Famakafakana Ny Tantara Mitohy Samy Mitondra ny Lohateny hoe “Tanindrazana” eo amin'ny Filma Amerikana sy ny Filma Rosiana

Russia's new TV series "Rodina" (left) and the US hit show "Homeland" (right). Image courtesy of TJournal.ru.

Andian-tantaramitohy vaovao amin'ny fahitalavitra ao Rosia “Rodina” (ankavia) sy sarimihetsika malaza an'i Amerika  “Homeland” (ankavanana). Sary avy amin'ny TJournal.ru.

Fandikana amin'ny teny Anglisy manontolo ilay lahatsoratra nosoratan'i Vadim Elistratov nivoaka tamin'ny teny Rosiana tao ammin'ny habaka TJournal tamin'ny 17 Martsa 2015 ity manaraka ity.

Navoaka voalohany tamin'ny 16 Martsa tao amin'ny tambajotran'ny fahitalavi-pirenena Rossiya-1 ny andian-tantaramitohy vaovao amin'ny fahitalavitra Rosiana Rodina (Tanindrazana). Notontosain'i Pavel Lugin ary mifototra tamin'ny sarimihetsika Israeliana “Babo an'ady” ity tantaramitohy vaovao ity ary fototry ny tantara an-tsehatra amerikana malaza Homeland [tanindrazana] ihany koa.

Nijery ny fizarana voalohany i Vadim Elistratov avy ao amin'ny TJ ary manazava ny antony maha-sarotra ialàna ny tsy fahombiazan'ny fanamboarana ny tantara hifanaraka amin'ny zavamisy rosiana, saingy hita fa matahotra ho mivaona be loatra amin'ny ôriginaly ireo mpamorona ny tantara, ary nisy fiantraikany tamin'ny tantara mitohy Rosiana izany.

Vadim Elistratov, TJournal.ru.

‘Tanindrazana’ mifampitana amin'ny ‘Tanindrazana’ nosoratan'i Vadim Elistratov

Naneho hevitra amim-pankahalana amin'ny fampifanarahana amin'ny tontolo Rosiana ireo Rosiana mpankafy ny Homeland, izay lasa anisan'ny tantara goavana an-tsehatra amin'ny fahitalavitra, saingy nanome fanantenana ny fandrenesana fa nanatevin-daharana ny tetikasa tsy hiteraka fahafaham-baraka farafaharatsiny ny tale Pavel Lugin [Taxi Blues, The Island, Tsar] sy ireo mpilalao maventy tahaka an'i Vladimir Mashkov [Tycoon, Mission: Impossible – Ghost Protocol] ary i Vladimir Vdovichenkov [Leviathan].

Satria efa nivoaka ny fizarana voalohany, fantatsika fa tsy nandamoka ny seho. Saingy somary mandiso lalana ireo mpamorona raha nilaza ny ôrizinaly Israeliana, Prisoners of War (babo an ‘ady), ho loharanon-kevitra ry zareo: ny fizarana voalohany amin'ny Rodina amin'ny ankapobeny dia famerenana isan-tokony ny hita tamin'ilay sarimihetsika Amerikana, ary vitsy dia vitsy ny ifandraisany amin'ny tantaramitohy Israeliana  (izay novidian'ny Rossiya-1 amin'ny fomba ara-dalàna ny zo).

Mitantara momba ireo gadra Israeliana roa nody tany an-tanindrazana taorian'ny 17 taona nababon'ny Syriana azy ireo, sy ny fotoan-tsarotra hizàrana indray amin'ny fiainana andavanandro ny Prisoners of War. Ny sarimihetsika amerikana namadika ny fototry ny tantara ho lasa tantaram-pitsikilovana mampitaintaina: miaramila tokana, Nicholas Brody ihany no velona tamin'ny fambaboan'ny fahavalo, ka nahasarika avy hatrany ny fifantohan'ilay mpitsikilon'ny CIA Carrie Mathison izany. Izy irery no miahiahy ilay “mahery fo an'ady” ho mpitsikilon'ny firenena anankiroa mety mifandrafy, voahodin-dohan'ireo mpaka an-keriny mpampihorohoro ary naverina tany Amerika mba hanatanteraka fanafihana ao Etazonia.

Nanahaka isa-minitra amin'ny antsipirihany an'i Homeland ny Rodina, na dia tsy manaitaitra loatra noho ilay horonantsary Amerikana aza ny fampifanarahana amin'ny tontolo rosiana nataon'i Lugin, izay nalefa tamin'ny fantsona Premium. Najanon'ny Rosiana mpanoratra ny seho ireo sehatra ahitana firaisana ara-nofo izay iankinan'ny ain-dehiben'ny [zotran-tantara] saingy misy ireo fanehoana maromaro azo marihana. Ohatra, ny mpilalao Ramatoa Brody ao amin'ny Rodina tamin'ny zananivavy miezaka manoroka tovolahy iray, fa tsy tamin'ny fifohany rongony marijuana miaraka amin'ny namany iray.

“Homeland” (ambony) sy “Rodina” (ambany. TJournal.ru.

“Homeland” (ambony) sy “Rodina” (ambany). TJournal.ru.

