Somaliana Amerikàna: Miady Hanavotra Ny Vola Tahiriny Ho An'Ireo Havany Any An-tanindrazana

Buses in Hargeisa, Woqooyi Galbeed, Somalia. Photo by Flickr user Charles Roffey. CC BY-NC-SA 2.0

Fiarabe fitaterana any Hargeisa, Woqooyi Galbeed, Somalia. Sary avy amin'i Charles Roffey, mpampiasa Flickr. CC BY-NC-SA 2.0

Niseho voalohany tao amin'ny PRI.org ny 10 Martsa 2015 ity lahatsoratra ity sy ny tatitry ny radio nataon'i Ryan Katz ho an'ny The World, ary naverina nalefa noho ny fifanarahana fifampizaràna  votoaty.

Manana fomba fanao efa narahany isam-bolana nandritra ny taona maro i Abdi Awali: Mankany aminà toerana iray fandefasam-bola eo akaikin'ny tranony any Minneapolis izy, manome ny ambangovangony fototra ilain'ilay mpiasa ary manisika 100 dolara eo amin'ny varavarankely. Avy eo miditra amin'ny Facebook izy ary manara-maso miaraka amin'ny nenitoany any Somalia.

 

Eny, azony ilay vola. Voamarina.

“Vehivavy mipetraka irery anie izy” hoy i Awali. “Tsy manana asa izy, tsy manana fiahiana ara-pahasalamana, tsy misy na inona na inona. Tsy dia zavatra lehibe izany ho antsika, fa tena olana lehibe kosa ho azy ireo. 50 dolara na 100 dolara fotsiny, ampy tsara ho an'ny volana iray manontolo izay.”

Isan'andro, mandefa vola ho an'ireo havany any amin'ny firenena hafa ireo olona any Etazonia. Ireo fandoavam-bola ireo, antsoina hoe fandefasam-bola, dia manampy amin'ny fandoavana ny zavatra rehetra, manomboka amin'ny hofantrano, ny sakafo ary hatramin'ireo fitaovana any an-tsekoly.

Ho an'ireo Somaliana, fomba iray tena ilaina amin'ny fahazoam-bola avy any ivelany ireo fandefasam-bola ireo, satria tena tsy ampy ny fisian'ny banky ara-dalàna any Somalia. Fa tato ho ato, noferana tsy nahazo nandefa vola tany an-tanindrazany intsony ireo Somaliana Amerikàna. Izany dia tamin'ny nampitsaharan'ny “Merchants Bank of California” ny fandefasam-bola, ilay hany banky any Etazonia mbola vonona ny niara-niasa tamin'ireo orinasa mpandefa vola, antsoina hoe “hawalas” amin'ny teny Arabo, izay maro no tantanan'ny Somaliana.

Maro ireo banky hafa sasany niverin-dàlana ka tsy nandefa vola avy any Etazonia mankany Somalia, izy ireo izay miaritra ny teritery avy amin'ny Departemantan'ny Tahirim-bola mba tsy hanome vola ho eny an-tànan'ireo mpampihorohoro. Mitodika amin'ilay vondrona mpikatroka al-Shabab ny ahiahy, izay, araka ny fikarohana nataon'ny “Institute of Security Studies” (Ivontoerana Fikarohana ny Filaminana), dia mampiditra mpikambana amin'ny vola 50 dolara monja.

Taorian'ny nialàn'ny Merchants Bank, niparitaka tao amin'ny vondrom-piarahamonina Somaliana Amerikana ny tebiteby, ary famonjena ara-bola iray mba entina miaina no natsahatra tampoka.

“Mandefa vola mitentina 1.3 lavitrisa dolara isan-taonaho an'ireo havany akaiky any Somalia ireo Somaliana mpila ravinahitra,” hoy i Scott Paul, mpanolontsaina voalohany amin'ny politika momba ny mahaolona ao amin'ny Oxfam America, miompana manokana amin'ny Afrika Atsinanana. “Mihoatra noho fitambaran'ny fanampiana voarain'ny firenena noho ny maha-olona sy ny fampiasam-bola avy any ivelany.” Ny ankamaroan'ireo vola alefa ireo dia ampiasaina amin'ireo filàna fototra andavananandro.

Abdulaziz Sugule, ny filohan'ny “Somali American Money Service Association” (Fikambanana Fandefasam-bola Somaliana Amerikana), dia mangataka ireo orinasa kely mpandefa vola tantanan'ny Somaliana — ireo izay niara-niasa hatrizay tamin'ny Merchant sy ireo banky hafa — mba hiara-hiasa amin'ireo banky any Minnesota. “Ho an'ny olana amin'ny maha-olona io,” hoy izy.

Hatramin'izao, manaiky miara-miasa ireo banky sasany, saingy tsy fantatra aloha hoe haharitra hatramin'ny oviana ny faharetan'ireo fiaraha-miasa ireo.

Safotofoto mampitahotra an'i Katra Ismael, mpitsabo mpanampy izay nandefa vola ho any amin'ny fianakaviany any Somalia efa maherin'ny 20 taona izao. “Volanao io izay azonao ary tianao omena ny fianakavianao mba hahazoany sakafo ho eo an-databatra,” hoy izy.

Ao amin'ny “Sagal Restaurant”, toeram-pisakafoanana malaza amin'ireo Somaliana any Minneapolis, manahy i Mohammad Noa fa mety hisy fiantraikany amin'ny lafiny maro ho an'ny fianakaviany ilay fampiatoana ny fandefasam-bola. Manana zanaka miisa enina izy mijanona any an-tranony ary mieritreritra izy fa hanome vahana ireo vondrona mahery setra sahala amin'ny al-Shabab ny fampiatoana ny fandefasam-bola.

“Rehefa tsy afaka mandeha an-tsekoly ireo ankizy satria tsy manam-bola handoavana ny saram-pianarany, lasa mora voatarika izy ireo ary mihaino ny fanakaramàna azy hiditra ao amin'ilay vondrona,” hoy izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.