Afaka Manaisotra Ny Marika Borat-n'i Kazakhstan Ve i Sabina Altynbekova?

Screenshot from Altynbekova's Instagram.

Pikantsary tao amin'ny Instagram an'i Altynbekova.

Nambabo ny fon'i Japana hatrao Filipina sy ny hafa manodidina azy ireo ilay tanora Sabina Altynbekova, mpikambana lava ranjanana sady manintona mpilalao volleyball avy ao Kazakhstan raha nilalao nandritra ny fifaninanana iraisampirenena tao Tapei, Taiwan tamin'ny fahavaratra lasa teo. Hoan'ireo mpanara-baovao maro momba ny fironam-pitiavana an'i Sabina, anisan'izany ny ray aman-dreniny, dia lasa toa tafahoatra aza izany.

Saingy rehefa nilalao volley sy nifandray tamin'ireo mpankafy marobe vaovao avy ao amin'ny frenena Azia nijery ny fifaninana i Sabina, dia namorona marika tsinahy ho azy manokana sy ny firenena izay mizaka ny takaitra navelan'ilay sarimihetsika efa lasa fanta-daza nosoratana sy notontosain'i Sacha Baron Cohen mitondra ny lohateny hoe Borat: Cultural Learnings of America for Make Benefit Glorious Nation of Kazakhstan [Borat: Fianarana ara-kolontsainan’ Amerika Hahazoan'ny Firenena Kazakhstan Malaza Tombontsoa].

Mety mahatsapa ny fametrahana mariky lalao ihany ankehitriny i Sabina, ary sarotra ihany ny tsy hanao izany. Nahatratra 250.000 ny isan'ny mpanjohy azy tao amin'ny Instagram raha nanoratra momba azy nandritra ny fotoana nampalaza indrindra ny fanarahana ny vaovaon'i Sabina ny Global Voices ary mahatratra 400.000 mahery izany ankehitriny. Mipetraka ao amin'ny Instagram ihany koa ny mailaka sabina.manager@gmail.com izay voalaza fa an'olona mikarakara ireo endrim-pamataranandro Soisa [anaovany] sy ny fitsidihana ireo mpankafy mahafatifaty.

Fanampin'izany, raha mbola eo ampikarohana ny tantara momba azy toy ny vao tamin'ity volana ity ireo haino aman-jerin'ireo firenena izay vao nahazoany mpanjohy vao haingana dia haingana, tahaka an'i Indonezia ohatra, dia nampiaka-danja ny lazany ao amin'ny fireneny niaviany ahitana mponina mponina 17 tapitrisa izy.

Anisan'ireo sary Instagraman'i Altynbekova manitikitika ny saina hatramin'ny nisehoany an-tsehatra tao Tapei ny nitranga tamin'ny faran'ny taona teo, raha nametraka ny ny tenany ho mifandaka amin'i Borat (=anti-Borat) izy:

Screen Shot 2015-03-17 at 22.56.08

Clap for Borat an unsuccessful attempt You talked a lot about our country (not a very good things), even though he had no idea what a beautiful our country Kazakhstan☝️You failed, and you can't never imagine Kazakhstan in a bad light Your time is up. You may only to watch as our country is increasingly growing and becoming more beautiful✌️

Tehaka hoan'ny Borat, andrana tsy nahomby niresahanao betsaka momba ny firenentsika (amin'ny zavatra tsy tsara), na dia tsy mahalala ny hatsaran'ny firenentsika Kazakhstan aza izy ☝️ Tsy nahomby ianao, ary tsy afaka hieritreritra an'i Kazakhstan amin'ny fanazavana ratsy ianao Tapitra ny fotoananao. Mety afaka mijery fotsiny ny fitomboana sy ny fihatsaran'ny firenenay ianao✌️

Voarain'ireo mpanjohy an'i Sabina tsara ny lahatsoratra nosoratana voalohany tamin'ny teny Kazakh niaraka tamin'ny dikantenin'i [Altynbekova] tamin'ny teny Rosiana sy Anglisy:

Yeah! NOW I CAN ONLY SUPPORT U. BECAUSE, YOU'VE DONE MORE THAN WE. THAN 1000 000 KAZAKHS CAN DO. OTHERS MAYBE LOVE U CAUSE OF UR WONDERFUL FACE AND UR TALANT, BUT I STARTED LOVE U, CAUSE OF UR BIG HEART AND LOVE. I HOPE, W 

Eny! AFAKA MANOHANA ANAO IRERY AHO. SATRIA. NANAO MIHOATRA NOHO IZAHAY IANAO. MIHOATRA NOHO IZAY NATAON'NY KAZAKH 1000 000. METY HITIA ANAO IHANY KOA NY HAFA NOHO NY ENDRIKAO MAHAFATIFATY SY NY TALENTANAO, SAINGY NANOMBOKA TIA ANAO AHO, NOHO NY FITIAVANA SY HATSARAM-PONAO. MANANTENA AHO

Таким гнелым людям как борат вернётся всё плохое. А тебя пусть ждёт тока хорошое красавица!

Avelao ny zavatra ratsy hitranga amin'ireo olona mambo tahaka an'i Borat ary ho anao ihany ny zavatra tsara, ry tsaratarehinay!

ему усы надо побрить тупым ножом..

Tokony haratantsika amin'ny antsy dombo ny volombavan'i Borat

Raha toa tafahotra ity fanehoan-kevitra farany sy ny hafa tahaka izany, dia tokony hotsarovana fa hoan'ny olona mankahala ny Borat, dia tsy inona tsy akory ilay sarimihetsika hala-tahaka maneso fa famelezan'ny mpanavakavaka izay namaritra ny Kazakhs ho mitoka-monina, mpijangajanga mpamely havaka akaiky, mpankahala jiosy (antisémites) ary ny ambiny mifanakaiky amin'izany. Raha nanao sarimihetsika momba ny mponina avy ao Nizeria, Jordania, Isiraely na Romania (izay nanaovana ny horonantsary) i Baron Cohen dia ho niharan'ny fahatezerana Iraisampirenena izy. Ny tsy fahalalàna no mahatonga an'i Azia Afovoany ho lasibatr'izay rehetra tonga, sady miaro ireo sangany ara-politika sy ho tratran'ny fanaraha-maso amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona.

Saingy marina ve ny voalazan'i Altynbekova fa vita hatreo ny vanim-potoanan'i Borat? Tsy dia izany loatra. Ny lahatsoratra miresaka an'i Kazakhstan avoakan'ireo fampahalalam-baovao lehibe dia mbola mametraka hatrany ilay torohay fanesoana ho fizaha ary enin-taona taorian'ny famoahana azy tamin'ny 2006, dia tafintohina ilay mpanao fanatanjahatena Kazakh vavy iray nahazo medaly volamena raha nahare ny hiram-pireneny araka ny nanaovan'i Borat azy fa tsy ilay tena izy. Vao volana vitsy lasa izay, nilaza ny mpilalao baolina kitra Nerlandey iray fa ny zavatra tokana fantany momba ny firenena Azia Afovoany dia “i Borat avy ao Kazakhstan.”

Ireo sy ny fanamarinana anarana hafa malaza eo amin'ny kolontsain'ny mponina no ahafahana milaza fa raha voahiliky ny marika Sabina ny marika Borat any Azia atsinanana, dia mbola lavitra ny lalana any amin'ny faritra hafa manerana izao tontolo izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.