Tajik Mpifindra Monina Ao Rosia: Filaharana Ny Fiainana, Avy eo Maty ianao

Public sentiment in Russia is against Central Asian migrants. Demotix ID: 3139485 Photo by Nickolay Vinokurov.

Tsy dia tsara fandray loatra an'ireo mpifindra monina avy any Azia Afovoany sy Kaokazy ny olona ao Rosia. Demotix ID: 3139485. Sary an'i Nickolay Vinokurov.

Isan-taona, an-tapitrisa ireo mpiasa mpifindra monina avy any Azia Afovoany no nandao ny tokantranony mba ho any Rosia. Any Tajikistan — firenena iray eto ambonin'ny tany isan'ny tena miankina be amin'ny vola alefan'ireo any am-pielezana — efa ho ny antsasaky ny harinkarena faobe no omen'ny vola alefan'izy ireo miverina mody.

Raha toa ka mitombo isan-taona ny tarehimarika momba ny asa, ny ankamaroan'ireo indostria no mijanona tsy miasa ao Tajikistan ary antsasaky ny lehilahy efa tonga taona tokony hiasa no mikaroka asa any Rosia. Mampananosarotra ny fiainana ho an'ireo mpifindra monina mba hamelomana ny ankzy sy ny zokiolona ireo krizy ara-toekarena ao Rosia sy ny fikarakarana taratasy fifindrà-monina manome vahana ny fanaovana kolikoly.

Raha raisina io zava-misy io, tsy atao mahagaga ny tantara nanjo ilay Tajik iray, 48 taona, mpifindra monina maty ny maraina be tamin'ny 6 Aprily, fotoana fohy taorian'ny nahavitàny ireo dingana henjana mba hahazoana fahazoan-dàlana hiasa tao aminà foibe iray misahana ny fifindrà-monina, tsy lavitra an'i Maosko. Tantara nanakoako be teny anivon'ireo mpampiasa ny media soislay tao amin'ny firenena.

Taorian'ny fametrahana antontan-taratasy sy lavotondroho an'ny fahazoan-dàlana hiasa, Komiljon Esanov sy Murod, zanany lahy 18 taona dia nanapa-kevitra ny handany ny alina tao aminà efitrano iray tao amin'ny foibe natokana ho an'ireo mpifindra monina ary niverina nankany Maosko ny ampitson'iny.

Saingy narary tao amin'ilay efitrano i Esanov ary maty teo ampiandrasana ny fahatongavan'ny fiara mpitondra marary.

Raha mbola tsy fantatra na notaterin'ny media Rosiana izay tena antony nahafaty azy, nolazain'i Karimjon Yorov, mpitarika ny vondrom-piarahamonin'ìreo Tajik ao Rosia, fa isan'ny tsy isalasalàna ho nahatonga izany ny ora maro nilaharany hametraka ny antontan-taratasy — Esanov dia niteraka lahy 3 sy vavy iray :

Эсанов вақте бисёр дар берун меистад ва якбора ба гармӣ медарояд, дилаш қувват накарда, ҷон медиҳад.

Nijanona ela loatra nilahatra tany ivelany [tanaty hatsiaka] i Esanov  ary niditra tampoka tanaty toerana mafàna. Tsy nahazaka izany ny fony ary dia maty izy.

Niteny tao amin'ny RFE/RL amin'ny fiteny Tajik, Ozodi, ireo mpiray fiaviana amin'i Esanov, hoe nanangona vola izy ireo mba hampodiana ny vatana mangatsiakany ho any Panjakent, tanàna iray any avaratr'i Tajikistan.

