Mampitandrina Ireo Menavazan'ny Ebola Fa Mila Mailo Hatrany Na dia Mihena Aza ny Isan'ny Trangan'aretina

BBC correspondent Tulip Mazumdar conducts an interview in Guinea in December 2014. "They were telling me they didn’t believe Ebola was a real virus," she says, but things have changed in the ensuing months. Credit: Courtesy of Tulip Mazumdar. Published with PRI's permission

Tulip Mazumdar, mpanao gazetin'ny BBC nanao fanadihadiana tao Ginea tamin'ny Desambra 2014. “Nilaza tamiko mikasika ny tsy finoany izy ireo fa tena otrik'aretina ny  Ebola,” hoy izy, saingy niova izany fomba fijery izany ny volana manaraka. Sary: Tulip Mazumdar. Nahazoan-dalana avy amin'ny PRI’.

Nivoaka voalohany tao amin'ny PRI.org tamin'ny 24 Martsa 2015 ity lahatsoratra sy tatitra amin'ny onjam-peo avy amin'i David Leveille hoan'ny The World ity izay tafiditra ao anatin'ny tetikasan'ny Human Needs, ary navoaka indray ato amin'ny Global Voices noho ny fifanekena fifampizarana vontoaty.

Misy ireo vaovao tsara sasantsany avy any amin'ireo firenena Afrikana Tandrefana niharan'ny aretina Ebola – mijotso ny isan'ireo trangan'aretina vaovao ary efa nisokatra indray ny sekoly sasany – saingy ho ela vao hivaha ny olana.

Nilaza i Dr. Oliver Johnson, mitarika ny Fiaraha-miombon'antoka The Kings Sierra Leone ao Freetown – fiarahamiasa amin'ny governemanta Britanika – fa mbola miasa ny Ebola ary misy ireo olona vaovao tratran'izany aretina izany ao anatin'ny fotoana rehetra. “Mbola tsy tafavoaka ny ala isika,” hoy izy. “Olona efatra na dimy isan'andro no hita fa mbola tratran'izany aretina izany- ary matetika ao Freetown – ka mailo tsara isika fa tsy maintsy mandray fepetra haingana.”.

HItan'i Johnson ny fiantraikan'ny ezaky ny iraisam-pirenena tao amin'ny hopitaly ao an-tanànany ao Freetown, dia ny foibem-pitsaboana ny aretina Ebola. “Zatra nilahatra tao ivelan'ny hopitaly sy ny fandriana rehetra feno izahay,” hoy izy mahatsiaro. “Zatra nahita marary vaovao fito na valo isan'andro izahay. Ankehitriny nidina roa na telo isan-kerinandro ireo marary. … Saingy tsy azo ihodivirana izany fironana [mihatsara] izany. Mandra-pahafonanan'ny aretina tanteraka, dia mbola maro ny zavatra tsy vita. “

The BBC's Tulip Mazumdar traveled across West African nations affected by Ebola to see how local authorities are dealing with the virus. Credit: Courtesy of Tulip Mazumdar. Published with PRI's permission.

Nivezivezy manerana ny firenena Afrika Andrefana tratran'ny Ebola i Tulip Mazumdar avy ao amin'ny BBC mba hijery ny fomba iadian'ireo manampahefana ny aretina. Sary avy amin'i Tulip Mazumdar. Nahazoan-dalana avy amin'ny PRI.

Niova ihany koa ny fomba fijerin'ny vahoaka momba ny aretina, araka ny filazan'i Tulip Mazumdar, mpanao gazety ara-pahasalamana manerantany ao amin'ny BBC izay nitsidika imbetsaka an'i Afrika Andrefana nandritra ny taon-dasa mba hitatitra momba ny olan'ny Ebola. Tsaroany ny fahatongavany tao an-tanàna kely iray ao Ginea tamin'ny  fotoam-pahavaratra izay nankahalan'ny mponina ireo mpiasan'ny fahasalamana – na dia efa nieli-patrana aza ny aretina.

“Nisy mihitsy ireo mpiasan'ny fahasalamana sasany no nifindran'ny aretina,” hoy i Mazumdar. “Tsaroako tamin'izaho nankao ary raiki-tahotra tanteraka ny olona. Tsy fantatr'izy ireo izany zavatra izany. Mpikambana maro tao amin'ity fiarahamonin'izy ireo ity no maty tamin'izany fomba mampivarahontsana izany. Tsy fantatr'izy ireo akory izay zava-nitranga.”

Saingy nandeha teny ny fotoana, hoy izy, ary niova ny fahatakaran'ny olona mikasika ity aretina ity. “Nankao Freetown aho roa volana tatỳ aoriana. Manemitra ny ivelan'ny tranom-panjakana rehetra ny siny misy “chlore”; naraha-maso in-dimy hatramin'ny in'enina isan'andro ny maripananay; ahitana afisy lehibe momba ny Ebola manerana ny tanàna izay milaza amin'ny vahoaka mba tsy hifampikasika satria avy amin'izany no ielezan'ny aretina, “hoy Mazumdar.

Ary na dia mety hihena aza ny isan'ny trangan'ny aretina, mampitandrina i Mazumdar, tahaka an'i Johnson fa mila mailo amin'ny Ebola hatrany ireo mpiasan'ny fahasalamana sy mpanoratra gazety, “Mbola ho ela vao ho fongana ny aretina,” hoy izy, “ary mitohy ao Sierra Leone [sy] Ginea, sy ny firenena hafa ao Afrika Andrefana izany, ary atahorana ihany koa ny an'izao tontolo izao.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.