Afaka Ho Avotra Amin'ny Fandrosoana Diso Tafahoatra Ve i Istanbul

An installation exhibited at Istanbul Design Biennial. It writes "Construction, my dear Prohpet", and humorously criticized the ongoing construction thirst of the government.

Zavatra natsangana naseho tao amin'ny ” Istanbul Design Biennial”. Izao ny vakiny ‘Fanorenana, ry mpaminany malalako’, entina maneso ny tazom-panorenan'ny AKP (Rariny) antoko Tiorka mirona amin'ny fivavahana . Nozarazaraina be tao amin'ny Twitter.

Tato anatin'ny folo taona farany, lasa tanin'ny fanorenana i Torkia: mitohy aorina tsy mitsahatra manerana ny repoblika ireo làlambe migodana, tetezana manan-danja, hôtely lehibe mirentirenty ary ireo zavatra hafa, amin'ny anaran'ny fampandrosoana sy ny firoboroboana ara-toekarena. Istanbul, tanàna lehibe indrindra ao Torkia, no ivon'io dingan'ny hetaheta lalim-paka io .

Amafisin'ireo mpitsikera fa lasa endrika iray isehoan'ny herisetra io kolontsainan'ny fanorenana io. Noho ny fanotorana tsy ankiato an'i Istanbul amin'ny simenitra, hoy izy ireo, dia samy ho tandindonin-doza ireo ala, na ireo toerana manan-daja ara-tantara sy mitahiry kolontsaina, ary ny fanahin'ny tanàna mihitsy.

Ireto manaraka ireto izao anisan'ireo tetikasa maro izay nihantsy ny hatezeran'ireo mponina te-hitaky ny hamerenna aminy ireo toerana natao ho an'ny daholobe.

Fambolena tandindonin-doza

Ny zavatra iray tena mampitaraina ireo mponina ao Istanbul indrindra ao anatin'ny maro, dia ny tsy fahampian'ny toerana maitso ao an-tanàna. Araka izany, manan-danja manokana amin'ny mponina eo an-toerana ireo fambolena lehibe toy ny Validebag sy Emirgan. Samy voarahon'ireo tetikasam-panorenana eo an-dalam-panatanterahana daholo izy roa ireo ankehitriny.

Iray amin'ireo toerana maintso lehibe indrindra arovana ao Istanbul ny Validebag. Toerana fialofan'ireo biby maro izy io, ao anatin'izany ireo vorona mifindrafindra toerana, ary iray amin'ireo toerana maitso vitsy sisa tavela ao an-tanàna ihany koa. Hatramin'ny taona lasa, niady tamin'ny tetikasa fanorenana maoske iray tafidtra ao anatin'ny faritry ny Validebag ireo vahoaka.

Na dia teo aza ny fampiatoan'ny fitsaràna ilay fanorenana, hita maso mitombo hatrany isan'andro ilay maoske.

Eo ankilany, tsy i Validebag ihany no toerana maiso tandindonin-doza. Vao haingana, nambaran'ny TOKI (Fitantanana ny Fampandrosoana ny Toeram-ponenana) ny famarotana tany mirefy 158.479 metatra toradroa amin'ny tany eo akaikin'ny toeram-pambolena Emirgan hanorenana trano fandraisam-bahiny hafa iray ary toerana lehibe fiantsenàna.

Citizens protest against Mosque construction at Validebag Grove

Olon-tsotra manohitra ny fanorenana Maoske ao Validebag
ny 2 Novambra 2014. Sary avy tamin'i Avni Kantan. Demotix ID: 6171532.

Niezaka ny nandamina ireo vahoaka ny tompon'ilay orinasa mpanamboatra, tamin'ny fanazavàna fa tsy hanohintohina ny fambolena na ny manodidina ny “Bosphore” akory ny fanorenana, fa vitsy ireo nino azy.

Tonga izao ankehitriny ny fotoana ho an'ny fambolena Emirgan, taorian'ny Validebag. Tiorkia miaro sy tia ny faritra maitso ao aminy fotsiny no angatrahako. Be loatra ve izany fangatahana izany?

 Tetikasa Tarlabasi 

Mandritra izany fotoana izany, maro ireo toerana ao Istanbul iharan'ny fanovàna mahery vaika. Narodana ireo faritra efa antitra mba hanome toerana ireo tetikasam-barotra mampidi-bola.

Iray amin'izany toerana izany Tarlabasi, eo anilan'ilay distrika malaza Taksim. Miaraka amin'ireo tranobeny manan-tantara, ary ny toerany latsaka afovoany tsara, toerana iray amin'ireo manan-danja indrindra ao Istanbul izy. Ny taona 2012, maro amin'ireo nipetraka tao no voatery niala sy nifindra trano ary nivarotra ireo tranony tamin'ny vola kely satria nanomboka ilay fanamboarana lehibe natao teo amin'ny toerana.

Tarlabasi area of Istanbul undergoes redevelopment project by Soultana Kabouridou. Demotix ID: 2684393.

Miatrika fanamboarana mahery vaiky ny faritra sasany ao amin'ny tanànan'i Tarlabasi, ao Istanbul, raha ny sasany kosa tsy raharahain'ireo tompon'andraikitra monisipaly tsotra izao. Sary avy tamin'ny Soultana Kabouridou. Demotix ID: 2684393.

Ireo tsy nety nandray ny solom-bidy ary nifikitra ny hipetraka ao amin'ny tanànany dia tsy maintsy niharitra ny fahatapahan'ny rano, ny herinaratra ary ny entona fandrehitra, ny fofon'ny fitoeram-pako tsy misy mpandroaka, ary ireo fandrahonana avy amin'ireo manampahefana monisipaly.

