Nahazo Olona an-Tapitrisany ny Fanomezam-Boninahitry ny Fokonolona ho an'i Lee Kuan Yew ao Singapaora

Community tribute at Bedok Town Centre

Fanomezam-boninahitry ny Fiaraha-monina ao amin'ny Bedok Town Centre

Mihoatra ny iray tapitrisa ny olona ao Singapaora no nivory tany amin'ny ivontoeram-piarahamonina 18 ao amin'ny firenena tamin'ny herinandro lasa teo hanome voninahitra ny Praiminisitry ny Firenena Voalohany indrindra Lee Kuan Yew, izay nodimandry tamin'ny 23 Marsa 2015.

Najoro ny ‘fanomezam-boninahitry ny fiarahamonina rehefa nihoatra ny enina ora ny fotoana lanin'ny olona te-hitsidika itompokolahy Lee Kuan Yew ao amin'ny Lapan'ny Antenimiera.

Lee Kuan Yew no mpitarika nanorina an'i Singapaora izay nitondra nihoatra ny telopolo taona. Rehefa tapitra ny fotoa-piasany tamin'ny 1990, dia mbola nanohy ny fanompoany amin'ny maha-minisitry ny Fanoloran-tsaina azy ao amin'ny governemanta. Ny zananilahy no praiminisitra amin'izao fotoana izao.

Lee Kuan Yew dia tsarovana ho ilay lehilahy nitarika ny fanovana an'i Singapaora avy amin'ny tanàna mahantran'ny nosy nandritra ny taompoloon'ny 1960 ho lasa tanàna goavana manankatao amin'izao fotoana.

Mpitarika manana herim-panahy ao Azia-Pasifika ihany koa i Lee Kuan Yew. Tamin'ny herinandro, mpitondra mambony vahiny 170 avy amin'ny firenena 27 no nanome voninahitra an'i Lee Kuan Yew tao amin'ny Lapan'ny Parlemanta.

Saingy ny ‘fanomezam-boninahitry ny fiarahamonina’ izay andehanan'ny sarangam-piaramonina rehetra no ahafahana manamafy tsy ny lazan'i Lee Kuan Yew ihany fa ny lova navelany izay mametraka ao anatin'ny fotoana maharitra ho ray mpanorina ny firenena [=rain'ny fahaleovantena]. Ny ‘fanomezam-boninahitry ny fiarahamonina’ no nampiray ny Singapaoreana rehetra ao anaty fisaonana noho ny fahalasanan'i Lee Kuan Yew sy manome voninahitra azy ho mpitarika lehiben'ny firenena.

Indreto ambany indreto ny sasantsasany amin'ny sehatra hita any amin'ny ivon-toeran'ny fokonolona:

A family pays tribute to Lee Kuan Yew

Ankohonana iray manome voninahitra an'i Lee Kuan Yew

Community tribute at Woodlands

Fanomezam-boninahitry ny Fiarahamonina ao Woodlands

Community tribute at Senja-Cashew Community Club

Fanomezam-boninahitry ny Fiarahamonina ao amin'ny Kliobam-Pokonolona Senja-Cashew

An artwork honoring Lee Kuan Yew made by young people from PCF Bukit Timah Branch

Asa-tanana iray manome voninahitra an'i Lee Kuan Yew nataon-jatovo avy ao amin'ny PCF Bukit Timah Branch

Community tribute at Yishun

Fanomezam-boninahitry ny fiarahamonina ao Yishun

A student writes a note honoring Lee Kuan Yew

Mpianaratra iray manoratra mari-panajana an'i Lee Kuan Yew. Fanomezam-boninahitry ny Fiarahamonina ao amin'ny zaridaina bôtanika

Community tribute at Toa Payoh

Fanomezam-boninahitry ny Fiarahamonina ao amin'ny Toa Payoh

Community tribute at Toa Payoh

Fanomezam-boninahitry ny fiarahamonina ao amin'ny Toa Payoh

Community tribute at Tanjong Pagar

Fanomezam-boninahitry ny Fiarahamonina tao amin'ny Tanjong Pagar

Ankilan'ny ‘fanomezam-boninahitry ny fiarahamonina’, Dia afa-namela hafatra ho an'i Lee Kuan Yew ihany koa ny Singapaoreana amin'ny alalan'ny pejy fanomezam-boninahitra iray an-tserasera. Rosie Sim dia iray amin'ireo nanolotra fanajana an'i Lee Kuan Yew:

We sometimes wonder what Singapore stands for and if we ever have a Singapore icon. Is it the Merlion? Vanda Miss Joaquim? The Esplanade? The Singapore Flyer? The Parliament House? We never get to agree with a common identity, but Singaporeans and people from all over the world can easily identify with Mr Lee Kuan Yew as Singapore. A living icon and sense of common identity among all of us indeed.

Indraindray isika manontany tena hoe inona no ijoroan'i Singapaora ary raha tsy mbola nanana olomanga mihitsy i Singapaora. Ny Merlion ve? Vanda Miss Joaquim? Ny Tokotanibe? Ny Singapore Flyer? Ny Lapan'ny Parlemanta? Tsy mety miray hevitra mihitsy isika amin'ny fanondroana iray iraisana, saingy indro ny Singaporeana sy ny vahoaka manerantany fa afa-mamantatra an'Atoa Lee Kuan Yew ho i Singapaora. Olomanga mbola velona sy fanondroana iraisantsika rehetra notadiavina.

Nokasaina hotanterahina androany ny fandevenana an'i Lee Kuan Yew.

Ny sary rehetra dia tao amin'ny pejin'ny governemanta, Remembering Lee Kuan Yew [Tsarovy i Lee Kuan Yew]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.