Mitombo Ny Isan'ireo Olo-tsotra Mamoy Ny Ainy Noho Ny Daroka An'habakabaka Tarihin'i Arabia Saodita Ao Yemen

Photograph shared by Yemeni journalist Nasser Arrabyee on Twitter  @narrabyee on Twitter

Sary nozarain'ilay mpanoratra gazety Nasser Arrabyee
@narrabyee tao amin'ny Twitter

Olo-tsotra 18 no namoy ny ainy ary 24 no naratra noho ny daroka baomba an'habakabaka nataon'i Arabia Saodita sy ireo mpiara-dia aminy tamin'ireo Houthi mpikomy ao Yemen androany vao maraina, hoy ny Minisiteran'ny Fahasalamana Yemenita.

Nanomboka nidaroka baomba an'habakabaka an'i Yemen ny firaisan'ireo firenena 10 ahitana an'i Bahrain, Qatar, Emirà Arabo Mitambatra, Koety, Sodana, Maraoka, Pakistana, Ejipta ary Jordania hiadiana amin'ireo Houthi mpikomy, nifehy an'i Yemen tamin'ny volana Janoary. Nahazo fankatoavana feno avy amin'i Etazonia, mpiara-dia goavana amin'i Saodiana ny hetsika antsoina hoe Operation Decisive Storm (Hetsika Tafio-drivotra Mahatapaka),.

Tao amin'ny Twitter, nabaribary ny isan'ireo olona namoy ny ainy tamin'ny fanafihana raha nahita ny vono olona tao an-drenivohitra Sanaa ny Yeminita. Nitranga vao afaka ny tamin'ny 2 ora maraina ny daroka baomba voalohany.

Yemen Updates nisioka hoe:

Minisiteran'ny Fahasalamana: olo-tsotra 18 no namoy ny ainy ary 24 hafa naratra nandritra ny fanafihana nataon'ny Saodiana tao Sanaa, avy amin'ny SabaNews.

Nisioka ilay Yemenita mpikatroka ara-politika Ammar al-Aulaqi fa niala an'i Sanaa ny fianakaviana taorian'ny daroka baomba an'habakabaka nitranga tamin'ny 6:09 maraina:

Goavana ny fitohanan'ny fifamoivozana ao amin'ny arabe mivoaka an'i Sanaa, mandositra avokoa ny fianakaviana manontolo maro amin'izao fotoana izao. – Ammar Al-Aulaqi (@ ammar82)

Tahaka an'i Ammar El Aulaqui ihany koa, Yemenita mpisera Twitter marobe no nizara sary misy ireo fahasimbana nateraky ny daroba baomba an'habakabaka namely ireo faritra manodidina ao avaratr'i Sanaa.

Maro ireo niharam-boina noho ny ady Saodiana/Amerikana ao Yemen. Tatitra momba ireo niharam-boina marobe ao amin'ny faritra mifanolo-bodirindrina ao avaratr'i sanaa.

Ireo trano rava tao Sanaa nokendren'ny ady notarihan'i Arabia Saodita sy Etazonia tao Yemen.

Ao amin'ity faritra mifanolo-bodirindrina amin'i Sanaa ity, vehivavy sy ankizy marobe no namoy ny ainy.

Nisioka momba ireo tranon'olo-tsotra ravan'ny fanafihana ihany ilay Yemenita mpanoratra gazety, Nasser Arrabyee.

Trano sy fiaran'olo-tsotra ao akaikin'ny seranam-piaramanidin'i Sanaa ao Yemen potipotiky ny daroba baomban'i Saodiana androany maraina.

Nisioka ilay Yemenita bilaogera sady mpikatroka Afrah Nasser fa ady mihoso-drà eny an-dalana ahitana niharam-boina marobe no zava-misy ankehitriny ao Aden.

.@lina22980 ao #Aden nisioka hoe: ady eny an-dalambe amin'izao fotoana izao no miseho ao Aden. Mitsirara maneranay ny lalana ireo vatan'ireo voatifitra.

Nanasongadina ny krizy maha-olona izay mbola hiharatsy kokoa aorian'izao fanafihana izao ihany koa izy, satria olona maherin'ny 15,9 tapitrisa no mila karazana fanampiana maha-olona ao Yemen.

olona 15,9 tapitrisa – mihoatra ny 8 % noho ny tamin'ny taon-dasa  ankehitriny no mila karazana fanampiana maha-olona ao Yemen.

Ny toerana ratsy dia ratsy mahazo ny mahaolona no tena voia. Mety hitarika fitomboan'ny herisetra ny mosary & tsy ny fisian'ny tolotra kely indrindra

Farany, mampiseho ny isan'ireo olo-tsotra namoy ny ainy sy ireo naratra tsy mitsaha-mitombo noho ny tsy fisian'ny foto-drafitr'asa ao an-toerana hiarovana ny olo-tsotra mandritra ny fotoanan'ny ady, indrindra amin'ny daroka an'habakabaka ny sioka avy amin'i Hisham Al-Omeisi.

Tsy misy fialokalofana hiarovan-tena amin'ny baomba, na karazana trano fialokalofana ao Sanaa..sady tsy nanampò ny isian'ny daroka an'habakabaka/ daroba baomba isika hiomanana hiatrika izany.

Aza miala manaraka ny fitantarana ny zava-miseho ao Yemen

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.