Fianakaviana Iray Tao Fukushima: Ny Niampitàny Ny Efatra Taona Taorian'Ilay Horohorontany Lehibe Tany Atsinanan'i Japana

"After Tsunami at Haramachi, Minami-soma, Fukushima, Japan." Photo courtesy Flickr user Jun Teramoto.

“Taorian'ny tafiotran-drano maherye (tsunami) tany Haramachi, Minami-soma, Fukushima, Japana.” Sary natolotry ny  mpampiasa Flickr Jun Teramoto.

Nanamarika ny efa-taonan’ilay  horohorontany sy tafiotran-drano mahery tany Tohoku tamin’ny 2011 ny 11 Marsa. 20.000 teo ho eo no olona maty noho ny horohorontany mafy izay niteraka onjan-drano, ary olona 230.000 teo ho eo no voatery nifindra monina.

Nanoritsoritra antsipirihany ny fomba fiantraikan’ilay loza tany amin’ny anabaviny kely indrindra sy ny fianakaviany ny bilaogera Japône iray, Takayoshi Saito. Nipetraka teny akaikin’ilay foibe famokarana herinaratra amin'ny nokleary tao Fukushima Daiishi izy ireo izay lasa sehatra nitranganà loza iray hafa mafy kokoa taorian’ilay horohorontany sy tafiotran-drano mahery.

Nadika ary navoaka ato amin’ny Global Voices miaraka amin’ny fahazoan-dalana nomen’ny mpanoratra ny andian-tsoratra manaraka eto.

‘Nanangana Trano Vaovao Manaraka ny Fepetra TEPCO ny Anabaviko, Nanangana Tranom-pokonolona Vaovao ny Tananan’I SOMA’.

Ny tanànan’I Soma ao amin’ny prefektioran’i Fukushima no tanàna niaviako. Nonina tena faran'izay akaikin’ilay foibe nokleary famokarana herinaratra ao Fukushima tao Okuma ny anabaviko kely indrindra sy ny fianakaviany. Niasa tao Fukushima Daiichi toy ny mpiasa rehetra tao aminà orinasa iray misahana fiambenana ny vadiny, rantsana iray an’ny TEPCO (Tokyo Electric Power Company, Inc) misahana ny fitantanana ireo fotodrafitrasa tao.

Efatra taona lasa izay, tamin’ny 11 Marsa 2011, ratsy loatra ny toe-draharaha tao Fukushima Daiichi ka tsy nisy niraharaha ny momba ny fotodrafitrasa intsony. Noho izany, nanapa-kevitra ny hiala tao Okuma ny anabaviko sy ny vadiny niaraka tamin’ny zanany vavy 1 taona.

Tany Tokyo aho, ary tsy nanam-bitana mihitsy rehefa nanandrana niantso ny anabaviko sy ny ray aman-dreniko tao an-tanànan’ Soma. Nanahy mafy ny amin’izy ireo aho, kanefa tsy nisy azoko natao ka dia nolaniako tamin’ny fibitsihana zavatra toy ny hoe “Ohhhhhhh, teraka ny fititobiam-piaramanidina noklearin’i USS Ronald Reagan !!!!” ny fotoanako.

Indray mandeha ihany aho no afaka niresaka tamin’ireo ray aman-dreniko tany Soma tamin’ny telefaonina. Nanome vaovao ahy izy ireo tamin’ny fitenenana hoe: “Tsy naninona ny tranonay. Nifindra any an-tanànan’I Tamura ao amin’ny prefektioran’I Fukushima ny anabavy kelinao sy ny fianakaviany. Nijanona any Okuma ny rafozandahin’ny anabavinao satria mpamonjy voina mpirotsaka an-tsitrapo izy.”

Tao aorian’izay resaka izay, nijery fahitalavitra aho aho ka nahalala fa nitarina ny toerana tsy maintsy ialàna ka tafiditra tao anatin’izany i Tamura.