 Manazava i Laetitia Vancon, Frantsay mpaka sary nanadihady ny tantaran'ireo fianakaviana — izay maro amin'izy ireo no avy amin'ireo vondrom-poko vitsy an'isa sy kely fidiram-bola:

Tarlabasi, mitoetra efa ho eo anivon'ny tanàna, dia famakian-doha an-tanàn-dehibe, hafahafa, nijaly noho ny finiavan'ny governemanta hanome ny tany ho an'ny manam-bola. Amin'ny fomba ofisialy, antsoin'izy ireo hoe fandaharan'asa fanavaozana io – fa amin'ny tena izy, fanovàna tanteraka io ary fanorenana sy fanamboarana vaovao, tafiditra ao anatin'izany ny fandrodanana ireo trano efa antitra, izay anisan'ny lova ara-bakoka ho an'i Istanbul, mba hanomezana toerana ho an'ny faritra iray vaovao ho fivarotana, ao anatin'izany ireo toeram-piantsenàna, toeram-pivarotana lehibe ary toerana fandriam-bahiny.

Ny volana Jolay 2014, nandresy tamin'ny fitoriana tany amin'ny fitsaràna ireo mponina ao Tarlabasi, mba tsy androahana azy eo amin'ny taniny ary hampiatoana ny fanorenana vaovao eo amin'ny faritrany. Nanamafy i Ahmet Misbah, ben'ny tanànan'ny distrika Beyoglu ary mpikambana ao amin'ny antoko eo amin'ny fitondràna ankehitriny AKP (Rariny), fa mibahana ny fampivoarana ny tanàna ny fombam-pitsarana toy izany.

Fa ireo manohitra ilay fanorenana kosa milaza fa io fampivoarana io dia ho an'ny tombotsoan'ireo mpanambola be indrindra indrindra, izay mandray anjara amin'ireo tetikasa ireo , satria mampiakatra ambony be ny vidin'ny tany natokana ao amin'ny faritra ny asa fampivoarana.

Toa hita fa ireo olona hany navela hahantra amin'ilay fanomezana tany ireo mpanankarena teo amin'ny tanàna, dia ireo mponin'i Tarlabasi sy i Sulukule.

Noho ilay fanomezana tany ireo mpanankarena, ireo trano fonenana ao #Tarlabasi, izay nitombam-bidy ho 50.000 lira 10 taona lasa izay, dia mitentina ho 2 tapitrisa dolara ankehitriny.

Fanomezana tany ireo mpanankarena, fizarazaràna ho an'ireo mpanankarena: FIDIRAM-BOLAN'I ISTANBUL

Hita ao amin'ny bilaogy “Istanbul Stories” ilay tantaran‘i Tarlabasi, izay ahitàna ireo fahasamihafàna avy amin'ireo tanàna samihafa mpifanolo-bodirindrina amin'ilay tanàn-dehibe.

Fanimbàna ireo Toerana Manan-tantara

Raha arovan'ny UNESCO ireo tantara sasany an'i Istanbul, maro amin'izy ireo no voatohintohina amin'ilay asa fampivoarana. Very ny antony voalohany nanaovana ireo toerana manan-tantara, toy ny toeram-piantsonan'ny fiaran-dalamby ao Haydarpasa, ary novàna ho hotely fandriam-bahiny sy toerana fiantsenàna.

Ny trano fampisehoana tantara an-dampihazo Emek no antitra sy tsara indrindra amin'ireo trano fijerena tantara tao Torkia. Ampahan'ny “Cercle d'Orient complex” io, izay eo ovaina ho toerana fiantsenàna lehibe ankehitriny.

Ny taona 2010, nakatona ilay trano fampisehoana tantara an-dampihazo, raha nilaza ireo manam-pahefàna fa ratsy sy tsy voakarakara ilay tranobe. Nanomboka teo, dia an-dalam-panatanterahana ankehitriny ny ady manohitra ny fandrodanana ny Emek. Raha manamafy ilay orinasa mpanamboatra miasa eo an-toerana fa tsy manimba ilay trano fampisehoana tantara an-dampihazo Emek izy ireo, fa mamindra azy ho amin'ny lenta ambonimbony kokoa fotsiny, vahoaka maro no mahita io ho toy ireo toerana ara-kolontsaina maro nopotehana ho an'ny tombotsoan'ny sasany fotsiny.

Ny taona 2014, nanapa-kevitra ny hampiato ny fanorenana ny fitsaràna iray ao Istanbul. Saingy hita fa voahitsakitsaka ny fanapahan-kevitry ny fitsaràna raha araka ny ratra amperin'asa hita nanjo ny mpiasa iray tao an-toerana.

A child carries a banner at the Emek Movie Theater Protest on April 5, 2014. Photo by Görkem Keser. Demotix ID: 4396772.

Zazakely iray mitondra takelaka tamin'ny hetsi-panoherana tao amin'ny toerana fijerena sarimihetsika Emek, ny 5 Aprily, 2014.
Sary avy tamin'i Görkem Keser. Demotix ID: 4396772.

Mbola mitohy hatrany ny fanorenana tsy araka ny lalàna eo amin'ny trano fijerena sarimihetsika Emek.

Ny 5 Febroary, ny Filankevi-Panjakana Tiorka, ny fitsaràna tampony ny raharaham-pitantanana ao amin'ny firenena, dia namoaka didy ny hampiatoana ny fanatanterahana ny fametrahana toerana manokana ho an'ny mpanankarena, izay manome fahefàna mihoampampana ny TOKI, ny mpiandraikitra ny fananantany sy fa mpiroboroboana ny fanorenana trano.

Taorian'io didy io, maro no naneho fanantenàna fa ho afaka hanana toerana hakàna aina ilay tanàna lehibe indrindra ao Torkia niharan'ny fampandrosoana diso tafahoatra .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.