VAOVAO FARANY: Arabia Saodita Mitarika Ady Amin'i Yemen

Saudi-led coalition airstrikes on Sanaa. Photograph shared by Yemeni blogger @mareb_elward on Twitter

Fanafihana an'habakabaka notarihan'ny Saodiana ao Sanaa. saripika nozarain'ny blaogera Yemenita @mareb_elward ao amin'ny Twitter

Nitarika fanafihana ara-miaramila tao Yemen i Arabia Saodita ny alakamisy maraina. Tamin'ny fanohanan'ireo Arabo mpiara-dia aminy ao amin'ny Helodrano , Ejipta, Jordania, Maraoka, Sodana ary Pakistana no nanombohan'i Arabia Saodita ny fanafihana an'habakabaka, nomena anarana hoe Decisive Storm [tadio mahatapaka] hamelezana ireo mpiadin'ny Houthi izay nahazo ny fifehezana an'i Yemen tamin'ny volana janoary.

Nanomboka tamin'ny roa sy sasany maraina, ora Yemenita, ny fanafihana an'habakabaka, ary nisara-kevitra teo amin'ireo te-hahita ny Houtis ho tafala amin'ny fahefana sy ireo tsy te-hahita ny firenena ho lasa Iràka na Syria na Libya ny mpiserasera Yemenita sy ny blaogera Arabo.

Tadio Mahatapaka

Nilaza ny namana ao Sana fa nanomboka tamin'ny roa ora sy sasany maraina ny daroka baomba – nanaraka amin'izay ny tifitra fiaramanidina be manadala

Mpaneho hevitra avy ao Emirà Arabo Mitambatra Sultan Al Qassemi nanonona anaraka ireo firenena nandray anjara tamin'ny ‘Decisive Storm’ [tadio mahatapaka]:

Al Arabiya: Emirà Arabo Mitambatra voromby mpiady 30, Koety 15, Bahrain 15, Qatar 10, Jordania 6, Ejipta 2 nandray anjara tamin'ny “Decisive Storm” [tadio mahatapaka]

Manampy ny mpanao gazety Henan Moussa:

Fanafihana ara-miaramila ny Houtis ao Yemen antsoina hoe ‘Decisive storm’. Mandray anjara ihany koa i Pakistas sy i Ejipta amin'ny alalan'ny tafika an'habakabaka sy an-dranomasina

Ary nanontany ny mpianatra Daniel Wickham, avy ao Angletera:

Saodita, Bahrain, Emirà Arabo mitambatra, Qatar, Ejipta ary Jordania midaroka baomba an'i Yemen amin'izao fotoana izao. Efa azo antoka fa nampiasaina ny fiaramanidina mpiady vitan'i Etazonia sy i Angletera sa ahoana?

Al Qassemi ihany koa mampitaha azy amin'ny ‘Storm’ [tadio] hafa:

ny ady ankapobeny eto amin'ny renim-paritra ankehitriny “Decisive Storm” dia mitovy fanombohana anarana amin'ny ady ankapobeny teto amin'ny renim-paritra antsoina hoe “Desert Storm” (1990). Fifanojoana ve? tsy izay ny eritreritro

Misara-kevitra ao anatin'ny fotoanan'ny ady

Yemeni blaogera Atiaf Alwazir miantso ny mpiray tanindrazana aminy na lahy na vavy:

tsy maninona izay firehan-kevitra ara-politikantsika dia aza mifototra amin'ny ady fa tsy hahavaha olana mihitsy izany, hiteraka ra mandriaka fotsiny izany

Nampiany:

Tsy valinteny na oviana na oviana ny ady. Nokasaina io hamotehana an'i Yemen fa tsy hampisy fifandanjan-kery! [iny ny anao ry] Saodiana sy ireo iraisampirenena mitia ady

Manazava ny Yemenita Hamza Shargabee :

Mitranga ny fanafihana an'habakabaka satria halan'ireo mpandray anjara ny houtis/iran fa tsy hoe tian-dry zareo i Yemen

Avy ao Sanaa, Jamal Jubran manoratra ao amin'ny Facebook:

أنت ضد فكرة الحرب. أنت ضد العدوان،أيّ عدوان. تخرج لمظاهرات ضد الحروب. كيف الآن تؤيد الحرب على بلدك. عشر دول بتضرب بلدك في وقت واحد. السعودية بتضرب بلدك. وأنت تؤيدها. اسمح لي أقلك : أنت كائن مسخ ومشوّه.
يلعن أبو شكلك.

