Olona Sivy Ambinifolo No Namoy Ny Ainy Tamin'ny Fanafihana Mozea Tao Tonizia

Anti-terror protests in Habib Bourgabia Street in the capital Tunis. Photograph shared by  @noussa_tunisie  on Twitter

Hetsi-panoherana ny fampihorohoroana tao amin'ny Lalana Habib Bourguiba tao amin'ny renivohitra Tunis. Sary nozarain'ny @noussa_tunisie tao amin'ny Twitter

Olona 19 farafahakeliny, ary vahiny ny ​17 no namoy ny ainy raha nanafika ny Mozea Nasionaly Bardo ao afovoan-tanànan'i Tunis ireo lehilahy mitam-piadiana.

Anisan'ireo namoy ny ainy ireo mpizahatany Alemana, Italiana, Espaniola sy Poloney, ankoatra ireo Toniziana roa. Olona 22 hafa kosa no naratra nandritra ny fanafihana. Lehilahy mitam-piadiana roa avy eo no matin'ny mpitandro filaminana.

Notaterin'ireo mpanoratra gazety sy mpiserasera tamin'ny aterineto ny fivoaran'ny tantara haingana, satria fantatra ny antsipirihany tamin'izany. Araka ny tati-baovao, nitranga manodidina ny tamin'ny 12 ora sy sasany atoandro, ora mahabe mpitsidika ny fanafihana raha nipoaka ny basy voalohany. Olona valo no namoy ny ainy voalohany teo am-pidinana ny fiara fitateram-bahoaka hitsidika ny mozea ary 10 hafa indray avy eo no maty rehefa avy natao takalon'aina, hoy ny mpitondra tenin'ny Minisiteran'ny Atitany.

Tafintohina tamin'izany fanafihana izany ny Toniziana.

Nilaza ilay mpanao gazety monina ao Kairo Tamer El-Ghobashy fa ny lapan'ny antenimiera no nokendrena hotafihana tamin'ny voalohany, metatra vitsy miala avy eo amin'ny mozea. Hoy izy nisioka:

Nilaza ny mpitandro ny filaminana fa ny Antenimiera ao Tunis no lasibatra voalohany nokasaina hotafihana. Nanafika ireo fiaram-pitaterana mpizahatany ireo lehilahy mitam-piadiana rehefa voasakan'ireo mpiambiana tao amin'ny Antenimieram-pirenena  izy ireo.

Nakatona tanteraka ny parlemanta raha mbola teo am-pivoriana momba ny lalàna miady amin'ny fampihorohoroana.Tao amin'ny Facebook, nizara ity sary ity mampiseho ny solombavambahoaka mihira ny hiram-pirenena Toniziana nandritra ny fanakatonana ny lapa i Christine Patre

Tunisian MPs sing the national anthem during parliament lock down. [Screen shot of the video as Facebook's video embed feature messes up the post]

Solombavambahoaka Toniziana mihira ny hiram-pirenena nandritra ny fanidiana ny parlemanta. [Pikantsarin'ny lahatsary tao amin'ny Facebook]

Hoy i Petre nanoratra:

Words can’t express how sad this is. This was a symbolic attack against democracy (the Parliament) and the economy (the touristic hotspot that is Bardo). But here’s a snippet from today to show you the Tunisia I know, the Tunisians, I know.

After the attack on the Bardo museum, which is situated next door to the Parliament, some of the Parliamentarians at the assembly, who were under an hour long lock-down before being evacuated, began to sing the national anthem and held a speech in defiance to terrorism. The sentiment was clear: “We will continue to fight terrorism!”

A parliamentary hearing about the anti-terrorism law was due to be held today, whether this was linked or not..

Tsy hita izay holazaina hanehoana izao toe-javatra mampalahelo izao. Endrim-panafihana manohitra ny demaokrasia (ny parlemanta) sy ny toe-karena (toeram-pizahantany be olona ao Bardo) izao. Saingy io no sombin-tantara androany mba hampahafantarana anao an'i Tonizia fantatro, sy ny Toniziazna fantatro

Taorian'ny fanafihana tao amin'ny Mozean'i Bardo, miorina eo akaikin'ny Parlemanta, nanomboka nihira ny hiram-pirenena sy nanao kabary mihantsy ny fampihorohoroana ireo solombavambahoaka tao anatin'ny antenimiera, izay nohidiana tao nandritra ny ora maro alohan'ny namoahana azy ireo. Nazava tsara ny fihetseham-po: “Hanohy hiady amin'ny fampihorohoroana isika”

Tokony hotontosaina androany ny fivoriana momba ny lalàna miady amin'ny fampihorohoroana, na misy ifandraisany na tsia ..

Manasokajy ny fanafihana ho goavana indrindra namely ny firenena tao anatin'izay taona vitsy izany ny Toniziana iray, Rabii Kalboussi

Ity fanafihana ity no ratsy indrindra teo amin'ny tantaran'ny Tonizia amin'izao fotoana taorian'ny fanafihana tamin'ny 2002 tao amin'ny sinagôgan'i Ghriba ao amin'ny nosy be mpizahatany ao Djerba

Hoy izy nanampy:

Toa nifoha ireo amboadia manirery ao Tonizia ary niova tetikady amin'ny tsy fikendrena ireo mpitandro filaminana fa ny sehatry ny fizahan-tany izay iankinan'ny ain-dehibe

Nidera ireo manampahefana Toniziana i El-Ghobashy:

Mivoatra haingana dia haingana ny vaovao momba ny fanafihana tao Tonizia, saingy mampitolagaga ny fanamafisam-baovao avy amin'ny tompon'andraikitra ambony indrindra ao amin'ny govenemanta.

Rehefa nirotsaka ny aizina tao an-drenivohitra Tonizian, olona an'arivony maro tafintohina no nihaona tao amin'ny lalambe Habib Bourguiba mba hanohitra ny fanafihana

 

Miventy hoe “Afaka i Tonizia” ireo mpanao fihetsiketsehana. Amin'ny lahatsary iray hafa, miventy hoe “Amin'ny fanahinay, ny rànay, manao sorona ny tenanay ho an'ireo maritiora izahay.”

 

Ary satria mbola tsy misy vondrona nitaky ho tompon'andraikitry ny fanafihana, dia nilaza ireo mpanohana ny ISIS fa heverina ho  avy amin'izy ireo izany. Nisioka tamin'ireo mpanjohy azy 21.1K i J.M Berger:

Nalaza manerana an'i Tonizia ny Twittern'ny ISIS, saingy mariho fa tsy vao haingana izy ireo no nampiasa tetikady mazava tsara hoe “raha misy fisalasalana, dia hevero hoe izahay izany”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.