Avy eo, tsy haiko intsony izay niafaran'ny anabaviko sy ny fianakaviany. Nanahy aho raha afaka niala an’i Tamura izy ireo, kanefa tsy afaka nahazo azy aho. Ny nijery ny aterineto no sisa azoko natao. Namaky adihevitra nataonà andian’olona roa nifanipa-kevitra aho – ny andaniny manamafy ny filaminan’ny toe-javatra any Fukushima Daiichi ary ny ankilany izay malahelo mafy noho ny loza ateray ny toe-draharaha.

Rehefa nitety ny tranonkala aho, nahita fa vatampaty no fitaovana voalohany tonga tany Soma. Lasa tranompaty vonjimaika ny Lisea ho an'ny Ankizivavy tao Soma, izay nahafaly ahy ny nandalo tao tamin’izaho mbola mpianatra.

Nentina nankao ireo vatana mangatsiaka maro tsy voamarina avy any amorontsiraka, izay voadona mafy tamin’ilay tafiotran-dranobe. Tonga tao Soma ihany koa ireo Hery Fiarovana Japôney (JSDF) ary nanomboka ny asa fanavotana.

Nanodidina izy fotoana izay, nanontany ny sipany izay polisy ny anabaviko vaviaivo, izay mipetraka any amin’ny tanànan’i Urawa, prefektioran’i Saitama (avaratr’I Tokyo kely fotsiny), mba hitodi-doha any avaratra hitady ny rahavavy kelinay. Hitan’izy ireo ny rahavavinay sy ny fianakaviany tao anatin’ireo nafindra monina tany an-tanànan’i Kita Ibaraki (eo ambany kelin’ny morontsirak'i Soma sy Okuma fotsiny).

Nampidirin’izy roa tao anaty fiara izy ireo ka niverina tany an-tanànan’I Urawa. Nandritra izany fotoana izany, nitety ny aterineto fotsiny aho. Toa ireny anadahy tsy misy ilàna ahy ireny aho tamin’io fotoanan'ny hamehana io.

Niresaka tamiko ny anabaviko vaviaivo ary niteny fa hifampizara ilay toerana fanaovana mozika ao an-tanànan’I Urawa amin’ny anabavikeliko sy ny fianakaviany izy aloha – izany hoe olona efatra mipetraka ao amin’ny trano tery kely.

Tsy afaka nanampy loatra aho, kanefa nieritreritra fa tsy maintsy mila vola izy ireo. Noho izany, naka vola tao amin’ny Bankin’I Mizuho aho, izay voaelingelina nandritry ny fotoana voafetra noho ny hamaroan'ireo olona malala-tanana niezaka nitondra fanampiana ho an'ireo olona voakasik’ilay loza.

Nankany Urawa aho niaraka tamin’ilay vola ary nanome izany an’ireo anabaviko. Niainan'ny tao Urawa tamin’izany ny fanapahana ny herinaratra ho fandaminana mba hitsitsiana ny herinaratra avy amin'ilay  tambajotra efa vizana, ary dia toa niaina fahatapahan-jiro kely ireo anabaviko.

Rehefa nomeko azy ireo ilay vola, niteny ny anabaviko kely indrindra hoe: “faly aho fa tsy nisy naninona isika rehetra”, avy eo nitomany.

Nipetraka tao Urawa nandritra ny iray volana teo ho eo ilay anabavy keliko talohan’ny niverenany tany Soma, ka tany dia afaka nifindra nankany aminà toeram-pialofana vonjimaika iray izy ireo.

Rehefa nitsidika an'i Soma aho herintaona taty aoriana dia nahita ilay fialofana vonjimaika nisy ny anabaviko. Trano hazo izay hita fa natao tao tamin'ny fomba maika izany; efa nanomboka lò sahady ilay hazo teny ambany.

Nitondra Anpanman iray aho (mpilalao sarimiana iray malaza ao Japan) ho kilalaon’ny zanak’anabaviko, kanefa tsy afaka ny tsy alahelo azy ireo aho.