Manohitra ny ady ianao. Manohitra ny fananiham-bohitra ianao. Mandray anjara amin'ny fihetsiketsehana manohitra ny ady ianao. Ahoana no nahatonga anao hanohana ny ady eo amin'ny firenenao? Firenena folo no manafika ny firenenao indray miaraka. Avelao aho hiteny aminao fa olona misy fahavoaza ianao. Enga anie ianao ho voaozona.

Ary i Hafez Albukari nizara ny sarin'ny araben'ny renivohitra Sanaa babangoana, fa nakatona ny sekoly ny andron'ny fanafihana:

Arabe manginan'i Sanaa amin'ny fito maraina satria tsy nankany am-pianarana na niasa ny maro noho ny koropaka tamin'ny fanafihana an'habakabaka

Inona no tanjona tratran'ny fanafihana an'habakabaka?

Izany  no fanontanian'ny maro.

Ao amin'ny pejy Facebook tetikasam-pandriampahalemana ao Yemen, manoratra i Will Picard:

Saudi Arabia, responding to Abdu Rabu Mansur Hadi's request, has launched air strikes against San'a. As a student of Yemeni affairs and of military tactics, I do not understand what KSA thinks it can achieve with such strikes. People will be killed, without a doubt, and the infrastructure will be damaged, but air strikes will do nothing to degrade the position of Saleh and Ansar Allah.

Arabia Saodita, mamaly ny fangatahan'ny (filoha) Abdu Rabu Mansur Hadi, no nandefa fanafihana an'habakabaka amelezana an'i Sana'a. Amin'ny maha-mpianatry ny raharaha yemenita ahy sy ny tetikady ara-miaramila, dia tsy takatro hoe inona no eritreretin'i Fitondram-Panjaka Saodiana ho tratra taorian'iny fanafihana iny.  Ho faty ny olona, tsy isalasalana izany, ary ho potika ny fotodrafitr'asa, fa tsy mahavita na inona na inona hanimbana ny toeran'i Saleh sy Ansar Allah ny fanafihana an'habakabaka

Nampiany:

I'm a relatively smart person. I've studied international relations and warfare for a long time. I honestly cannot imagine what positive result Saudi Arabia or its allies think can be achieved through air power right now. Thoughts?

Manampahaizana ihany aho, nianatra ny fifandraisana iraisampirenena sy ny ady miaramila nandritra ny taona maro. Tsoriko fa tsy mahita aho hoe inona ny vokatra tsara azon'i Arabia Saodita na ny mpiara-dia aminy

Mifaly ny Saodiana

Mandritra izany fotoana izany ny Saodiana bilaogera Hassan Al Harthy dia mankalaza ny fijoroana Saodiana manohitra ny “tsy rariny sy ny fahavalo.” Nisioka izy:

Isam-panjaka dia ahitana fanafahana amin'ny tsy rariny sy ny fahavalo
Aorian'i Allh dia i Arabia Saodita no firenena mpanohana

Nozarainy ny fandravahana an-tsary ahitana ny mpanjaka tokana Saodiana Fahd bin Abdulaziz Al Saud ho mpanafaka an'i Koety; Ny Mpanjaka Abdulla bin Abdulaziz ho mpamonjy an'i Bahrain ary ny Mpanjaka ankehitriny Salman bin Abdulaziz ho ilay maherin'i Yemen.

Ahoana ny Manaraka?

Manontany tena ny mpanao gazety Mohammed Jamjoom raha hisarika mpandray anjara hafa ao amin'ny faritra ny fandarohana baomba avy eny an-habakabaka:

Miresaka ny fanafihana an'habakabaka notarihan'ny Saodiana any Yemen, nanontany ny vahiny nasaina ny mpanolotra vaovao ao amin'ny Arabiya hoe ahoana eritreriny amin'ny ho setriny avy any Iran

Ary nanontany ny Syriana blaogera Rafif Jouejati hoe:

Efa ady lehibe fahatelo ve?

Aza miala ahitanao ny tatitra hafa avy any Yemen.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.