Tsy hita ao amin'ny horonantsary naseho voalohany hoan'ny Rosiana ihany koa ny seho ahitana ilay mpilalao Carrie Mathison mampiakanjo ny tenany amin'ny fomba marevaka manaitaitra hivoaka ho any amin'ny toeram-pandihizana amin'ny alina, ary mikasa hatory miaraka amin'ny lehilahy voalohany hitany. Ao amin'ny andian-tantara mitohy Amerikana, nilaina ity seho ity hampisehoana fa tototry ny asany i Carrie ka mandeha ho azy fotsiny ny fifandraisany amin'ny lehilahy. Tsy mazava ny anton'ny nanesoran'ireo mpanoratra ny horonantsary Rosiana io sombiny io.

“Homeland” (ambony) sy “Rodina” (ambany). TJournal.ru.

Mampihena ny fampifanarahana ny zavamisy ao amin'ny Rodina ihany koa i Lugin tamin'ny alalan'ny fampanombohana ny tantara ho tamin'ny taona 1999. Mampiasa finday tsy tapaka ireo mpilalao fototra, mametraka fakantsary kely miafina ao amin'ny tranon'ireo ahiahiana ho mpampihorohoro, ary tsy raharahan-dry zareo amin'ny ankapobeny ny safidim-potoana ametrahana ny seho. Mazava ny antony nisafidianana ny 1999: mora kokoa avy eo ny maka sary an-tsaina ny fanafihana goavan'ny mpampihorohoro tao anivon'ny tany Rosiana, saingy miharihary fa tsy fialana bala amin'ny tsy fahamarinana ara-tantara maro ao anatin'ny seho izany fanalefahana izany.

“Homeland” (ambony) sy “Rodina” (ambany). TJournal.ru.

“Homeland” (ambony) sy “Rodina” (ambany). TJournal.ru.

“Homeland” (ambony) sy “Rodina” (ambany). TJournal.ru.

Na dia teo aza ny fanovana sasany, dia mazava fa natao tao anatin'ny tahotra fandrao hanimba zavatra efa mandeha tsara ireo mpanoratra ny Rodina, ary nanao ezaka goavana mihitsy aza ireo mpanorina Rosiana mba hiantohana fa mitovy amin'ireo namany ao amin'ny fampisehoan'ny Amerikana ireo mpilalao misongadina amin'ny fampifanarahana azy amin'ny tontolo rosiana. Amin'ny lafiny ilany, nety izany fomba izany: Vitan'i Lugin ny nampitovy firindra-figadona amin'ny nataon'ny tany Etazonia. Etsy ankilany anefa,  toa tahaka ny noterena ho Rosiana tsy araka izay nilaina ilay sarimihetsika hatramin'izao ary toa miantso fotsiny ireo mpijery tsy tia mijery fahitalavitra Amerikana noho ny antony ara-potokevitra.

Avy amin'ny fomba fijery ara-teknika, dia latsaka ambany kokoa noho ny Homeland amin'ny endriny rehetra ny Rodina: eo amin'ny fanaovana ny sarimihetsika, ny mozika, ary ny lany tamin'ny famokarana

Saingy tsy dia nalaza loatra tamin'ny fanatontosana ny sarimihetsiny ny Homeland, fa [nalaza] tamin'ny fitantarana, ny fahaiza-mihetsika tsara (ary afaka matoky an'i Mashkov ianao), ary ny fahaizan'ny andian-tantara mitohy mamariparitra ny fiainan'ireo mpiasan'ny fitsikilovana amin'ny endrika fitondran-tena matroka. Manao izay tsy mampaazoazo aina matetika ireo mpijery ny mpamorona ny sarimihetsika, amin'ny fampisehoana azy ireo ny sary maherisetran'ireo mpiasan'ny fitsikilovana ary, indraindray, mandrisika ireo mba hiray fo amin'ireo mpampihorohoro sy ny fianakaviany. Ho manan-danja kokoa ny famoronan'i Lugin, raha afaka mamaha tsara ireo olana voatonona ireo izy, na dia tsy mbola nisy hatramin'izay amin'ny fotoana maha-be mpijery ny fahitalavitra Rosiana aza izany tranga izany.

“Homeland” (ambony) sy “Rodina” (ambany). TJournal.ru.

Hatramin'izao, antony tokana ihany no hijerena ny Rodina: dia ny hanamarika ireo fahasamihafana mahaliana eo amin'ny fomba fisainan'ny amerikana sy ny rosiana. Mibaribary ireo fahasamihafana lehibe. Ohatra, toy ny tena mampatahotra mihitsy ilay mpilalao an'i Nicholas Brody mitsangana eo anoloan'ny tranobe Capitol ao Etazonia, saingy raha ao amin'ny sehon'i Rodina, dia mijoro manatrika an'i Kremlin, toa lavitry ny hahavita fanimbana kosa ilay Rosiana.

Ity no fandikana manontolo amin'ny teny anglisy ny lahatsoratra iray nosoratan'i Vadim Elistratov hita tao amin'ny tranonkalan'ny TJournal amin'ny teny rosiana tamin'ny 17 marsa 2015.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.