Ampitson'ny Nanesorana Ny Lalàna Miaramila, Mpianatra Patani Nosamborina Tao Atsimon'i Thailandy

Thai Muslims gather in solidarity against army detention of  students. Photo from Free Voice, used with permission.

Miozolomana Thailandey mitangorona ho fanehoana firaisan-kina noho ny vaovao nisamboran'ny tafika ireo mpianatra vitsivitsy. Sary avy amin'ny Free Voice, nahazoana alalana.

Andro iray taorian'ny nanesoran’ny Filankevi-pirenena ho an'ny Fandriampahalemana sy ny Ffilaminana ny lalàna miaramila tao Thailand, voalaza fa nisambotra mpianatra 22 avy ao amin'ny Oniveriste Princess of Naradhiwax ao amin'ny faritany Narathiwat rotidrotiky ny ady ireo polisy manampahefana.

Namoaka fanambarana miantso ny famotsorana tsy misy hatak'andro ireo nosamborina sy ny hanesoran'ny jadona miaramila ny lalàna miaramila “mbola mitohy” ao Patani, Yala ary Narathiwat, antsoina mahazatra ho faritra “farany atsimo” be Miozolomana ny Federasionan'ny Mpianatra sy ny Tanora Patani (PerMAS).

Ravan'ny fiokoana, ny fahantrana ary ny fanjakazakan'ny miaramila nandritra ny folo taona farany ireo faritany atsimo ireo. Niantraika tamin'ny fiainan'ireo olon-tsotra marobe izay matetika ampangain'ny tafi-panjakana ho miray fo na manohana ireo hery mpikomy ny fifanandrinana.

Mandritra izany fotoana izany, nampandre ny Global Voices ny Free Voice, drafitr'asam-pampitam-baovao tantanin'ireo mpianatra Patani fa nisy ireo mpianatra nosamborina nandritra ny fanenjehan'ny miaramila tao amin'ny trano lehibe fatorian'ireo mpianatra marobe ao amin'ny Hopitaly Narathiwat Rajnakharin, Kampong Tako ‘, Polytenic College, ary Lorong Narakul.

Families of detained students waiting for answers from Thai military. Photo from Facebook page of Free Voice.

Fianakavian'ireo mpianatra notànana miandry valinteny avy amin'ny miaramila Thailandey. Sary tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Free Voice.

 

In search for answers, parents travel through heavy security. Photo from Facebook page of Free Voice.

Amin'ny fitadiavan'izy ireo valinteny, manavatsava ireo fiarovana goavana ny ray aman-dreny. Sary tao amin'ny pejy Facebookn'ny Free Voice.

Araka ny filazan'ny Free Voice, naneho ny ahiahiny mikasika ny ain'ireo gadra ny mpianatra sy ny tanora. Maro ireo niezaka ny hihaona sy miantso ny manampahefanan'ny tafika mba hamotsotra azy ireo. Nilaza ihany koa izy fa mpianatra 11 tamin'ireo 20 no notànan'ny manampahefana ao amin'ny toby miaramila Julaporn, toby miaramila Kaotanyong ary toby (miaramila) Pileng.

Student movements expressing their concerns to the Thai army. Photo from the Facebook page of Ihsan Cikwan Patani.

Vondrona mpianatra maneho ny ahiahin'izy ireo tamin'ny tafika Thailandey. Sary tao amin'ny pejy Facebookn'i Ihsan Cikwan Patani.

 

Students and young people offering prayers for the safety of the detainees. Photo from Free Voice.

Mpianatra sy tanora mivavaka ho fiarovana ireo voatazona. Sary avy amin'ny Free Voice.

 

Rally for freedom, while army personnel took photos. Photo by Free Voice.

Fihaonana mitaky fahafahana, naka sary izany ny avy amin'ny miaramila. Sary avy amin'ny Free Voice.

 

Support from Aceh, Indonesia. Photo from Facebook page of Hermanto Muhammad.

Fanohanana avy any Aceh, Indonezia. Sary tao amin'ny pejy Facebookn'i Hermanto Muhammad.

Rehefa nanontaniana mikasika ny fihetsiky ny vahoaka, dia nilaza ny Free Voice fa nahazo fanohanana avy ao Bangkok sy ireo firenena manodidina ihany koa ny fiarahamonina :

We see a small but growing movement for justice as far as Aceh, Indonesia and Malaysia. We hope to see more calling for the freedom of our fellow students.

Hitanay ny hadiniky ny hetsika saingy miha-mitombo mitaky ny rariny tonga hatrany Aceh, Indonezia ary Malezia. Manantena hahita antso maro mitaky ny fanafahana ireo mpiara-mianatra aminay izahay.

Mponina maro, indrindra ao amin'ny fiarahamonina Miozolomana no mahatsiaro voahilik'ireo faritany hafa ara-tsosialy sy ara-toekarena. Mety hisy fiantraikany amin'ny fizotry ny fifampiresahana hoavy eo amin'ireo mpioko sy ny fitondrana miaramila ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona sy ny fandrahonana atrehin'ny fiarahamonina, miampy ity fitànana am-ponja vao haingana ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.