Nohamafisin'izy ireo fa tsy maintsy nandoa 400 dolara ry zareo ho an'ireo fikarakarana nataon'ny tranompaty Boskin tao Maosko, toerana namindrana ny razana avy any amin'ilay foibe ho an'ny mpifindra monina. Araka ny lalàna Tajik, raha tsy manana havana aman-tsakaiza ao Rosia, vonona handray an-tànana ny fandaniana amin'ny fampodiana ny razana ho any an-tanindrazany ilay nodimandry, dia afaka mitatitra maimaimpoana ny orinasam-panjakana misahana fitaterana an'habakabaka ao Tajikistan. Ny sisa tsy amin'io dia ny fandaniana amin'ny fitaterana miala avy ao amin'ny tranompaty mankany amin'ny seranam-piaramanidina, ny vola aloa amin'ny haban-tseranana ary ny vidin'ny vatampaty izay ny fianakaviana no tsy maintsy mandoa azy. 

Ao anaty lahatsoratra iray mivantambantana ao amin'ny Facebook, Izzat Amon, Tajik iray mpifindramonina ao Maosko, mpikatroka mafàna fo miaro ny zo, no nampitaha ny habibian'ireo foibe  Rosiana natao handraisana mpifindramonina ho toy ny Holocaust (toerana famonoana tambabe).

Nokianiny ny governemanta Tajik ho lany andro manenjika ny Miozolmana ao an-tanindrazany raha tokony ho ireo mpifindra monina any ivelany no tokony hojereny: 

Хукумати Тоҷикистон бошад хамаш думболи ришу эзори занхои мардум. Эй кош шумо нисбати мушкилоти мардум хамон тавре харис мебудед ки бо риш мубориза мебаред.

Mandany fotoana betsaka mitsikilo ireo lehilahy lava volombava sy ny [Hijab] fitafim-badin'izy ireny ny governemanta ao Tajikistan. Antenaiko fa mba ho mavitrika ianareo amin'ny fiatrehana ireo olan'ny olona, tahaka ny amin'ny ady ataonareo amin'ny volombava be. 

Noriatan'ireo mpamaky ny Ozodi ihany koa ny sampandraharaha misahana ny fifindramonina ao Rosia.

Gharib, mpamaky iray no nanoratra hoe

ман чанд маротиба шуд меравам ба ин фмс дар он чо одамонро ба мисли рамаи гусфанд мешуморанд ин муомилаи нави русхо мебошад мо точикони хору зор дар рох ба суйи сархад дар скучаю бозор истгоху чангалхо ва дар сохмонхою дигар чойхойи ифлос аз дуне чашм мепушем уффффф сохиб надорем мо..

Vavolombelona nahita maso aho momba ny fomba fitondran'ny Sampandraharaha Federaly misahana ny Fifindrà-monina handraisana ireo olona ho toy ny andian'ondry. Izany izao no fomba fitondrantena vaovao ho an'ny Rosiana. Izahay mahantra,Tajiks very fanantenana, maty eny an-dàlana ho any amin'ny sisintany, eny an'arabe sy toeram-pivarotana, eny amin'ireo tranobe sy faritra hafa maloto. Indrisy, tsy misy miraharaha anay.

Raha tsy mamela ny olona haka sary ny toerana itrangan'izany ireo manampahefana ao amin'ny sampandraharaha misahana ny fifindrà-monina ao Maosko, ireo Tajiks sasany kosa niantso ireo mpiray firenena aminy handrakitra ny korontana ambony ambany misy any amin'ireo foibe Rosiana fandraisana mpifindra monina.

 Эй точикони баномуси Маскав ин шармандабозорро ба навор гирифта ба расонахои ахбори умум фиристед шояд уфмс Русия ба ягон хулоса ояд. Ин киёмат дар хеч дунёи давлати демократи нест. Ягон шароити хучатсупори нест.

Ry Tajiks malala ao Maosko, raketo ity dingana sarotra sy mavesatra ity ka alefaso amin'ny media. Angamba mba handray fepetra ihany ny sampandraharaha Rosiana misahana ny fifindrà-monina. Tsy misy mihitsy tany iray demaokratika eto ambonin'ny tany ka hanana karazana olana tahaka ity. Mila tsy ho azo tanterahana mihitsy ny fametrahana antontan-taratasy momba ny [fifindrà-monina].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.