Nizeriana Mpisera Amin'ny Aterineto, Manana Sahady #LisitryNyHoAtao (#ToDoListForBuhari) Ho An'i Buhari, Filoham-pirenena Vao Lany Teo

Nigeria's president elect Muhammadu Buhari. Photo used with permission from Statecraft Inc.

Muhammadu Buhari., filoha voafidy tao Nizeria. Sary nahazoana alàlana tamin'ny Statecraft Inc ny fampiasàna azy.

Ora vitsy monja taorian'ny nandresen'ilay olon'ny mpanohitra, ny Jeneraly misotro ronono, Muhammadu Buhari, ny filoha amperinasa Goodluck Jonathan, tamin'ny fifidianana tao Nizeria, dia efa nanangona lisitry ny faniriany ahitàna ireo asa ho an'ny filoha voafidy ny sasany tamin'ireo mpifidy tao amin'ny firenena, nampiasàny ny tenifototra #ToDoListForBuhari (LisitryNyHoAtaon-i-Buhari)

Bitsika nalefan'i Sugabely, Nizeriana iray mpiangaly manga sady mpanaingo tantara an-tsary, no nanombohan'ilay tenifototra :

Ry akama!!! Azontsika atao ve ny manomboka tenifototra iray hoe #LisitryNyHoAtaon-i-Buhari ????

Avobe ny fiandrandràn'ireo Nizeriana zavatra avy amin'i Buhari, izay nanao fampielezankevitra narahan'ny teny faneva hoe “Fiovàna“. Hatreto ireo mpampiasa Twitter dia nitaky ny hanatsaràna ny rafi-pitaterana, ady bebe kokoa amin'ny kolikoly, vahaolana azo ampiharina amin'ny tsy fisian'ny asa ho an'ny tanora, fandriampahalemana tsara kokoa, fahafahana miditra amin'ny aterineto, ireo fanamby hisian'ny vahaolana ho an'ny fahasalaman'ny reny sy ny ara-tsaina, ary fametrahana tontolo afaka ivelaran'ny fampiasàna vola. 

Ho fanafoanana ny horohoro ateraky ny vondrona milisin'ny Boko Haram, @kEsquire nanoso-kevitra fa ny filoha voafidy dia tokony :

Hampitombo ny Famatsiam-bola ho an'ny Tafika
— Inona no marina ho anao?

@iammagnetic6 koa dia nanindry ny filàna manao ho laharam-pahamehana ny famonjena ny ain'ireo tovovavy nalain'ny Boko Haram an-keriny tamin'ny Aprily 2014:

AndriamanitraHitahyAniBuhari, AndriamanitraHitahyAniNizeria. #NanapaKevitraNizeria, izay voalohany no voalohany (1) #AverenoNyZanakay

Sandra, mpandray fitenenana amin'ny TedxYouth, nanoro hevitra an'i Buhari momba ny fomba atao handrisihana ireo manamboninahitry ny polisy :

Tsaboy/Diovy aloha ny polisy Nizeriana. Omeo karama tsara. Avoahy ny toby izy ireny ka alefaso hiaina eny anaty fiarahamonina

Amin'ny lohahevitra mitovy ihany momba ny fanavaozana ny polisy, manosoka hevitra i Hassanool Basar hoe :

Havaozy ny polisy Nizeriana – Tsy tokony ho jiolahim-boto tsy mahalala na inona na inona momba ny lalàna no ho polisy hifehy ny Nizeriana

Ny lalàna Sharia, izay ampiasaina betsaka any amin'ireo Silamo maro an'isa any avaratra, dia voakiana mafy ho mikendry tsy an-drariny ny vehivavy. Torohevitr'i Sugarbelly ho an'ilay filoha voafidy ny hoe ny lalàm-panorenana no hany lalàna tokony hitantana ny firenena : 

Akipilizo any ny lalàna Sharia. Ny lalàm-panorenan'ny Repoblika Federalin'i Nizeria  no HANY lalàna tokony hitantana ny Nizeriana

Amin'ny resaka tetibola, sosokevitry ny mpisera ety anaty aterineto ny tokony hisian'ny fihenan'ny fandanian'ny governemanta :

Ny fanapahana ny fandanindaniam-poana ataon'ny governemanta dia manomboka amin'iareo mpanao politika sy ny fanendrena politika. Angatahanay ny fampihenana 70% an'ireo

Tokony hahena ny fandaniana amin'ny fampandehanan-draharaha. Ny fandaniana vola mba hahazoana ampahany betsaka amin'ny tetibola federaly

Mba hiatrehana ny kolikoly any amin'ny asam-panjakana, niantso fanavaozana ny dingana arahana i @temisol :

Amboary ny rafitry ny asam-panjakana mba tsy hisian'io fahabangana goavana mitsetsitra ny loharanon-karena no sady miteraka vokatra ambany noho ny tokony ho izy io

Ny filàna famatsiana herinaratra tsy tapaka no tena ambony be ao anatin'ilay lisitry-ny-hatao. Nitolona tamin'ny famatsiana herinaratra tsizarizary hatrany i Nizeria. Dia niteny indray i @sugabelly

Akipilizo any ireo vondrom-pihary herinaratra Cartels. Mila herinaratra tsy tapatapaka ny Nizeriana mba hamokarany

Fahamarinan-toeran'ny Solika, iray tamin'ireo hafatra fototra fanentanana nataon'ny filoha voafidy. Ho fanatràrana io tanjona io, nanoso-kevitra i Abibba Princewill ny mba hampiasàna vola betsaka amin'ny sehatry ny solika :

Tohizo ny fampiasàna vola betsaka ao amin'ny Delta-n'i Niger + omeo vola fandrisihana ny Nizeriana hianatra ny STEM (Siansa – Teknolojia – Enjinieria – Matematika)

 Nohamafisin'i @eldivyn ny filàn'ny filoha Buhari mifantoka amin'ny fampanjariana ny fanatsaràna ny sehatry ny fahasalamana :

Ny fahasalaman'ny reny. Ny fahafatesan'ny zaza. Ny teknolojian'ny fahasalamana. Ny fahasalamana ara-tsaina. Izay rehetra mifandray amin'ny resaka fahasalamana. Mangirifiry izahay

Ary raha resaka fanamby momba ny fanabeazana ao Nizeriaa, soso-kevitr'i Rio Deja Naija ny hoe :

Manangàna sekoly tsara kokoa dia tsy handeha hivenjivenjy eny an'arabe hivarotra rano & Gari ny ankizy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.