tia mamorona ary marina ny Japoney.

Somary mifamahofaho ihany ny tombana atolotry ny Japoney momba an-dry zareo Amerikana. Ny maro amin'ny Japoney no andrenesana feo hoe tia mamorona ny Amerikana, fa ny antsasany koa miteny fa mahery setra ny Amerikana. Ary azo lazaina ho vitsy ihany no mihevitra hoe tia miasa mafy sy olo-marina ny Amerikana.

Ny tena famintinana an'ilay fitsapankevitry ny Pew ve ?

Mitàna toerana lehibe ao anatin'ny sain'ny andaniny Amerikana sy ny ankilany Japoney i Shina eo amin'ny fomba fijerin-dry zareo ny fifandraisana misy amin'i Etazonia sy Japana.  30% monja amin'ny Amerikana ary 7% amin'ny Japoney no matoky an'i Shina.

Sarotra be ny hamaritra ny fomba nisafidianan'ny USA Today hanasongadina ny lazaina fa fahatsapana miiba ananan'ireo Japoney momba ny Amerikana. Misy fomba fijery ao Japana, araka ny ambaran'ilay fitsampankevitra, hoe tsy olo-marina sy tena miasa mafy toy ny Japoney ny Amerikana, na dia mandany adim-pamantaranandro maro aza ny Amerikana miohatra amin'ireo Japoney mitovy laharana aminy, araka ny filazan'ny OCDE.

Na izany aza, misy ihany ny kely azo ihoriranana ao anatin'ilay fitsapankevitra nataon'ny Pew Research. Azo vakiana eto (Eng) ny famintinana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.