Ry CNN, Tsy Tanzania i Ogandà

A screenshot of a map of East Africa showing Uganda as Tanzania.

Pikantsary tamin'ny sarintanin'ny AFrika Atsinanana mampiseho an'i Oganda ho Tanzania.

Nandritra ny tatitra momba ny fanafihana an'i Garissa tao Kenya, nampiseho sarintany nanondro an'i Oganda ho Tanzania ny CNN ary nampiseho an'i Nairobi ho tanàna any Nizeria. Tsy dia mahazaka izany loatra ireo mpiserasera Afrikanina maro.

Tena tsy manaja an'i Afrika amin'ny maha-kaontinanta azy ny CNN. Ao Nizeria i Nairobi ary ao Tanzania indray i Ouganda ankehitriny.

Patra, mpandrindra media sosialy ao amin'ny fahitalavitra NTV Oganda nilaza hoe:

Ry CNN, tsy Tanzania i Oganda

Namaly an'i Patra, nanolo-kevitra i Mollel:

Mino aho fa tokony hianatra jeografia ny olona nanao izany tao amin'ny CNN: nilaza hoe Nizeria izy fa tsy Kenya dia ity indray!!

Biko Stephen nanamarika hoe:

Maha-menatra ny ataon'ny CNN. Maro loatra ny fahadisoana!

Nanamafy ny fijerin'ny fampahalalam-baovao Amerikana ny zava-nitranga fa firenena iray i Afrika

Indraindray toa ny CNN no Panafrikanista hiringiriny sisa tavela. Tsy mino izy ireo fa misy dikany ny sisintanim-pirenena na ny anaram-pirenena!

Namely ny mpiasan'ny CNN i Giovanna Bunei :

Ry olona ao amin'ny CNN, nisy olona ao amin'ny efitra famoaham-baovao[nareo] ve nahay jeografia tany am-pianarana?

Mitohy ny fanehoan-kevitra :

Ry CNN, tsy firenena iray i Afrika! Mba nianatra ve aloha izy ireo? Mba miraharaha ve aloha izy ireo?

Chano8 naneho hevitra hoe:

With such small mistakes made by one of the most respectable news networks all over the world, make one simple explanation. They are also human.

Amin'ireo fahadisoana kely maro avy amin'ny tambajotram-baovao manana ny maha-izy indrindra manerana izao tontolo izao, dia tsotra ny fanazavana. Mba olombelona ihany koa izy ireo.

Tao amin'ny Facebook, nilaza i Wamoka Derricke fa tsy ny CNN no olana fa i Oganda no tsy dia malaza:

Its Not CNN's Mistake.
We Are The Onez Who Made A Mistake Bse They Dont Know Us.
THAT SIMPLY SHOWS THAT IN EASTAFRICA, UGANDA IS LESS KNOWN WORLDWIDE.

Tsy Fahadisoan'ny CNN izany.
Isika Ihany No Nanao Fahadisoana Satria Tsy FAntatr'izy Ireo Isika.
MAMPISEHO FOTSINY IZAO FA AO  AFRIKA ATSINANANA, TSY DIA MALAZA MANERANTANY I OGANDA.

Dennis Ntume namaly hoe:

How can you guys be saying they don't know about us when their grandfathers are the ones who demarcated our boarders? They know but are either complacent or, [it was] intended!

Ahoana no hilazanao ry namana fa tsy mahafantatra momba antsika izy ireo kanefa ny raiben'izy ireo no anisan'ireo namaritra ny sisintanintsika? Fantatr'izy ireo saingy na moramoraina na, niniana natao!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.