Efatra taona izay no lasa, nanangona vola avy amin'ny vola fanampian’ny TEPCO ny fianakavian’ny anabaviko, ka nanorina trano vaovao ao Soma izy ireo.

Nisy zazakely iray teraka tao anatin’izany fotoana izany, ka manan-janaka vavy kely roa izy ireo izao. Nilaza tamiko ny fianakavian’ny anabaviko fa nahazo vola fanampiana tsara avy tamin’ny TEPCO izy ireo satria mandoa vola na dia ho an’ireo zazakely ihany koa aza ilay orinasa, ka noho izany, mandray vola ho an’olona efatra ny fianakavian’ny anabaviko.

Toa liana amin’ny hanaovana fandidiana maso amin’ny “laser” sy ny fanafotsiana nify ny zaodahiko. Salama ara-bola izy ireo. Tsy mankahala ny TEPCO araka ny voalazan'ireo tatitra fanadihadiana ao amin’ny fahitalavitra ny olona akaiky ahy ao amin’io faritra io.

Any an-tanànan’I Soma, nanomboka tamin’ny alalan’ny Lapan’ny Tanàna vaovao ny asa fanorenana. Nalaina avy amin’ny bikan’ny ambany rihana Japôney tamin’ny fotoana taloha antsoina hoe “Kura-zukuri” ny fanorenana io efitrano malalaka io.

Ilay lapan’ny tanàna taloha anefa tsy simban’ilay tafiotran-drano, ary manontany tena aho hoe tsy misy amboniny ve ny tetibola ho an’ny fanarenana ka aleon'izy ireo manao fandaniana tahaka izao.

Nandeha tany amorontsiraka ihany koa aho, kanefa lasa tany ngazana ilay tanàna kely izay nahazatra ahy ny nahita trano fivahinianana maro teo. Navela ho simba ireo trano lehibe sasany. Nalaza tamin’ny fambolena lomotra foana I Soma, kanefa mbola aloha loatra izao raha hamerina ny orinasa.

Monina ao Soma ny reniko. Indray mandeha, raha nitondra fiara, niheno hira Japôney efa taloha be nantsoina hoe Matsukawaura Ohashi Ondo (dihin’ny Tetezan’i Matsukawaura) izy.

Nilaza ny reniko fa mampahatsiaro azy an’I Soma talohan’ilay horohorontany ilay hira. Matin'ilay tafiotran-drano nandritra ilay horohorontany ny mpihira io hira io.

Efa-taona izay no lasa taorian’ilay horohorontany.

soma horses

Olona avy any amin’ny tanànan’I Uda izay mamindra ao anatinà filaharana toy ny ampahan’ny fetin’ny fihazana soavaly dia ao Soma. Taorian’ilay horohorontany aho no naka ity sary ity.

Fanarahana

Ny volana lasa teo, nitsidika an’I Soma aho mba hiteny tamin’ny fianakaviako momba ny diako farany hankany amin’ilay tanànako vaovao (lotissement). Nanantena ny hiverina tany an-tany niaviako toy  ny olona nahavita zavatra goavana aho. Niteny tamin’ny ray aman-dreniko aho hoe: “Tsy afaka nankaty aho satria tsy nanana vaovao tsara”. Niteny izy ireo: “Fonenanao ity. Afaka miverina aty foana ianao”

Hiezaka indray aho, mafimafy kokoa, mampanantena aho.

Momba ny mpanoratra

Takayoshi Saito (齊藤貴義) no filohan’ny Sanbo Honbu, orinasa Japoney lohalaharana amin'ny famoronana tranonkala aterineto. Niasa niaraka tamin’ny orinasa Japôney lehibe maromaro momba ny aterineto i Saito, isan’izany Livedoor, izay nandraisany an-tanana ny fiketrehana ny Livedoor Reader. Amin’ny ankapobeny, fantatra amin’ny alalan’ny kaonty Twitter tazoniny @miraihack ao amin’ny aterineto I Saito.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.